Andriamifidisoa Zo · Mey, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Mey, 2008

Libanona: ady ivelan'ny fisamatsamahana ara-pivavahana

  14 Mey 2008

“Nanasongadina ny fisarahana politika lalina izay mihoatra (ambadiky) ny fisamatsamahana ara-pivavahana ny tenin'i Nasrallah, Fa misy ny mihevitra an'i Libanona ho toeram-pamaharan'ny tandrefana hanjakazakana ao amin'ny faritra izay mifanohitra amin'ireo mahita an'i Iran sy Siria ho atidohan'ny fiokoana,” hoy ny soratry Burghol miresaka ny ady any Libanona.

Libanona: Miverina amin'ny fisamatsamahana ara-pivavahana

  14 Mey 2008

“Terena matetika, tsy araka ny sitrapony, indray ankehitriny ny olona, hiverina amin'ny fisamatsamahana ara-pivavahana misy azy ho fiarovan-tena. Mahavaky fo ny tsirairay matetika ny fiantraikan'io fisamatsamahana io,” hoy ny soratry Manuela Paraipan miresaka amin'izay iainany mandritra ny fifanandrinana mitranga any Libanona.

Maraoka : hatezerana sy alahelo noho ny orinasa izay nirehitra

  13 Mey 2008

Nisiana haintrano mahatsiravina roa tao an-drenivohitry ny toe-karena maraokana, Casablanca, tamin’ny faran’ity herinandro ity ka ny iray tao amin’ny orinasa mpanao kidoro ary ny faharoa kosa tao amina orinasa fanaovan-damba iray. Ampolony ny olona maty nandritra izany haintrano izany noho ny nanidian’ny mpampiasa ny toeram-piasana (avy any ivelany). Mitafatafa amin’alahelo sy fahatezerana noho io toe-javatra mahonena io no tontolom-bolongana Maraokana.

Serbia: Ny fifidianana parlemantera

  12 Mey 2008

Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Euros‘ mikasika ny fifidianana Serba: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa...

Rosia: George Watts sy Dmitry Medvedev

  12 Mey 2008

Robert Mackey no manoratra ao amin'ny the New York Times’ The Lede momba  “ny ‘Feon'i Rosia Ankehitriny'” – sy ny feon'ny filoha Dmitry Medvedev nandritra ny lanonam-panokafana: “[…] George Watts, ilay mpanentana teraka Kanadiana izay nifindra tany amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1952 niaraka tamin'ny ray aman-dreniny. Talohan'ny naharava ny...

Libanona: Didy hitsivolan'ny governemanta noravana

  11 Mey 2008

“Nanambara ny famerenana an'Atoa Wafiq Shuqair ho lehiben'ny fiarovana ny seranam-piaramanidina indray KOmandin'ny tafika ary izy no hiandraikitra ny fanadihadiana momba ny seraseram-pifandraisan'ny Hezbollah ‘nefa tsy ho voakitika ny momba ny fitolomana (resistance)’, hiangavy ny mitam-piadiana rehetra hiala amin'izay ka hosokafana amin'izay ny lalana rehetra,” hoy ny tatitry In the...

Libanona: Fahavaratra mafana

  11 Mey 2008

“Andro mafana mahafinaritra indrindra eto Libanona… nivadika ho ady an-trano ny filaharam-pihetsiketsehana… matahotra aho. Omaly raha nandre ny tifitra nifamaliana mihamanakaiky ny trano aho dia tsy sahy nitsangana, tsy sahy nihazakazaka, tsy afa-nihetsika akory aza!!” Hoy i NightS raha nanoratra izay niainany nandritra ny zava-nitranga farany tany Libanona izy.

Libanona: Toy ny voafahirano

  11 Mey 2008

“Mipetraka eto Ras El-Nabeh aho, izay tena nampahery vaika ny fifandonana nandritra ny roa andro farany teo, ary isaorana andriamanitra fa efa mihamiverina ny filaminana ary efa voafehin'ny tafika libaney ny toe-draharaha. Na izany aza anefa dia mbola tsy niasa aho noho ny tahotra fandrao tsy ho tafaverina an-trano eo!...

Libanona: Foibe TV hitsangana voaroba

  11 Mey 2008

“Nitomany araka izay tratry ny heriko aho raha nandre fa tandindonin-doza ny tanàna ravan'i(vohitra haolo) Baalbek. Tsy mampivarahontsana ihany fa mahatsiravina ihany koa, toa hoe potika tanteraka avokoa ny tahirin-kevitra, tahirintsary (tahiry 18 taona) ary tahirom-peon'ny foibem-pampielezantsary (TV) iray vao saiky hisokatra!” voasoratry Mirvat momba ny fahapotehana trano fampielezan-tsary iray.

Cap Vert: momba ny vola Euro ho vola fampiasa any an-toerana

  10 Mey 2008

Mandanjalanja ny hevitry ny mpanohana sy ny mpanohitra amin'ny fanaovana ny Euro ho vola manankery miasa any Cap Vert i Virgílio Brandão [pt]. “Tsy maintsy heverin'ny firenena ny ho endrikendriky ny vahaolana teraka avy amin'ny fanapahan-kevitra noraisina ary ny tombony no tokony ho betsaka fa tsy ny fahasarotana. Dia ho...