Shina: Ny zanaky ny laibany no mitavana ny harena

Ny fahefana misintom-bola, ny vola miantso fahefana, tsy zava-mahagaga izany. Raha manam-pikasana ny hampita amin'ny zanany ny tombontsoa azony izy, araka izay azony ataony, dia tsara noho ny mendrika izany. Fa nafenina hatry ny ela tahaka ny zava-pady ny firoborobon'izany tany Shina.

koa raha nisy ary ny nanao fikarohana momba izany, dia notazonina ho tsiambaratelom-panjakana izany. Fa soa ihany fa nisy ny “fahalalaham-pijery tsy mahazatra” nananan'ny mpampita vaovao shinoa, fa nivoaka ampahibemaso ny antontan'isa iray. Angamba tsy ny fahafantarana mialoha fa mifamatotra ny fahefana politika ampelatanana sy ny harena voangona no tena nahagaga antsika kokoa tamin'ity toe-draharaha ity fa ilay fahatsorana tsy manam-paharoa namelana ilay antontan'isa nivoaka tao amin'ny vaovaon'i Xinhua , fampahalalam-baovaom-panjakana, sady misokatra ho an'ny daholobe.

Navoaka tamin'ny tatitra karazany roa ny antontan'isa ary samy nosintonina avy tamin'ny lahatsoratry ny mpampianatra iray tamina gazety iray. Nivoaka an-tserasera tao amin'ny Xinhua.net ny lahatsoratra nampitondrana ny lohateny hoe “tenin'ny ahiahy: iza no ao ambadiky ny vondron'isa mahatalanjona”. Ary dia nanaitra ny fifantohan'ny tontolom-bolongana avy hatrany izany. Muji ao amin'ny Bullog.cn ohatra nisintona ny lahatsoratra ka nampirantiranty izay tena nisongadina tamin'ny lohateny hoe:

官方:亿万富翁3220人中2932人是高干子女

Tatitra ofisialy: 2932 amin'ny miliaridera 3220 any Shina no zanaky ny manam-pahefana ambony.

Nilaza ny lahatsoratra nadika fa

中国社会科学院两年前的《当代中国社会流动》研究报告曾有统计说,我国处于社会优势地位的阶层,高干子女职业继承性明显增强,“干部子女当干部的机会比常人高2.1倍”。

<fiovam-piaraha-monina ao amin'ny Shina maoderina>, voka-pikarohana nataon'ny Akademia ara-tsosialin'i Shina roa taona lasa izay no nanolotra fa, nanam-bintana kokoa ny zanaky ny laibany handova ny toerana misy ny ray aman-dreniny. “manam-bintana avo roa heny noho ny hafa ny zanaky ny mpiasam-panjakana ho lasa mpiasam-panjakana”.

Ary ny tena nanaitra dia ilay angom-baovao navoaka noho ny fiaraha-miasan'ny foibem-pikarohana maro, ka ao anatin'izany ny  foibem-pikarohan'ny vaomieram-panjakana sy ny Akademian'ny Antoko komonista Shinoa foibe:

截至今年3月底,内地私人拥有财产(不包括在境外、外国的财产)超过5000万以上的有27310人,超过1亿元以上的有 3220人。超过1亿元以上者, 有2932人是高干子女,他们拥有资产20450余亿元。而考证其资产来源,主要是依靠家庭背景的权力下的非法所得和合法下的非法所得。

Hatramin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, olona 27310 eto Shina no manana harena mihoatra ny 50 arivo arivo (Yuan) tsirairay avy, olona 3220 no manana mihoatra ny 100 000 000 tsirairay avy, ka ny 2932 amin'ireo dia zanaky ny mpiasam-panjakana ambony; ka ny fitambaran'ny fananan'izy ireo dia mahatratra 2 045 arivo arivo arivo. Ny fikarohana fanampiny no nahitana fa ny ankamaroan'ny harena azo dia fidiram-bola tsy manara-dalàna azo noho ny fahefana politika nananan'ny fianakaviany, fa fidiram-bola tsy manara-dalàna azo tamin'ny fomba ara-dalàna ( araka ny voavaky tao amin'ny lahatsoratra nadika).

Namaly avy hatrany ny mpiserasera 常非常 :

官方也承认这个了,感动中……

Nanaiky ny zavamisy ihany ny governemanta! mampihetsi-po….

Nihomehy i牛家庄客

革命的目标实现了!

Tratra ny tanjon'ny revolisiona!
(revolisiona komonisma nametraka ny antoko komonista eo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1949 no mankaty)

Nahazo “mpanohana” 60 tamin'ny fanindriana bokotra fanekena ny hevitra izany.

niteny i hcgs2218
:

内地私人拥有财产(不包括在境外、外国的财产)
这个统计很不全面啊。如果包括的话,我们可以说,共产主义终于在高干子弟群体实现鸟。

“Ny harena eto amin'ny firenena ihany no voalazan'ny angona, fa tsy nojerena kosa izay tsy teto Shina.”
Tena mbola tsy feno ny asa izany. Raha toa moa ka tafiditra tao ny harena nafindra tany ivelany, dia afa-niteny isika, eto, fa tanteraka ihany ny komonisma ho an'ny zanaky ny laibany (高干子弟).


刘亚玲x1300000000
indray velom-panontaniana tamin'ilay fomba fiteny mihodikodina tao amin'ny lahatsoratra:

‘合法下的非法所得’???
说合法,就合法,
说非法,就非法,
合法也非法,
非法也合法,
党妈说了算

“fidiram-bola tsy manara-dalàna azo tamin'ny fomba ara-dalàna”???
lazaina ho tsy ara-dalàna rehefa lazaina an'izay, ara-dalàna rehefa lazaina ho izay. Ara-dalàna ny tsy ara-dalàna, tsy ara-dalàna ny ara-dalàna, fa ny manapa-kevitra manontolo momba izany dia ny renintsika ny Antoko.


杨佳第二
(Yang Jia faharoa) kosa etsy ankilan'izany, tsy manam-potoana hanesoana na hisentoana, fa tena nitabataba:

上帝让人灭亡,必先让其疯狂。努力攫取吧,因为这是你们通往地狱的纸钱!!!!!!!!!

Rehefa manapa-kevitra ny hamotika olona iray Andriamanitra, dia manao izay haha-adala azy aloha no hataony voalohany. koa angony daholo izay rehetra tianao, fa ho fananananao mankany amin'ny afobe ireny!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.