(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)
Taorian'ny tatitra vao haingana nilaza ny fihenan'ny fihanaky ny VIH/SIDA ao Zimbaboe, nifantoka tany amin'ny fiantraikan'ny fanentanana iadiana amin'ny SIDA eo amin'ny fitondran-tena sy ny soatoavina nentim-paharazana Zimbaboeana ny maso ankehitriny:
Zimbabwe's lead in condom use and condom sale worldwide has produced mixed reactions, with some sections of society welcoming the development, while others see it as a sign of “moral decay”.
Zimbabwe is the leading country in Africa in male condom use and sales — selling over 163 million male condoms and 3,8 million female condoms over the past five years. The 163 million male condoms sold represent the highest figure in Africa, while the 3,8 million female condoms figure sold represents the highest number of female condoms sold in the world.
A total of 900 000 female condoms were sold in 2005 alone, representing the highest per capita in any programme in the world so far.
Niteraka fanehoan-kevitra mifanaritaka ao Zimbaboe ny fitarihan-dalany eo amin'ny fampiasana fimailo sy fivarotana fimailo manerantany, nisy ireo ampahany sasany amin'ny fiarahamonina nankasitraka ny fivoarana, raha ny hafa kosa mahita izany ho mariky ny “fitontonganana ara-pitondrantena”.
Zimbaboe no firenena mitarika ao Afrika amin'ny fampiasana sy fivarotana fimailon-dehilahy – nahalafo fimailon-dehilahy maherin'ny 163 tapitrisa ary fimailom-behivavy 3,8 tapitrisa tao anatin'ny dimy taona. Ny fimailon-dehilahy miisa 163 tapitrisa lafo no ambony indrindra eto Afrika, raha tarehimarika ambony indrindra amin'ny fivarotana fimailom-behivavy manerantany kosa ny fandafosana fimailom-behivavy miisa 3,8 tapitrisa.
Fimailom-behivavy mitotaly 900 000 no lafo nandritra ny taona 2005 fotsiny, maneho isa ambony indrindra isam-batan'olona amin'ny fandaharana rehetra manerantany hatramin'izao.
Saingy tamin'ny fanambarana miampanga ny tsy fisian'ny tolotra avy amin'ny Filan-kevitry ny Tanànan'i Harare, Taurai ao amin'ny Kubatana nilaza fa indraindray diso fipetraka ny hafa-panohanana fimailo,
There are some garbage bins in Harare that display colorful adverts for Protector Plus condoms. Part of the advert reads, “What the smart guys are wearing”: a great message but what a pity that most of the bins are overflowing with garbage that hasn’t been collected for days.
Misy fanariam-pako ao Harare izay mampiseho dokambarotra marevaka momba ny fimailo Protector Plus. Ny ampahany amin'ny dokambarotra dia mivaky hoe, “Ny hoentin'ireo zatovo marani-tsaina”: hafatra lehibe saingy mampalahelo fa difotra fako ilay fanariam-pako izay mbola tsy nesorina nandritra ny andro maro.
Mitantara ny fibedesan'ilay mpikatroky ny demaokrasia Zimbaboeana an'ny minisitry ny raharaham-bahinin'i Afrika Atsimo tao Londra tamin'ny herinandro lasa ny This is Zimbabwe.
Mitatitra am-piesoesoana momba ny fifaninanana vaovao natao tany Angletera izay manome loka ho an'ny mpitarika mendrika indrindra ao Afrika i Bearded Man tamin'ny fanamarihana hoe “tsy ho anisan'ireo mpialoha lalana i Zimbaboe.”
Tao amin'ny Harare Diary, “mandrovindrovitra ny akanjon'ny fanekena tsy fidiny” ny mpanoratra
While walking down the stairs yesterday, a woman who works on the same floor as me said “so what’s news?” And I replied, well it depends. She went on to say “when is he going?”. Of course “he” = Mugabe. All I could think of replying was, soon, I hope.
Raha nandehandeha teny amin'ny tohatra omaly, nilaza ilay vehivavy iray miasa ao amin'ny rihana misy ahy hoe: inona no vaovao?” Ary namaly aho hoe, arakaraka. Nanohy niteny izy hoe “rahoviana izy no handeha?”. Mazava ho azy fa “izy” = Mugabe. Ny zavatra heveriko azo valiana dia, tsy ho ela, mino aho.
Eddie Cross, manoratra ao amin'ny Enough Zimbabwe, mitantara ny fahorian'ireo mpandraharaha Zimbaboeana izay nosamborina fahatany,
During the past week many hundreds of businessmen and women have been arrested and detained for short periods by the Police and other StateAgents. In addition literally thousands of businesses have been raided –some on a daily basis, in an effort to intimidate and force wholesalers and retailers to reduce prices and margins.
One business that I know personally has had individuals from State agencies literally camped on the premises for more than 10 days. They issue tickets and when managers have gone to the local Police Station to pay “Admission of guilt” fines they have been confronted with a wide range of arbitrary charges.
Three such charges that I have seen read: -
Docket number 3627023 “Wrongfully and unlawfully offering for sale”
Docket number 3625426 “Failure to furnish information”
Docket number 3625427 “ Failure to display prices”
In each case a fine was paid of Z$10 000.00 – much cheaper to pay the fine than go to Court with all that that involves. The authorities are trying to enforce a maximum retail mark up on a wide range of goods of 10 per cent. What they are demanding at wholesale level is anyone’s guess – perhaps 5 per cent?
Nandritra ny herinandro lasa teo, mpandraharaha lahy sy vavy an-jatony maro no nosamborina sy nogadrain'ny Polisy sy Mpiasam-panjakana hafa nandritra ny fotoana fohy. Ankoatra izay, ara-bakiteny, orinasa an'arivony no nidirana an-keriny – ny sasany isan'andro mihitsy, mba hampitahorina sy hanerena ireo mpampongady sy mpaninjara mba hampihena ny vidin'entana sy ny tombombarotra.
Orinasa iray fantatro manokana kosa nahitana ireo olona avy amin'ny Sampan-draharaham-panjakana nijanona tao amin'ny orinasa nandritra ny 10 andro mahery. Namoaka tapakila izy ireo ary rehefa nankany amin'ny biraon'ny polisy teo an-toerana ireo mpitantana orinasa mba handoa onitra “Fiaiken-keloka”, niatrika karazana fiampangàna maro tsy ara-dalàna izy ireo.
Fiampangana telo tahaka izao no hitako: -
Raharaha laharana faha-3627023 “Tolo-bidy tsy marina sy tsy ara-dalàna”
Raharaha laharana faha-3625426 “Tsy nampahafantatra vaovao”
Raharaha laharana faha-3625427 “Tsy nampiseho vidin'entana”
Tamin'ny raharaha tsirairay, 10 000 000 dolara Zimbaboeana ny onitra naloa – mora kokoa ny mandoa onitra noho ny mandeha any amin'ny fitsarana miaraka amin'izay rehetra mitranga. Miezaka mametraka an-katerena vidin'ny antsinjarany maka tombony 10 isanjato fara fahabetsany amin'ny karazan'entana ny manampahefana. Ny zavatra tadiavin'izy ireo amin'ny varotra ambongadiny dia araka ny hevitry ny sasany – angamba 5 isanjato?