Dingana voalohany mankany amin'ny fifehezana ny tambajotra sosialy bebe kokoa ny fandraràna ny TikTok ao Nepal izay ataon'ny governemanta

 

Photo by cottonbro studio via Pexels. Used under a Pexels license.

Sary avy amin'ny Cottonbro Studio tao amin'ny Pexels. Nampiasana lisansa Pexels.

Tamin'ny 13 Novambra 2023, nametraka fandrarana tanteraka ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa TikTok ny governemanta Nepali noho ny filazan’izy ireo fa miteraka korontana ara-piarahamonina eo amin'ny Nepaley ity sehatra ity. Nanamarika ity fandrarana ity ho tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana sy tsy demokratika anefa ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena.

Nahazo laza tany Nepal ny TikTok nandritra ny valan’aretina Covid-19, nahazo fanambaràna ho nandrisika teny fankahalàna sy ny tsy fifandeferana. Araka ny filazan'ny Minisitry ny Serasera sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao ao Nepal, Rekha Sharma, nanakorontana ny “rindra ara-tsosialy, ny firafitry ny fianakaviana ary ny fifandraisan'ny fianakavianay” hoy izy ny TikTok. Niezaka nifandray tamin’ny TikTok imbetsaka ny governemanta Nepaley momba ny votoaty manafintohina, saingy tsy nahazo valiny ka izany no mitarika ny fandrarana tanteraka izay nahatonga an’i Nepal ho tafiditra tao anaty fampitomboana ny lisitry ny firenena ao anatin'izany India, Fanjakana Britanika, Etazonia, ny Vondrona Eoropeana ary Pakistan.

TikTok nirongatra tao Nepal

Ny Janoary 2023, nahitana mpisera aterineto miisa 15,85 tapitrisa tany Nepal tamin’ny mponina miisa 30,55 tapitrisa. Ny 12,60 tapitrisa amin'izy ireo no mpisera media sosialy, ary ny Facebook no sehatra malaza indrindra, izay mirehareha amin’ny mpisera miisa 11,85 tapitrisa.

Natomboky ny orinasan’ny teknolojia miorina ao Beijing ByteDance tamin'ny volana Aogositra 2018, nahazo laza noho ny fahafahany manatsara sady mampiseho votoatin-dahatsary fohy araka ny safidin'ny mpisera ity TikTok sehatra mifantoka amin'ny horonantsary ity. Milaza ireo mpitsikera fa mampiankin-doha sy tsy mifanaraka amin'ny tandrohasina ny AI sy ny algorithma ampiasainy. Laharana fahenina amin'ireo sehatra media sosialy rehetra ny TikTok, manana mpisera miisa 1,218 miliara manerantany.

Nahitana fitomboana goavana tato anatin'ny taona vitsivitsy, lasa toerana mavitrika ho an'ny mpamorona, mpisintona lakolosy ary orinasa ny TikTok. Na dia tsy misy tarehimarika ofisialy ho an'ireo mpisera TikTok aza any Nepal dia tombanan'ny manampahaizana fa manodidina ny 2,2 tapitrisa eo ho eo izany tamin'ny taona 2022. Ny fitsapan-kevitra tamin'ny taona 2022 nataon'ny Sharecast Initiative Nepal  nanontaniana olona miisa 5.582 no namoaka fa mampiasa TikTok ny 56 isanjaton'ny vondrona santionany.

Fanaraha-maso bebe kokoa amin'ny tambajotra sosialy

Tamin'ny 9 Novambra 2023, nampiditra ny Torolàlana momba ny fampandehanana ny tambajotra sosialy 2023 i Nepal, fitsipika miisa 15 mikendry ny hifehezana ny tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny fepetra ara-pitantanana. Ao anatin'io torolàlana io, nanome baiko ny sehatra media sosialy iraisampirenena ny governemanta mba hanokatra biraom-pifandraisana ao Nepal na hanendry olona ifotony ao anatin'ny telo volana. Ankoatra izany,  takiana ireo sehatra ireo hisoratra anarana any amin'ny Minisiteran'ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana, ary mety hiteraka fandrarana ao amin'ny firenena ny tsy fanarahana izany lalàna izany.

Rehefa mitombo ny isan'ny mpisera aterineto dia nitombo ihany koa ny antsojay mahazo ny olona amin'ny hetsika ataony amin'ny aterineto. Tamin'ny volana Jolay tamin'ity taona ity, olona iray avy ao amin'ny Distrikan'i Jhapa, Faritanin'i Koshi, Nepal, no nosamborina noho ny famoronana sy famoahana horonantsary TikTok tsy mendrika ahitana ny filoha sy ny praiminisitra. Fanampin'izay, polisy maherin'ny 200 no voasazy tamin'ny volana Jolay noho ny nanaovany lahatsary TikTok niaraka tamin'ny fanamiana. Na izany aza, voalaza fa tany amin'i Durga Prasad, mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra teo aloha sady mpandraharaha, ny ahiahin'ny governemanta izay nanomboka fampielezan-kevitra manaratsy tao amin'ny TikTok hanoherana ireo antoko mahazatra, nanolo-kevitra ny hamerenana ny fanjakan'ny Haindò ao Nepal.

Miatrika fiampangana eo ambanin’ny andininy faha-47 amin'ny Fifanakalozana Elektronika taona 2008 ny ankamaroan'ny olona voampanga raha manana fitsipi-dalàna ho an'ny fanaratsiana an-tserasera, fanendrikendrehana ary fanalam-baraka i Nepal, anisan'izany ny Fehezan-dalàna famaizana nasionaly 2017 ary ny Lalànan’ny fanaratsiana sy fanalam-barakan'ny taona 2016.

Tamin'ny volana aogositra tamin'ity taona ity, nampidirin'ny governemanta ny politikam-pirenena momba ny fiarovana an-tserasera vaovao mba hamahana ny heloka an-tserasera manokana sy ny fipoiran’ny fandrahonana. Ahitana ny lisitr'ireo fandrarana ho an'ireo mpiseran’ny media sosialy ny toromarika, ao anatin'izany ny fandraràna teny, feo, horonantsary, na sary manely kabary fankahalana na manala baraka/tsy manaja ny hafa. Mandràra ny famoronana ID sandoka ho an'ny mpisera ihany koa izy io ary misy fepetra isan-karazany, izay notsikerain'ny olona sasany ho mifanohitra amin'ny Lalànan’ny Fifanakalozana Elektronina (ETA) 2008 na ny Politikan’ny Fiarovana An-tserasera vaovao. Maro no mihevitra ny toromarika sy ny fandraràna ny TikTok ho dingana voalohany amin'ny hetsika ataon'ny governemanta hifehezana ny tambajotra sosialy sy hanakanana ny fahalalahana maneho hevitra ao Nepal.

Tsikera mielipatrana

Tao Nepal, nielipatrana ny tsikeran'ny fandraràna. Manamafy i Gagan Thapa, sekretera jeneralin'ny Kongresy Nepaley, fa natao ho amin'ny tanjona politika izany.

Nandefa lahatsoratra ny fampahalalam-baovao an-tserasera Nepaley Nepal Drishtikon:

Nielipatrana ny fanakianana amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta Nepal handrara ny #TikTok. Nitsikera tanteraka ny fanapahan-kevitra ireo mpanao politika, anisan'izany ireo sekretera jeneraly Gagan Thapa sy Bishwa Prakash Sharma ao amin'ny antokon'ny Kongresy Nepaley, ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena. Nankasitraka izany (kosa) ny olona sasantsasany. 

Namoaka fanambaràna ny fikambanana fiarahamonim-pirenena Nepaley Freedom Forum, nosoniavin'ny tsirairay sy ireo fikambanam-piarahamonim-pirenena, milaza fa manakana ny olom-pirenena tsy handray anjara amin'ny resaka an-tserasera sy handray anjara amin'ny vondrom-piarahamonina nomerika manerantany ny fandraràna. Manamafy izy ireo fa afaka mamaha amim-pahombiazana ireo olana ateraky ny votoatin'ny media sosialy ny lalànan’ny lalàmpanorenana misy, ary manitsakitsaka ny antoka araka ny lalàmpanorenana momba ny fahalalahana maneho hevitra ny fandraràna tanteraka, araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha-17(2)(a) ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Nepal.

Namoaka fanambarana ihany koa ny fikambanana iraisampirenena mifantoka amin'ny fananan-jo Access Now:

Tsy azo ekena ny baiko fandrarana tsy mazava!

Tsy maintsy manaisotra ny fandraràna vao haingana natao tamin’ny TikTok + mamolavola rafitra demokratika ho an'ny sehatra mandray andraikitra ny Governemantan'i Nepal.

Mazava ny hafatray eto: https://t.co/LcKvqQvQw8Ao amin'ny #TikTok

Bipin Adhikari, manampahaizana momba ny lalàmpanorenana, namoaka tao amin'ny X (Twitter taloha) hoe:

Niatrika fandraràna maro i Ti(k)Tok sy andram-pandraràna tany Etazonia sy tany amin’ny firenena hafa noho ny ahiahy fiarovam-pirenena sy amin’ny maha fananan'ny orinasa Shinoa ByeteDance azy. Tsy mahatsapa izahay hoe tsy mamela azy ny Lalampanorenan'i Nepal. https://t.co/fI7qT4GLgT

Hoy ilay mpisera Parakram Rana hoe:

Mampiahiahy ny fandraràna ny TikTok ao Nepal, indrindra raha jerena ny fiantraikany amin'ireo tompona fihariana madinika izay miantehitra tanteraka amin'ilay sehatra ho amin'ny paikadin’haivarotra. Ekeko ny maha-zava-dehibe azy amin'ny maha mpamorona votoaty mavitrika ahy amin'ny sehatra isan-karazany,

The Kathmandu Post, izay nitanisa ireo mpamatsy tolotra aterineto dia nitatitra fitomboana 20 isanjato tamin'ny fampiasana aterineto ny herinandro taorian'ny fandraràna ny TikTok, izay inoana fa noho ny fametrahana ny fampiasa VPN mba hialana amin'ny fandraràna. Na izany aza, manamafy ny fandraràna ny TikTok ny Manampahefana misahana ny Fifandraisandavitra ao Nepal (NTA) amin'ny alàlan'ny fitarihana ireo ISP hanakana ny fampiasa VPN sy DNS.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.