Ejipta: Na Ireo Mpivarotra Zava-Mahadomelina Aza Dia Tia An'i Obama

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008)

Tonga amin'ny faratampony iray vaovao ny lazan'i Barack Obama ao Ejipta miaraka amin'ny fampidirana eny an-tsena ny entana iray tsy ara-dalàna , mitondra ny anaran'ny filoha vao voafidy!

Araka ny voalazan'ny blaogera ejiptiana  Hossam el-Hamalawy [amin'ny fiteny anglisy], mivarotra antsokosoko ‘haschich’ mitondra ny anaran'i Obama ireo mpanondrana antsokosoko ao amin'ny tanàna mediteraneana Marsa Martrouh.!

Karazana haschich vaovao antsoina hoe “Obama”! (mitovy tsisy valaka amin'ny “noir marocain”) no nivoaka ao an-tanàna ejiptiana Marsa Matrouh, Tadidiko fa tamin'ny taona 2003, karazana haschich iray tena malaza , antsoina hoe “Saddam”, no nivoaka tao Kairo, satria tena nahery kokoa noho ireo “fitaovam-piadiana simika.”

La nouvelle a surgi en ligne sur le site de micro-blogging Twitter, lorsque le blogueur Wael Abbas l'a annoncée, en écrivant (en arabe) :   ………………..Teo amin'ny fanaovana blaogy bitika Twitter no nipoitra tampoka ilay vaovao, rehefa nambaran'ny blaogera Wael Abbas, tamin'ny alalan'ny fanoratany (amin'ny fiteny arabo) fa:

Inty ny “bitsika” (hafatra eo amin'ny Twitter) amin'ny fiteny frantsay:

Maika – Karazana haschisch iray vaovao nivoaka tao Marsa Matrouh – Obama

Mbola monina ao Ejipta ihany, blaogera Elijah Zarwan maneho hevitra hoe:

Raha ny haschich-omètre no hifotorana, mety ho ilay vahiny mpitondra anisan'ny tena nalaza tao Ejipta angamba i Barack Obama hatramin'ny andron'i Saddam Hussein.

* Navoaka teo amin'ny tranonkala Voices without Votes ihany koa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.