avylavitra · Novambra, 2012

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2012

Rosia, Tadjikistan : Iza No Mahatsiaro Ho Tohina Amin'ilay “Torohay Ho An'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra”?

  16 Novambra 2012

Naneho hevitra momba ilay «Torohay ho an'ireo mpiasa mpila ravinahitra» nivoaka tany Rosia ny sampana natao ho an'ny tanora ao amin'ny antoko "Parti démocratique populaire" ao amin'ny fitondràna ao Tadjikistan. Kanefa, ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia mahita hoe mihevitra ny amin'ireo teratany tadjiks sy ny firenena niavian'ireny mpiasa mila ravinahitra ireny i Rosia.

Fandoroana Boliviana Mpanao Gazety Miasa Aminà Radio Tao Yacuiba

  16 Novambra 2012

Ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012 dia niharan'ny fanafihan'olona efatra nisaron-tava sy fandoroana fananan'olona ireo Boliviana mpanao gazety, Fernando Vidal sy ny teknisian'ny fampielezam-peo Karen Arce avy amin'ny Radio Popular ao Yacuiba. Ny tsoa-kevitra voalohany dia manondro fa mety misy ifandraisany amin'ny ampamoaka fanakianana ny resaka kolikoly sy varo-maizina nataon'i Vidal ilay fanafihana.

Mahafeno Ny Fepetra Maha-Mpikambana Ao Amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Momba ny Zon'Olombelona Ve i Etiopia?

  16 Novambra 2012

Etiopia dia isan'ireo firenena Afrikana voafidy ho mpikambana tao amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Momba ny Zon'Olombelona tamin'ny 12 Novambra 2012. Eo ampahitàna ny zava-bita mampalahelo momba ny zon'olombelona tany Etiopia, betsaka ireo Etiopiana no mahatsapa fa tsy mendrika ny firenen-dry zareo ny hipetraka ho mpikambana ao amin'ilay filankevitra. Mpikirakira aterineto iray no nampiasa ohabolana avy ao an-toerana hamariparitana ny maha-mpikambana an'i Etiopia ao amin'ilay Filankevitra, "ny kaondrana no mampitondra hena mena ny ampondrany ary mandefa azy irery miaraka amin'amboadia! Araka izany dia hohanin'ilay amboadia ny hena mena ary aoriana kely hivadika any amin'ilay ampondra izy!"

Takon'ny Fifandonana Ny Alina Ny Fitokonana Faobe Am-pilaminana Tao Portiogaly

  16 Novambra 2012

Nitondra indray mandeha indray ny vahoaka ho eny an-dalambe nanerana ny firenena ilay fitokonana faobe tao Portiogaly ny 14 Novambra 2012, hijoroany hanohitra ny fisongan'ny politikam-pitsitsiana. Ny tena hery manosika ny vahoaka hanao fihetsiketsehana na izany aza, dia tsy takatr'ireo fampahalalam-baovao mahazatra loatra noho ny fisian'ireo hetsika mahonena "mahasarika kokoa ny maso": tamin'ny fiafaràn'ny andro iray nafotaka nanaovana hetsika am-pilaminana sy fitorevahana, ny fifanandrinana nivadika ho herisetra teo amin'ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana no zary lasa lohatenim-baovao mirantiranty.

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa:

Côte d'Ivoire: Hiakan-katezeran'ireo Mpikirakira Aterineto Noho Ny Fanangonana Fe-potoam-piasàna

  15 Novambra 2012

Sitrak'ireo Ivoariana bilaogera raha mba misy resaka matotra miainga mikasika ity fanangonana fe-potoam-piasàn'ireo parlemantera ao Côte d'Ivoire ity. Reraky ny mahita ireo solombavambahoaka lasa ben'ny tanàna avy eo na filohanà filankevitra, ka ety anaty tambajotra sosialy na amin'ny alàlan'ny fanangonan-tsonia dia angatahan'ireo mpikirakira aterineto ireo ivoariana mpitarika politika mba hitsipaka ny fampivangongoana.

Polisy Manao Be Midina Ao An-tranonà Mpitoraka Bilaogy An-dahatsary Ao Japana

  15 Novambra 2012

Nanao be midina tany an-tranonà mpitoraka bilaogy an-dahatsary izay nandrakitra ireo hetsi-panoherana ny nokleary ny polisyJ mba haka porofo hamelezana mpanao fihetsiketsehana iray mahery setra. Isaky ny Zoma, misy fifamorian'ireo mafàna fo eo anoloan'ny Biraon'ny Praiminisitra Japoney ao Tokyo sy any aminà tanàna maro samihafa mba hanao hetsi-panoherana. Raha tsy dia miresaka loatra an'ireny hetsi-panoherana ny nokleary ireny ireo fampahalalam-baovao mahazatra, zava-dehibe sy tsy mitsitsy kosa amin'ny fitaterana ny tantara ireo lahatsary avy amin'ny olon-tsotra.

Mitsabo Ny Fifandraisan'i Japana Sy Shina

  09 Novambra 2012

Taorian'ireo hetsi-panoherana fankahalàna an'i Japana tany Shina, ny fifandroritana ofisialy misy amin'ny firenena roa tonta dia mihizina nanomboka tamin'ny Oktobra lasa teo. Raha miady amin'izay hampivoarana ny fifandraisana ny governemanta roa tonta, eny amin'ny sehatry ny fiarahamonina sivily no tsikaritra ny sasany amin'ireo fahombiazana. Jerentsika ato anatin'ity lahatsoratra ity ny sasany amin'ireo hetsika ireo.