Miteraka Adihevitra Momba Ny Herisetra An-tokantrano Ao Zimbaboe Ny Daroka Nanjo Ilay Vehivavy DJ Aminà Onjam-peo
[Ny rohy ato dia amin'ny teny Anglisy raha tsy misy filazana manokana]
Nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Zimbaboe ny daroka nahazo ilay DJ malaza aminà fampielezampeo iray. Tinopona Katsande, DJ aminà onjampeo tsy miankina ZiFM, dia nampakatra ny sariny tao amin'ny Twitter sy Facebook taorian'ny daroka nataon'ny sipany azy.
Ny sarin'ny tavany nivindimbindina dia sady noderaina no voakiana koa tety anivon'ny tambajotra sosialy, ary nitondra ny fifantohan-tsaina ho amin'ny olana sosialy goavana tsy mitsaha-mitombo ao Zimbaboe.

Tinopona Katsande, DJ aminà onjampeo tsy miankina ZiFM, dia nampakatra ity sariny ity tety anaty aterineto mampiseho ny habibian'ny herisetra nataon'ny sipany azy. Sary natolotr'i Tinopona Katsande.
Fanta-bahoaka amin'ny hoe TinTin, Katsande izay efa mpilalao ihany koa fahiny taminà tantara an-tsary nandeha tao amin'ny fahitalavi-pirenena, dia nandefa fanambaràna iray tao amin'ny pejiny Facebook :
Ny Alahady 11 Novambra 2012, dia nanatevin-daharana vondrom-behivavy iray tsy mitsaha-mitombo an'isa ahitàna ireo niharan'ny herisetran'ny fanavakavahana ara-pananahana teto. Izao izaho miresaka aminareo izao dia miaraka aminà nify tapaka, tratra mangamangana, tava mivindimbindina, maso vonton-drà, volo nosintonina niongotra ary fo mavesatra SAINGY, hiolomay ihany koa hilaza fa manoratra ity fanambaràna ity aho satria mbola velon'aina soa aman-tsara. Sisam-paty aho saingy indrisy tsy afaka lazaina ho toy izany ny vehivavy maro. Tsy tranga maningana aho, fa lasa ho fenitra, indrisy. Araka ny ZDHS (Zimbabwe Demographic and health survey) tamin'ny 2005/6 dia manakaiky ny 6 amin'ny vehivavy 10 nohadihadiana no nitatitra ho niaina herisetra natao azy ireo. Tiako ny hisaotra ireo izay nijoro teo anilako nandritra ity fotoana mangidy ity nefa mangataka anareo koa aho tsy hanao izany ho an'i Tino fotsiny. Eo amoron-tevan'ny fanombohana 16 andron'ny hafanam-po hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny tsy mitovy fananahana isika izao. Ndeha hiara-hirona isika ka HITENY TSIA AMIN'N HERISETRA. Ny olona sasany nilaza tamiko mba tsy hiresaka mikasika azy ity. Ny sasany niteny tamiko tsy hamoaka azy ity hivoaka ny tokantrano. Nisy olona aza niteny tamiko hoe “Chakafukidza dzimba matenga [Tsy izay rehetra hitan'ny masonao akory dia ho azonao avokoa] ary tokony tsy hiloa-bava aho. Tsy hangina aho, tsy hangina velively aho.
Fanehoakevitra tety anaty aterineto
Nanazava ny antn'ny fifandirana ilay mpampiasa Twitter, @nqabamatshazi :
@nqabamatshazi: Ilay mpilalao fahiny tao amin'ny Studio 263, Tino Katsande, fantatra tamin'ny hoe Joyce, dia voavelively toy ny koba taorian'ny nitenenany tamin-dralehilahiny mba hanasa lovia, raha izy kosa mbola nanadio trano.
Ny fanehoan-kevitra voalohany avy amin'i Elizabeth Gandah, mpiondana aterineto, dia ny hoe hadisoan'i Tino ny nizara ny tantarany tamin'izao tontolo izao. Na izany aza, taoriana kely izy dia nanova ny fomba fisainany ary niarahaba azy indray tao amin'ny pejiny Facebook :
Vantanyvao nahita azy ity aho dianihevitra hoe ‘oh Tino tsy tokony nizara ity tmain'izao tontolo izao izy satria sady hizara fombàna no hitsikera ny olona, nefa tonga saina ihany aho hoe diso, tena feno fahasahiana izy hisolo tena ireo vehivavy tsy hita isa sy lehilahy iharan'ny tsindry hazolena ao anatin'ny fiarahan'olon-droa. Na inona na inona mitranga ao anatin'ny fiarahanareo, na manana ny marina na tsia ny iray, na nandranitra na inona koa dia tsy misy na iza na iza afaka hanainga ny tànany hamely ny iray. Tamin'ity taona ity fotsiny isika dia nahita ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana nahazo an'i Monalisa Chinomona naterak'ity karazana hatezerana ity. Mila manamafy ireo fepetra isika mba hiadiana amin'ity aretin-dratsy ity izay tonga hanimba ny fiarahantsika. akomana, Zavatra mahafinaritra loatra ny fitiavana , aoka tsy hoararaotintsika. Ho an'i Tino dia hoy aho hoe nahay azy ianao r'ikala, mahery fo iray ianao, avelao ry zareo hitsara anao na asa koa hoe hanao inona, fa ambonin'ny zavatra rehetra efa nahavita nitana ny anjara toeranao ianao tamin'ny ady hanoherana ny herisetra an-tokantrano. Andrimanitra anie hanasitrana anao ara-nofo sy ara-pihetseham-po.
Bongzmotswana Vincent niteny fa mendrika ho an'ilay sipan'i Tino ny halefa any am-ponja noho ilay daroka nataony :
Halako ny lehilahy manisakisaka vehivavy. ny fijerena ity sary ity dia afaka hampahafantatra anao hoe ahoana no ahafahanao manainga tànana hidaroka vehivavy, na iza na iza manao izany dia mendrika ny ho lo any am-pigadrana [ity sary ity] dia ahafahanao mahalala raha manohitra ny herisetra an-tokantrano ianao @TinTin263: pic.twitter.com/ITVMoVZK
Raha i Tumai Chitava Nyasuro kosa nanoratra oe :
Tsy misy fialàna tsiny mihitsy amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy.
Sarah Chishiri-Bosha nipao-tsatroka an'i Tino tamin'ny nizarany ny tantarany ho an'ny daholobe :
Vevhivavy be erim-po ianao ry Tino ary tena mipaoa-tsatroka aminao aho amin'ny tsy nisalobonanao na niafenanao, tsy misy zavatra tokony hahamenatra anao, ilay bandy mpanao herisetra no tokony ho menatra !
Chris Nyamandi nanamarika fa vehivavy maro no mangirifiry anaty fahanginana :
Tena vehivavy matanjaka tokoa i Tino … maro no miharitra hirifiry anaty fahanginana nefa iharan'ny herisetra tafahoatra!
Mandritra izany i Watson Chiyangwa dia nanao fanamby tamin'ilay sipan'i Tino :
Sitràna haingana ry Tin Tin, raha avelanareo manao iray sy iray amin'ilay sipanao aho dia ho ampianariko lesona lery. Ilazao izy handalo mba haka bandy mifandanja aminy ary azoko antoka fa sahaza azy tsara aho.TK, lazao ahy fa tsy ho avelanao handalondalo fotsiny ity. Sitràna haingana ry Tin Tin-ko.
Saingy tsy ny rehetra no maneho fanohanana
Nyasha Chaps nihevitra fa ny hangataka lehilahy iray hanasa lovia dia zavatra tsy fahita anaty kolontsaina afrikana :
Tinopona … Unowanza chiSALAD!!! pasina futi like foreal. [Maka fomba Amerikanaloatra ianao] tiako ianao saingy izao ry sipa aaaa….!! nivady nandritra ny 28 taona nyray sy reniko fa tsy mbola nandre ny reniko aho na indray mandeha aza nangataka tamin'ny raiko mba hanampy azy! ary izy dia lehilahy malemy fanahy indrindra, azoko antoka fa ho nataony izany raha nisy saingy aiza koooosa e chero ndiwewo. Momz ndopavachazo kumbira mdara kusuka maplates like TF ?! [Na ianao aza. Tsy ho vitan'ny reniko mihitsy ve ny hangataka amin'ny raiko mba hanasa lovia?] tsy ampy fahalalana ny fitondra tokantrano ianao!! Nanala ny fony taminao marina tokoa izy [nidaroka anao tamin'ny fomba henjana], ary tsy mankasitraka herisetra an-tokantrano mihitsy aho na endrika toy inona na toy inona, saingy tsapako hoe satria ianao niseho tamin'ny 263 [horontsary], sady ianao koa ao amin'ny fampielezam-peom-pirenena, dia mihevitra ianao fa “tàfa”. NO MAAM. zvana vehivavy mahaleotena bla bla bla manana ny toeran-tsarobidiny sy anaty tokantrano izay tokony hisahananao ny asa tsotra ao an-tokantrano amin'ny maha-vehivavy anao, etsy ankilany tokony koa ianao mahafanatra tsara ny rangahinao ry malala. Sitràna haingana na izany aza saingy chisalad chachibhadhare !!! [Tsy mitondra mankaiza ny maha-Amerikana] teboka mifampitohy ary teboka [famaranana]!!!!!!!
Norman Mpofu nanampy tamin'ny fiteny Shona ao an-toerana hoe:
voadaroky ny sipany…..kikiki …mapoto muchinyanyawo vana sister. unogarirei nemunhu asina kuroora [Be loatra ireny tokantranomaso ireny. Inonano ijanonanao miray trano amin'olona tsy mbola vadinao]
Araka ny ambaran'ny UNICEF, tahaka ny mirongatra ny herisetra mifandray amin'ny maha-lahy na vavy ao Zimbaboe miainga avy amin'ireo fomban-drazana sy foto-kevitra izay mirakitra fampanompoana ny vehivavy, any izay azon'ny lehilahy atao tsara, ara-kolontsaina, ny “manafay” ara-batana ny vadiny sy ny zanany.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...