avylavitra · Novambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2012

Arabia Saodita: Mpanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana HoKaravasiana, Didin'ny Mpitsara

Tamin'ny Septambra lasa teo, nanoratra izahay mikasika ny fitorevahana ora 24 tsy mbola nisy toa azy nataon'ny fianakavian'ireo gadra tsy nandalo fitsarana. Nohazaina sy nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana nony farany. Halina, namoaka didim-pitsarana manameloka ny 19 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ilay Saodiana mpanao gazety, Iman al-Qahtani, tao amin'ny Twitter. sazy didy miantona fikaravasiana 50-90 ary fonja ho an'ny 14 amin'izy rehetra, ahitàna ilay olona nitondra sakafo ho an'ireo mpano hetsi-panoherana. Tonga dia ampiharina ny sazy raha toa ry zareo ka mbola mandray anjara indray aminà fihetsiketsehana. Ireo dimy hafa dia mbola hotsaraina aoriana kely.

i Öcalan Ve No Fanalahidin'ny Fifampiraharahàna Amin'i Tiorkia?

67 andro izao, gadra Kiorda an-jatony no nitokona tsy mety hisakafo any Tiorkia. Nangatahan-dry zareo ny hampitsaharana ny fanokana-monina ny mpikambana iray mpanorina ny Antokon'ny Mpiasa any Kiordistana (PKK), Abdullah Öcalan, sy hamelàna ny fampiasàna ny teny Kiorda eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe tsy asiana fanavakavahana. Tsy nisy tamin'ireny fangatahana ireny nahitana valiny, saingy hagagàna fa nisy fanambaràna iray avy amin'i Öcalan, izay niantsoany fampiatoana ny fitokonana tsy hihinan-kanina araka ny nambaran'ny rahalahiny Mehmet Öcalan.

Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”

Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."

Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa

  18 Novambra 2012

Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.

Lasa Tanàna Maty i Mumbai Taorian'ny Nahafaty An'i Bal Thackeray

  17 Novambra 2012

MAty teo amin'ny faha-86 taonany tany amin'ny toeram-ponenany ao Mumbai i Balasaheb Keshav Thackeray, mpanorina n y Antoko elatra havanana Hindu, Shiv Sena. Taorian'ny fahafatesany ny tolakandron'ny 17 Novambra 2012 dia niparitaka haingana ny vaovao ary dia lasa tanana maty i Mumbai satria nikatona daholo ireo toeram-pivarotana, niato ny fitateram-bahoaka ary nihazakazaka namonjy fodiana sy nikaton-trano ny olona.

Manoratra Ny Lalàny (laika) Azy Manokana Ny Ejiptiana .. Ao Amin'ny Twitter

Mamolavola ny lalàna laika azy manokana ireo Ejiptana - ao amin'ny Twitter. Nanomboka izany rehetra izany rehefa injay i Mahmoud Salem - antsoina hoe Sandmonkey - nanao ity soso-kevitra manaraka ity nony nahatsikaritra fa tsy misy fanajana mihitsy an'ireo olona laika ireo Islamista sady mihevitra azy ireny ho mifanohitra amin'ny Islamista sy olom-pehezin'ny tsy Miozolmana. Tao an-daharana tao, tsy ela akory dia niakatra avy any ny tenifototra #شريعة_العلمانية [ar] (Lalàna laika), ary dia nalaza teny amin'ny rehetra niaraka tamin'ireo soso-kevitra mikasika izay ho endrik'ity (lalàna) "sharia" vaovao ity ho an'ireo olona laika.

Miteraka Adihevitra Momba Ny Herisetra An-tokantrano Ao Zimbaboe Ny Daroka Nanjo Ilay Vehivavy DJ Aminà Onjam-peo

  16 Novambra 2012

Nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Zimbaboe ny daroka nahazo ilay DJ malaza aminà fampielezampeo iray nataon'ny sipany azy. Ny sarin'ny tavany nivindimbindina dia sady noderaina no voakiana koa tety anivon'ny tambajotra sosialy, ary nitondra ny fifantohan-tsaina ho amin'ny olana sosialy goavana tsy mitsaha-mitombo ao Zimbaboe.