· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Septambra, 2009

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

  25 Septambra 2009

Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

  17 Septambra 2009

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana...

Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta

  09 Septambra 2009

Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana. Nanandratra ny Aghapy TV – avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” – ho fantson-tsary...

Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza

  08 Septambra 2009

Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.