Afghanistana: Kabul Bank Eo Am-pahafatesana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Tsy rendrarendra manokana ho an'ny firenena manankarena ny krizy ara-bola. Ny tantaran'ny Kabul Bank any Afganistana dia fahaverezam-bola ho an'ny mahantra. Eo am-pahafatesana, manana trosa 1 miliara ny banky, izay an'ny rahalahin'i Hamid Karzai, filohan'i Afghan. Olona an'arivony no afaka naka vola maherin'ny 200 tapitrisa dolara tamin'ny herinandro lasa, fa ny hafa kosa tsy navelan'ireo mpiambina mitam-piadiana niditra tao amin'ny banky.

Mandoa vola ho an'i Karzai

Juan Cole, Amerikana mpahay tantara sady mpampianatra ambony izay mibilaogy momba an'i Afghanistana sy Afovoany-Atsinanana nanoratra hoe:

The story begins with Sherkhan Farnood, a financier who founded Da Kabul Bank after the fall of the Taliban. Over the years he appears to have used the institution for patronage for politicians and their families. Farnood gave millions to the presidential campaign of Hamid Karzai last summer, a campaign that Karzai was accused of only winning through substantial ballot fraud. (Hint: a vote wouldn’t cost much to buy in Afghanistan, and ‘millions’ would buy a lot). The other top executive at the bank, Khalilu’llah Frozi, was a campaign adviser to Karzai. Hamid Karzai’s brother Mahmoud has a 9% share in the bank…The Karzai government is corrupt and rotten to the core. Not a single US soldier should die to prop it up.

Nanomboka tamin'i Sherkhan Farnood, mpandraharaha ara-bola nanangana ny Da Kabul Bank taorian'ny firodanan'i Taliban ny tantara. Toa nampiasa ny orinasa hanampiana ireo mpanao politika sy ny fianakavian-dry zareo nandritra ny taona maro izy. Nanome vola an-tapitrisany tamin'ny fampielezan-kevitry ny filoham-pirenena Hamid Karzai tamin'ny fahavaratra teo i Farnood, fampielezan-kevitra izay niampangàna an'i Karzai ho nahazo fandresena tamin'ny alalan'ny hosoka goavana. (Fanamarihana: tsy mandany vola be ny mividy vato any Afganistana, ary hahazoana vato marobe ny ‘vola an-tapitrisany’). Ny mpanatanteraka ambony iray ao amin'ny banky, Khalilu'llah Frozi, no mpanolotsaina tamin'ny fampielezan-kevitr'i Karzai. Manana petra-bola 9% ao amin'ny banky i  Mahmoud, rahalahin'i Hamid Karzai,… Mpanao kolikoly ny governemantan'i Karzai ary maloto hatrany am-potony. Tsy tokony ho faty amin'ny fanohanana azy na dia miaramila Amerikana iray aza.

Nanoratra i Paiman Majedi, bilaogera Afgana ao Afghanistan fa samy mpiara miombon'antoka goavana ao amin'ny banky ny rahalahin'ny Filoha Karzai, Mahmoud Karzai sy ny filoha lefitra Afghan, Hussein Fahim.

I went to the bank. It was crowded with people wanted to take their money out. I was asked to come back tomorrow after long hours of waiting… If the government and the Afghanistan central bank do not intervene fast, Kabul Bank will collapse… This crisis raises concerns about the activities of private banks in Afghanistan.

Nankany amin'ny banky aho. Feno olona te-haka ny volan'izy ireo tao. Nangatahana aho mba hiverina rahampitso rehefa avy niandry ora marobe … Raha tsy mirotsaka an-tsehatra haingana ny governemanta sy ny banky foibe Afghanistana, ho faty ny Kabul Bank…Miteraka ahiahy momba ny zavatra ataon'ny banky tsy miankina ao Afganistana ity krizy ity.

Afghanistan Economy, bilaogy mamangom-baovao ara-toekarena ao Afghanistana nanoratra hoe:

The collapse of Kabul Bank could undermine the war against the Taliban. The bankruptcy of this bank could also hurt the private sector and investment in Afghanistan. The struggle to save this bank continues from the private sector to the presidency…

Mety hanimba ny ady amin'i Taliban ny firodanan'ny Kabul Bank. Mety hanimba ny sehatra tsy miankina sy ny fampiasam-bola ao Afganistana ihany koa raha bankirompitra ity banky ity. Voakasiky ny tolona ho fanavotana ity banky ity koa ny sehatra tsy miankina sy ny fiadidian'ny filoha

Mahmoud Hakimi, bilaogera sady mpanao gazety Afghana nanoratra tao amin'ny bilaoginy, Tabarghanak [fa]:

…People ask, if the Afghan government guarantees the bank then who will guarantee the people? Hundreds are going to the Kabul Bank to take their money out… Poor people with thousands of hopes deposited their money in this bank, when they hear that bank managers bought luxury mansions in Dubai with their money, they become even more worried.

. Manontany ny olona, raha manome antoka ny banky ny governemanta Afgana, iza no hiantoka ny vahoaka? An-jatony no nankany amin'ny Kabul Bank mba haka ny volany … Nametraka ny volany tao amin'ity banky ity  tamim-pitokisana ireo vahoaka mahantra, raha nandre izy ireo fa nividy trano tsara tarehy tany Dubai tamin'ny volan'izy ireo ireo mpitantana ny banky, nanjary natahotra izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.