Olon-tsotra Mpanao Gazety Maty Teny Am-pandrakofana Fifandonana Tao Syria

Omar Qatifaan, 14 taona ary mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, dia maty ny 21 May 2013 raha nanangom-baovao momba ny fifandonana teo amin'ny tafika Siriana sy ireo mpihoko avy amin'ny Tafika Malalaka  “Free Army” tany amin'ny faritra atsimon'i Daraa al-Ballad any Syria, akaikin'ny sisintany iraisany amin'i Jordania.

Nitatitra momba ny fahafatesany ireo antontan-taratasin'ny tetikasa Siriana ho an'ny median'ny Tanora, ary ny bilaogim-baovao Siriana YALLA SOURIYA dia niantso azy ho ny “Fanahin'i Syria”.

Ilay fifandonanan tao Syria, hatramin'ireo fitroarana ‘Lohataona Arabo’ faha, dia nahitàna fitomboan'ny olon-tsotra mpanao gazety nitatitra avy eny an-kianja ny ady mbola mitohy eo amin'ireo hery mpanohana ny governemanta sy ny mpanohitra azy. Maro no voasambotra, nampijaliana, ary novonoina mihitsy aza rehefa nanandrana nitondra ny tantaran'ny revolisiona ho hitan'izao tontolo izao.

Nanefa be ihany koa ny ankizy madinika nandritra ilay fifandonana, nahitàna ankizy an'arivorivony maty nandritra ny herisetra hatreto.

Media activist Omar was 14 year when he was killed while covering a battle in Daraa, Syria. Source: Twitter account of ‏@RevolutionSyria

Omar Qatifaan mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka media, 14 taona fony izy nisy namono raha nitatitra ny ady tao Daraa, Syria. Sary avy amin'ny kaonty Twitter an'i  ‏@RevolutionSyria

Mpikatroka mafàna fo iray no nandrakitra anaty lahatsary an'i Qatifaan taorian'ny nahafatesany. Nakarin'i SyrianDaysOfRage [SARY MAHERY SETRA] ao amin'ny Youtube izay fandraketana an-tsary izay :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.