Miady hevitra amin'izay mahamety ny hifidianana na tsy hifidianana mpikambana parlemantera hotontosaina ny 9 novambra 2010 ity ny fiarahamonin'ny Twitter Jordaniana.
Mandefa andian-tsioka an-tserasera tahaka ity manaraka ity ny mpanao fanentanana miaraka amin'ny governemanta, Sm3naSotak (Avelao ho henonay ny feonao) :
Why Vote? To break the stereotype! “Young people are lazy, they don't care, they won't vote.” Let's prove them wrong! #JO #JoElections
Niteraka [valiny henjakenjana] teo amin'ny mampiasa Twitter tahaka an'i Tarawneh sy Hamzeh, izany fanentanana izany ka nanoratan'izy ireomifandimby tahaka izao:
@sm3nasotak telling us 2 vote 2 avoid being labelled with generalizations isn't a great strategy. dont mock our inteligence plz #JoElections
@sm3nasotak Voting in #JoElections is an endorsement of a system that doesn't give people equal representation. Why should I endorse it? #JO
Avy eo moa dia nasehon'i Hamzeh ny andian-tsioka manaporofo ny fitongilanan'ny fizarana ny ny isan-tsolotena:
An MP from Amman represents on avg 93k ppl while an MP from Karak represents on avg only 27k! & they dare ask why I won't vote? #JOElections
I won't cheat myself, I won't cheat Jordan: I'm boycotting #JoElections
MJalaljel ni-tweet:
Most of the smart/educated/thoughtful ppI I know (including me) r not voting…
Saingy taorian'izay izy dia nankao amin'ny vohikala iray manome ny mombamomba ireo kandidà hirotsaka ho parlemanter tsirairay:
#jo But for those who're voting in the next #JoElections, you HAVE TO check this before making your decision:http://www.ftf-jordan.org
Misy mpampiasa Twitter vitsivitsy kosa, mifanohitra amin'izany, fa mazoto tokoa amin'ny fanohanana ny fifidianana sady mandrisika ny hafa hifidy.Nisioka i Yasser Burgan:
Will be flying to #Jordan tomorrow to go exercise my constitutional right & duty: to #Vote in the #JoElections
Maro ihany koa ny namaly sioka [RT] ny fitsapana natao tany an-toerana, notarihan'ilay mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Jordaniana Aymen al-Saket. Nivezivezy tamin'ny mpisioka an-tserasera tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #jo ny valin'izany fitsapana [sondage] izany. Tsy nampahafantarin'i Al-Saket ny isan'ny valiny azony, fa nahazo valiny farafahakeliny 35 izy, izay nanambarany fa 40% no tena mazoto amin'ny fisiahana an-tserasera ny fifidianana #jo. Asehon'ny valin'izany ary fa ny 19,8% tamin'ny namaly no nilaza tsy hifidy ampitahaina amin'ny 80,2% nilaza ny hifidy.
Niteny i Al-Saket fa hifidy izy satria,
1. It is a Constitutional Right.
2. There is a need to initiate the change, to start it, not make it.
3. If I don't vote, Parliament Members will be chosen on my behalf.
2. Misy ny filana hanombohana ny fiovana, manomboka azy fa tsy manatontosa azy.
3. Raha tsy hifidy aho dia hiteny amin'ny anarako [ihany] ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta.