Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jona, 2011
Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena
Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.
Slovakia, Polonina: (Tsy) Fahafantarana ny Traikefa Mikasika ny Euro
Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana navoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza, dia manohitra ny fidirana ao amin'ny fari-bola euro ny ankamaroan'ny Poloney. Ny tsy fahazoany ny traikefa Slovaky ny mety antony iray mety mahatonga...
Syria: Nandao Ny Orinasany Ny Rahalahin'i Al Assad Fa Hanao Asa Soa.
Ny 16 Jona, ankatoky ny Zomam-pihetsiketsehana vaovao tao Syria, nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handao ny orinasany ilay mpandraharaha Rami Makhlouf, 41 taona, ka hiditra amin’ny asa fanasoavana. Nasser H....
Malawi: Miserasera ao amin'ny Facebook ny mpitondra fiara mba ahitana solika ho vidiana.
Mampiasa Facebook ny mpitondra fiara ao Malawi mba hifampizara vaovao momba ny vidin-tsolika sy ny tahirin-tsolika eny amin'ny tobi-dasantsy mba ahafahany mividy sy mameno ny fitoeran-tsolika amin'ny fiara. Maherin'ny 180...
Singapora : Fanentanana “Vonjeo ny tontolon'ny feso mampalahelo”
Feso dimy amby roapolo no nosamborina amin'ny maha dia azy ireo ka nogadraina ao amina toeram-pilalaovana sy fikarakaram-batana iray. Nanao hetsika fanangona-tsonia ny mpisera sy ny mpitia biby hamela malalaka ireo biby ireo.
Kambodza: Vehivavy Mpandraharaha sy ny Valantserasera
Natsangana tao amin'ny facebook ny vondron'ny Vehivavy Kambodziana ao amin'ny fandraharahana ny volana Novambra 2009 mba hizarana ny traikefa ananan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny hisiana tambazotra ao...
Espana: Mivoatra ny Hetsi-Panoherana, Saingy Mbola Mitohy Mafàna Ny Raharaha
Ireo fanentanana nanomboka tamin'ny 15 May tao Espana dia nivadika niandàlana ho famoriam-bahoaka tao an-toerana, fivorivoriana ary karazana fandraisan'andraikitra maro samihafa nanerana ny firenena. Saingy mbola avo dia avo ny maripàna eny an-dalambe eny. Tamin'ny 11 Jona, tao Madrid renivohitra, niafara tamin'ny firotsahana an-tsehatry ny polisy namely ireo mpanao hetsi-panoherana ny fitorevahana iray.
Però: Manambara ny fiverenany hitokona ao Puno indray ny vazimba Aymara
Taorian'ny fampiatoana vonjimaika [es] ahafahana manatontosa ny fifidianana filoham-pirenena [es] ao amin'ny faritr'i Puno, dia nanambara ny fiverenany [es] tanteraka hitokona [es] indray ny vazimba Aymara, amin'ny fitakian'izy ireo hanafoana ny toeram-pitrandrahana ankibon'ny tany rehetra any Puno
Ejypta : Mampiady hevitra ny fifanarahana amin'ny FMI
Mba hanampiana ny firenena Ejipsiana amin'ny olana ara-bola noho ny revolisiona 25 janoary, nanaiky hanao fanampiana fampindramam-bola mitentina 3 miliara dolara ho an'ny firenena be mponina indrindra ao amin'ny tany arabo ny FMI (Tahirim-bola Iraisampirenena) tamin'ny Alahady teo.