(Marihina fa tamin'ny 18 Jona 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Maty teo amin'ny faha-87 taonany ny 18 Jona 2010 ilay mpanoratra Portiogey sady hany mpandresy tamin'ny loka Nobel amn'ny teny Portiogey ho an'ny Literatiora José Saramago tao amin'ny toeram-ponenany tao Lanzarote noho ny fahanterana sy ny aretina naharitra nahazo azy Namela ho antsika karazana tantara noforonina maro feno fomba fisainana filôzôfika izay namoronany ny toe-javatra tsy azo eritreretina sy tsy ho tanteraka izy satria nahazo fanakianana izy ireny anisan'izany ny boky nahalafosana betsaka indrindra Blindness mitantara ny firenena iray izay jamba avokoa ny vahoaka ao aminy sy ny Death with Interruptions izay mitrandraka ny fifandirana ara-tsosialy ao amin'ny firenena iray tsy ahitana olona maty intsony.
@LuisMonteiro José Saramago marcou-me pela integridade, desapego à fama, postura leal perante os seus ideais, por muito q possamos n os partilhar. Homem.
Nametraka ny fanahy revolisionera izay tsy voatery ho ekena na takatry ny saina hatrany ny tsy finoany an'Andriamanitra sy ny fikatrohana ara-politika komonista ao aminy: nifindra tany Espaina izy tamin'ny taompolo 1990 taorian'ny nandrarana azy tsy handray anjara tamin'ny fifaninanana ara-literatiora tamin'ny sanganasany niteraka adihevitra “Ny Filazantsara (Vaovao Mahafaly) araka an'i Jesoa Kristy.”
@tuliovianna Se o inferno cristão existe, neste momento Saramago está sendo recebido com honras de chefe de Estado; Darwin faz um discurso de boas-vindas
Minitra vitsy taorian'ilay fanambaràna ny fahafatesan'i Saramago, nanomboka nanome voninahitra an'i Saramago ireo mpisera manerana izao tontolo izao ary lasa iray tamin'ireo lohahevitra nahazo fanehoan-kevitra betsaka indrindra tao amin'ny Twitter izany na dia malaza aza ny fanoherany ity fitaovam-pifandraisana ity.
@marionel A Saramago no le gustaba Twitter ni creía mucho en Internet, aun así ya es homenajeado al ser TrendTopic [5] http://tweetphoto.com/27811330
@marionel, tsy tia Twitter i Saramago sady tsy nino loatra ny Aterineto izy, na dia nahazo fanomezam-boninahitra ho Lohahevitra Laharana 5 voalohany aza izany

Saramago tao amin'ny Twitter:”Ireo tarehin-tsoratra miisa 140 ireo dia mampiseho zavatra efa fantatsika: ny fironana mankany amin'ny tarehin-tsoratra tokana ho toy ny endriky ny fifandraisana. Midina tsikelikely mankany amin'ny trerona isika.” Sary avy amin'i Liquidslave tao amin'ny Flickr, nomena lisansa CC
Sarotra tamin'ny fandikan-teny ny fomba fanoratan'i Saramago ary indrindra fa ilay amin'ny teny Portiogey araka ny nomarihan'ny olona sasany
@chonnye My favorite novelist, Jose Saramago passed away. His books had a rhythm that no other writer could come close to duplicating. RIP.
@chonnye, nodimandry i Jose Saramago ilay mpanoratra tantara tiako indrindra. Manana feony ny bokiny izay tsy hain'ny mpanoratra hafa alaina tahaka. Mandria am-piadanana.
@diegomaia E se todo mundo escrevesse sem pontuação hoje em homenagem a Saramago #saramagoday
@joaomhenrique Vamos todos deitar fora a tecla da vírgula do teclado em sua homenagem. RIP José Saramago
@joaomhenrique Andao isika rehetra hanaisotra ny faingo avy ao amin'ny bokotra solosaina mba ho fanomezam-boninahitra. Mandria am-piadanana José Saramago
@maria_fro Tô muito triste, #Saramago além de um ótimo escritor era admirável em sua coerência e princípios: http://migre.me/Q28O #luto
Nanome soso-kevitra momba ny lahatsoratr'i Saramago izay tsara ho vakiana ihany koa i Maria Frô tao amin'ny blaoginy, indrindra fa ny antsafa farany nifanaovany tamin'ny El País izay nahitana ilay mpanoratra nilaza hoe: Aza miresaka amiko momba ny fahafatesana, satria efa fantatro izany .
Mamela antsika hisaintsaina ny soatoavina ara-tsaina sy ideolojika amin'ny toetra izay hiaina amin'ny alalan'ny teny ny lahatsoratra farany nivoaka tao amin'ny bilaogin'i Saramago antsoina hoe “Think, Think” (Eritrereto, Eritrereto) .
Acho que na sociedade actual nos falta filosofia. Filosofia como espaço, lugar, método de refexão, que pode não ter um objectivo determinado, como a ciência, que avança para satisfazer objectivos. Falta-nos reflexão, pensar, precisamos do trabalho de pensar, e parece-me que, sem ideias, nao vamos a parte nenhuma.