Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Marsa, 2019
Mampitombo adihevitra ao Myanmar: sahan'akondro Kachin an-tsary
"Nahazo ny fanohanan'ny Shinoa ny ankamaroan'ny saham-pambolena ary ampangaina ho mangala-tany, manimba ny tontolo iainana ary manitsakitsaka ny zon'ny mpiasa ireo Shinoa ireo."
Jordania: Miady hevitra momba ny mety ho Fivorian'ny Vaomieran'ny Fiaraha-Miasa ao amin'ny Helodrano
Niteraka fanehoan-kevitra marobe ny fanambarana fa mety hanatevin-daharana ireo mpikambana enina ao amin'ny Filankevitry ny Fiarahamiasan'ny Helodrano (Gulf Cooperation Council -GCC) na (GCC) i Jordania sy i Maraoka.
Ireo Korontana Ara-politika Tao Haiti: Efa Fahita Sa Fotoana Tsara Amin'ny Fanovàna Tsy Azo Atao Ambanin-javatra?
Nakatson'ireo fihetsiketsehana ny sekoly, hopitaly sy tsena tao Port-au-Prince, ary ireo tanàn-dehibe hafa koa. Takian'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fanovàna ifotony ny rafitra: "tabula rasa" (akipilizo daoholo), araka izay fiantson'izy ireo azy.
Mandray anjara amin'ny toekarenan'i Hong Kong ny vahiny mpiasa an-trano fa tsy manana ny servisy ara-bola fototra
"Heverina ho toy ny vahiny izahay, sokajin'ny mpiasa ambany nefa dia ny governemanta no nanosika ny politika sy ny fampiharana manoka-monina ny vahiny mpiasa tsy ho tafaraka amin'ny vahoakan'i Hong Kong iray manontolo."
Nandroaka mpiasa ambony tao amin'ny orinasan'ny fifandraisan-davitra MTN i Oganda noho izy ireo lazaina fa mitsikilo
Nanamafy i Namaye fa natao fanadihadiana izy roa ireo nandritra ny "fotoana fohy" ary noroahana satria "nihevitra izahay nandritra ny fanadihadiana fa raha mbola mijanona [ao Oganda] ry zareo, dia mety hiteraka.... olana sy fahasahiranana bebe kokoa."