
Ilay tale teo aloha tao amin'ny orinasa fanamboarana dite tao Laituri mijery ny sisa tavela tamin'ny fambolena niroborobo tamin'izany fotoana. Pikantsary avy tao amin'ny fanadihadiana Chai-khana.org.
Ity lahatsoratra manaraka ity dia nadika avy amin'ny lahatsoratry ny mpiara-miasa iray mitondra ny lohateny hoe ‘Andriamanitra ô, Misaotra Anao Tamin'ny Dite !’ izay niseho voalohany tao amin'ny tranonkala Chai-Khana.org.
Tamin'ny taompolo 1950, nirehareha tamin'ny fiainana i Laituri, tanànakely misy mponina miisa 2.697. Nirohotra nankany amin'ny foibe ambanivohitra tany andrefan'i Zeorzia ny Zeorziana, ny Rosiana, ny Armeniana ary ny Azerbaijanita mba hiasa amin'ny toeram-pambolena dite izay nandravaka ny faritra faha-Firaisana Sovietika. Nampitotongana ny famokarana ny firodanan'i URSS – lasa tsy nisy fidiram-bola ny fianakaviana ary nanjavona sy maty ny harevaky ny fiteny, ny fivavahana, ny foko tao Laituri. Ankehitriny, lasa mpifindramonina isaky ny vanim-potoanan'ny fambolena ireo olona avy any an-toerana izay mandeha hioty dite any amin'ireo saha manodidina an'i Tiorkia. Mitantara ny tantaran'ireo olona izay niaina tao anatin'ity fambolena dite manitra ity ny ‘Andriamanitra ô, Misaotra Anao Tamin'ny Dite’.