Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh

Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro ny 9/11.

Mpandraharaha amin'ny zaitra no asan'i Begum tao amin'ny rihana faharoan'ilay tranobe. Raha nirodana ilay tranobe, voafandrika tao anatinà mosquée tao anatin'ny fototr'io tranobe io ilay vehivavy 24 taona ary nijanona tao 416 ora, niaina tamin'ny alalan'ny fantson-drano sy fikarohana bisikitra tany anatin'ny kitapon'ireo mpiara-miasa maty.

Tanatin'ireo andro vitsy taorian'ny nirodanany ny 24 Aprily 2013, olona 2.428 no avotra avy ao anatin'io tranobe nirodana io. Haingana dia haingana ny fihenan'ny fanantenana hahita olona velona hafa tao anivon'io trano rava io.

Bangladeshi rescuers retrieve garment worker Reshma from the rubble of a collapsed building in Savar after seventeen days. Image by Rehman Asad. opyright Demotix (10/5/2013)

Ireo Bangladeshi mpamonjy voina manavotra an'i Reshma ilay mpanamboatra akanjo avy tao amin'ny sisa tavelan'ilay trano rava tany Savar taorian'ny 17 andro. Sary an'i Rehman Asad. Copyright Demotix (10/5/2013).

Nilaza taminà masoivoho mpampiely vaovao iray i Begum:

আমি ১৭ দিন পানি খেয়ে বেঁচেছিলাম। ভবন ধসের পরপরই আমি ভবনের নিচে আটকা পড়ি। পরে বাঁচার জন্য ভবনে অবস্থিত নামাজ ঘরে চলে যাই। উদ্ধারকারীরা ওপর থেকে নানা সময়ে বোতলজাত পানি পাঠান। আমি সেখান থেকে দুই বোতল পানি সংরক্ষণ করে রাখি। সেই বোতলের পানি আমি প্রতিদিন অল্প অল্প খেয়ে জীবন বাঁচাই।

Ny fisotroko rano no tena nahavotra ahy. Voafandrika avy hatrany aho vantany vao nirodana ilay tranobe. Nandeha haingana tany amin'ny efitra fivavahana aho hialofako. Nandatsaka rano imbetsaka tao ireo mpanavotra aina. Afaka nanangona roa tavoahangy aho ary naharitra nandritra ireo andro ela ireo.

Nampihetsika ny fon'ny maro ny fahagagana nahavotra an'i Begum. Nanoratra ny mpitoraka bilaogy Ashraf Shishir (@ashrafshishir) raha nandre izany vaovao tsara izany:

@ashrafshishir: অনেকদিন পর বাচ্চা ছেলের মতো কাঁদলাম। এইমাত্র রেশমী অথবা রেশমাকে জীবন্ত উদ্ধার করা সম্ভব হয়েছে!…

@ashrafshishir (Ashraf Shishir): Nitomany toa zaza aho taorian'izay ela izay. Avotra soa aman-tsara i Reshmi na  Reshma!..

Niezaka ny tsy hitomany noho ny hafaliany ilay mpiasa eo amin'ny sehatry ny fampivoarana Shahana Siddiqui (@shahanasiddiqui). Nibitsika izy hoe:

@shahanasiddiqui: Mitana ny ranomasoko tsy hilatsaka aho raha mamaky mikasika ny fanavotana mahagaga an'i Reshma! Fotoam-pifaliana, fotoana fireharehana #Bangladesh #savar.

Army and rescuers look through the pocket point in the rubble of Rana Plaza where they found Reshma located alive under the rubble after 17 days of the worst-ever building collapse tragedy. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (10/5/2013)

Mikaroka eo amin'ilay lempona fisavàna anatin'ny sisan'ny Rana Plaza ny miaramila sy ireo mpanavotra aina, izay nahitan'izy ireo an'i Reshma velona tao ambanin'ireo faharavana. Sary an'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (10/5/2013)

Baroness Sayeeda Hussain Warsi (@SayeedaWarsi), minisitra lehibe misahana ny raharaham-bahiny sy ny fananana iombonana ao Angletera, dia namaly rehefa avy nandre ireo vaovao momba ny fanavotana an'i Reshma:

@SayeedaWarsi: Sehatra tsy fahita & mampitraka mampiseho vehivavy tanora avotra 17 andro taorian'ny nirodanan'ny tranobe tao #Savar. Tara-panantenana eo anivon'ny lozabe.

Asif Touhid, manampahaizana amin'ny raharaham-barotra, nanoratra tao amin'ny Facebook:

Reshma … Ry anabavy malala, nanome aingam-panahy ahy ny fikirizanao hiaina ary namerina indray ny finoako ny vahoakako.

Nisaotra ireo mpamonjy aina rehetra izay niasa mafy mba hamoahana an'i Begum tao velona i Kamrul Hasan (@_Kamrul_Hasan_), mpanao gazety :

@Kamrul_Hasan: এভাবেও ফিরে আসা যায়! অভিনন্দন বেশমা, আপনি বেঁচে থাকুন। অনেক অনেক ধন্যবাদ বাংলাদেশ সেনাবাহিনীসহ সকল উদ্ধারকারীদের।

@Kamrul_Hasan: Azo atao tsara na aizany aza! Arahabaina ry Reshma, mirary anao hiaina sy ho salama. Saotra be dia be ho an'ny ekipan'ny miaramila mpamponjy aina ao Bangladesh noho ny ezak'izy ireo.

Nampametraka fanontaniana ny anjara asan'ny media raha nanantona ilay navotana [Begum] izy ireo ary niezaka ny hanadihady azy. Nanentana ny mpiara-miasa aminy ny mpanao gazety Tanvir Ahmed tao amin'ny Facebook:

আপাতত উদ্ধারকর্মী আর চিকিৎসকদের সাক্ষাতকার নিয়ে তৃপ্ত থাকুন। এতদিন রেশমা কি খেয়ে বেঁচে ছিলো, তার জামা কাপড় এতো পরিস্কার কেন? এসকল প্রশ্নের চেয়ে মেয়েটির এখন শুধুই প্রয়োজন চিকিৎসা সেবা।

Miangavy anareo ho faly amin'ny vaovao omen'ireo mpamonjy aina sy ny ekipa mpitsabo. Aza misahirana manontany azy ny fomba naharetany niaina nandritra izay andro maro izay. Maninona no tsy tonta ny fitafiany? Tsy ny famaliana izany fanontaniana izany no ilainy, fa ny fitsaboana faingana dia faingana.

Relatives of missing or dead garment workers optimistic 17 days after the incident. Image by Shafiur Rahman. Copyright Demotix (10/5/2013)

Mbola tsy kivy ny fianakavian'ireo mpiasa tsy hita na maty na 17 andro taorian'ilay loza aza. Sary an'i Shafiur Rahman. Copyright Demotix (10/5/2013)

Ilay orinasa mpamokatra akanjo tonga dia vonona no mpanondrana goavana indrindra mampidi-bola ao Bangladesh, araka izany dia endrika ratsy ho an'i Bangladesh ny faharavan'io tranobe io eo imason'ny maro. Raha mitahiry izany ao an-tsainy, nametraka an'i Begum ho endrik'i Bangladesh i Abu Maksud ao anatinà lahatsoratra ao amin'ny Facebook:

১৭ দিন ধরে ধ্বংসস্তুপে বেঁচে ছিল বাংলাদেশ। রেশমা- বোন আমার অন্ধকূপ থেকে তুমি ফিরে এসেছ, তুমি দেখিয়েছ বাংলাদেশ বেঁচে থাকে, ধ্বংসস্তুপেও বাংলাদেশ বেঁচে থাকে।

Avotra i Bangladesh 17 andro taorian'ilay firodanana. Ranabavy Reshma – niverina avy any anatin'ilay lavaka lalina ianao. Nampiseho ianao fa mbola avotra i Bangladesh eny fa na dia anaty faharavanà aza.

Zafar Sobhan, tonian-dahatsoratry ny Dhaka Tribune, nanao izao teny famaranana izao taminà fanadihadiana niaraka tamin'ny vohikala Aostraliana News.com.au:

I Reshma no maneho ny tsara indrindra avy amin'i Bangladesh, ny faharetan'ny firenena manoloana ny mafy tsy hita eritreretina, ny fahasahiany, ny herim-pony, ny fikirizany tsy ho very fanantenana na inona na inona sakantsakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.