Sina: Nanaisotra ny blaogin'ireo be mpanaraka tamin'ny aterineto ny Sohu.com

Nanala mpitoraka blaogy mihoatra ny zato tao amin'ny fanaovany tolotra hitorahan'ny olona blaoginy ny 14 Jolay 2010 lasa teo ny Sohu.com, iray amin'ireo vavahadin'ny tranonkala malaza any Sina . Maro tamin'izy ireo no manana ny lanjany amin'ny fahaizany mandresy lahatra ny olona, ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra ary ireo mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'ny mponina, ao anatin'izany:

He Weifang (賀衞芳)- mpitsara sy mpahay lalàna mikasika ny zon'ny mponina
Tiger Temple (老虎庙)- olon-tsotra mpanao gazety
Yang Hengjun (楊恒均)- mpitoraka blaogy malaza amin'ny raharaha ivelany
Liu Xiaoyuan (劉曉原)- mpahay lalàna mikasika ny zon'olombelona
Teng Biao (滕彪)- mafana fo amin'ny zon'ny mponina
Xu Zhiyong (許志永)- mafana fo amin'ny zon'ny mponina
Pu Zhiqiang (蒲志強)- mpahay lalàna mikasika ny zon'ny mponina
Zhang Lifan (章立凡)- mpahay tantara
Yu Yiwei (余以為)- mpitoraka blaogy mikasika ny raharaha ankehitriny
Gu Xiaojun (顧曉軍) – mpanoratra malaza
Wen Kejian (溫克堅)- mpikambana ao amin'ny PEN China
Liu Junning (劉軍寧)- mpanadihady politika
Wang Junxiu (王俊秀)- mpanonta sy manam-pahaizana mikasika ny media vaovao
Wu Zuolai (吳祚來)- mpitsara mikasika ny kolon-tsaina

Ny antony nanatsoahana ireto mpitoraka blaogy tao amin'ny Sohu.com ireto dia mbola tsy fantatra aloha hatramin'izao Araka ny voalazan'i Yao Xiaoyuan, izay anisan'ireo tompon'ny blaogy voakatona tao amin'ny Sohu, dia mety misy antony roa izany. Ny sasany mino fa vokatry ny famoretana avy amin'ny Governemanta izany; ny sasany kosa miteny fa misy ifandraisany amin'ny fanafintohinana tamin'ireo diploma tsy tena izy tany Tang Jun izany. Ireo mpitoraka blaogy ireo dia afaka mandray andraikitra amin'ny fanerena ny sohu hanome fanazavana mikasika ny fanalana ireo kaontiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.