Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Aogositra, 2017
Terena Hametraka Fitaovana Fanarahamaso Amin'ny Findainy Ireo Mponin'i Xinjiang any Shina
Nitatitra ireo mpisera amin'ny Aterineto teo an-toerana fa manao an-tsapaka misava ny fitaovan'ireo mponina ny polisy eny amin'ny toeram-pisavàna mba hijerena raha nametraka ilay fampiasa fanarahamaso izy ireo.
Ejipta: Bilaogera Telo Indray Voasambotra Tao Anatin'ny Iray Andro
Toa manambara ny fiatombohanà fanenjehana misesisesy ireo bilaogera ny andron’ny 22 Jolay 2009 tao Ejipta: bilaogera tanora telo no nosamborina taminà fotoana samy hafa: i Ahmad Abu Khalil, i Abdel Rahman Ayyash ary i Madgy Saad.
Nofonjaina Noho Ny Fanaovana Gazety: Ny Momba Ireo Mpanangona Vaovao Voatazona Ao Myanmar
Hatramin'ny Jona 2017, dimy ireo mpikambana avy amin'ny mpampita vaovao no nofonjain'ny fanjakàna.
Nosakanana Tao Emira Arabo Mitambatra Ve Ny Facebook?
Araka ny Download Squad , voasakana ao Emira Arabo Mitambatra ny fidirana amin'ny habaky ny tambajotra sosialy malaza Facebook . Nanamafy ny mpisera aterineto sasany ao Emirà Arabo Mitambatra fa baiko avy amin'ny Etisalat izay an'ny governemanta ny fandrarana.
Makedonia: Tsy Misy Mpanao Gazety Any Am-ponja Intsony, 15 Volana Aty Aoriana, Afaka i Zoran Božinovski Rehefa Nandoa Onitra
Taorian'ny nandaniany efa ho taona telo tany am-ponja tany Serbia sy Makedonia, nafahana tamin'ny 15 Jolay teo ilay mpanao gazety Zoran Božinovski.
Tezitra Noho Ny Sivana Amin'ny Aterineto, Palestiniana Miteny #AtsaharoNyFanakanana #NoToBlocking
Fantatra noho ny fanakianany ny Manampahefana Palestiniana sy ny filohany, Mahmoud Abbas, ireo vohikala voasakana.
Global Voices Manome Voninahitra Ny Fiainan'i Bassel Khartabil, ilay Mpikatroky ny Habaka Misokatra, Maty Novonoin'ny Fitondrana Siriana
Omenay voninahitra ireo ezaka nandritry ny dimy taona lasa nataon'ny olona sy fikambanana marobe nisolo vava ho famotsorana azy.
Tadiavin'ny Parlemanta Tajik Ho Arahana Maso Ireo Olompirenena Mitsidika Tranonkala “Tsy Ilaina”
Ho an'ny governemanta Tajik, nisy fanovàna tetika ihany koa tamin'ny fanaovana lalàna, governemanta izay ara-tantara dia nisafidy ny hanivana ireo tolotra sy tranonkala mahabe resaka
Etiopiana Mpiangaly Mozika Voampanga Ho Mpanao ‘Fampihorohoroana’ Noho Ny Tononkirany ‘Mandrisika’
Manoloana ny famoretana ataon'ny fanjakana, nisondrotra toy ny loharanona aingam-panahy hita maso -- sy heno -- ho an'ny hetsika fanoherana, ireo mpanao mozika amin'ny fiteny Afan Oromo.