· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Novambra, 2009

Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”

  21 Novambra 2009

Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.

Angola: Lafo ny fiainana any Luanda

  17 Novambra 2009

Lafo avokoa ny zavatra rehetra ao Luanda, renivohitry Angola; na ho an'ny angoley izany na ho an'ny vahiny, ireo mponina any dia mahafantatra izany tsara. Ny fototra toy ny sakafo sy ny fianarana ary ny trano fonenana dia mitovy vidy amin'ny any amin'ny firenena eoropeana. Ny mahasamy hafa azy dia...

Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?

  04 Novambra 2009

Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.