Andriamifidisoa Zo · Desambra, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2008

Thailand: Vahiny tafaraka tamin'ny mpitolona tao amin'ny seranam-piaramanidina

  10 Desambra 2008

Nihatakataka niala ireo seranam-piaramanidin'i Bangkok roa herinandro lasa izay ny ankamaroan'ny vahiny. Saingy nisy vahiny iray kosa tao amin'ny seranam-piaramanidina natao fahirano. Niaraka tamin'ny mpanao fihetsiketsehana dimy andro sy dimy alina ilay Finlandey Janus Putkonen. Soa ihany fa nanana fakandahatsary (camera video) izy ka aseho ato izany.

Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein

  10 Desambra 2008

Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny antoko politika dimy any Ezypta. Taorian'ny nanatsongana lahatsoratra tao amin'ny Gazety Al Youm 7, no nanoratra ny Ezypsiana iray: Believe...

Eritrea: Fifandraisana arak'asa soratra amin'i Rosia

  10 Desambra 2008

Semantic Eritrea no mitatitra fa nanapa-kevitra hanamafy ny fifandraisana eo aminy sy Eritrea ny fitondran'ny federasiona Rosiana amin'ny alalan'ny fananganana tsangambarahin'ny poeta malaza Alexander Pushkin, sy  Foiben-kolontsaina Pushkin ao andrenivohitra Eritreana Asmara izany. Ny nahatonga ny fifandraisan'i Pushkin sy Eritrea (Erythrée ho an'izay tsy mahazo resaka) dia niatomboka tamin'ny raibeny...

Iran: Fanoheran'ny mpianatra ny jadona sy ny fanavakavahana ny vehivavy

  10 Desambra 2008

Sary avy amin'ny yaarinews.com Nikarakara fihaonam-panoherana ny fitondrana iraniana sy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny alahady teo ny fikambanana mpianatra iray ho fahatsiarovana ny Andron'ny Mpianatra, nitsingerenan'ny namonoana ny telo tamin'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'iTeheran tamin'ny 6 Desambra 1953. Daftare Tahkim Vahdat (midika hoe Biraon'ny Fanamafisana ny...

Paragoay: Ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Lugos

  09 Desambra 2008

Nandalo ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Paragoaiana voafidy Fernando Lugo hatramin'ny nandraisany ny fitondrana tamin'ny volana aogositra lasa teo. Nangetaheta fanovana ny Paragoaiana, fanovana izany nantenaina be avy amin'ny Filoha vaovao, izay mpitondra fivavahana teo aloha, sy avy amin'ny governemantany. Nisy ary ny mpamaham-bolongana vitsivitsy naka fotoana hanoratana ny andro 100 voalohany nitondran'ny Filoha LUgo.

Shina: Ny zanaky ny laibany no mitavana ny harena

  09 Desambra 2008

Araka ny tatitra hita amin'ny haino aman-jerim-panjakana dia nataon'ny mpitazona ny fahefana politika ampihimamba ny harena ao amin'ny firenena. Ny naharatsy ny toe-draharaha dia rehefa nifindra tamin'ny taranaka manaraka izany tombondahiny azony izany.

Ezypta: Famaritana ny fampihorohoroana

  09 Desambra 2008

Mpamaham-bolongana Ezypsiana City Bird no nanao ity lahatsoratra manaraka ity: قالت مدرسة الرسم : ارسموا موضوعا عن الإرهاب رسم الطفل هذا الرسم قالت المدرسة : إيه الهباب اللي انت راسمه ده؟؟ إحنا عايزين ملتحين بيقتلوا الناس Nampanao sary ny mpianany ny mpampianatra iray ka momba ny fampihorohoroana izany. Ary nanao...

korea: naato ny fiaran-dalamby mamitohy ny avaratra sy ny atsimo

  08 Desambra 2008

Niato tamin'ny 28 novambra lasa teo ny fifamoioizana an-dalamby mampitohy an'iKorea avaratra amin'i Korea atsimo.[En] Raha nanomboka niasa indray ny fiaran-dalamby nampitohy ny roa tonta taorian'ny fihaonana an-tampony teo amin'ny roa tonta tamin'ny herintaona rehefa nitsahatra 50 taona izany, dia nanantena fivoarana sy fifanakaikezana teo amin'izy ireo ny olona. Rehefa...

Japan: Andro itsapana ny fahaizana teny japoney

  08 Desambra 2008

Takeshi ao amin'ny Saigon kara kita tsuma [サイゴンから来た妻] no manoratra ny momba ny vadiny Vietnamana izay nitsapa ny fahaizany teny Japoney [en] [日本語能力試験, nihongoo nōryoku shiken] tontosaina androany tahaka ny ataon'ny olona anarivony isan-taona te-hahalala ny haavom-pahaizana teny Japoney. Teo ampahitana ny vadiny teo amin'ny vohikalam-pitsapam-pahaizana no nahatarika an'i  Takeshi-san...

Lahatsary: Sary manao ahoana no hanokatra ny masonao hiaro ny zon'olombelona?

07 Desambra 2008

Hankalazaina amin'ny 10 desambara ho avy izao ny faha_60 taona ny fanambarana ny zon'olombelona, ary ny ekipan'i Witness'The Hub dia nametraka lahatsary iray hamaliana ny fanontaniana: Sary manao ahoana no hanokatra ny masonao hiaro ny zon'olombelona? Efa aty amin'ny serasera moa amin'izao fotoana izao ny lahatsary (hataoko hoe Volongana) ka amin'izy ity dia manasa antsika izy ireo handray anjara amin'ny alalan'ny fanehoana sy fitenenana amin'izao tontolo izao ny herin'ny sary mahatonga antsika hifantoka amin'ny resaka zon'olombelona.