Mamolavola ny lalàna laika azy manokana ireo Ejiptana – ao amin'ny Twitter.
Nanomboka izany rehetra izany rehefa injay i Mahmoud Salem – antsoina hoe Sandmonkey – nanao ity soso-kevitra manaraka ity :
بـما إن الإسلاميين شايفين العلمانيين مش مسلمين, وشايفين إن غير المسلمين يحتكمو بشعرائهم , مين عاوز يكتب معايا شريعة العلمانية؟ #فرصة #دستور
@Sandmonkey: Satria ireo Islamista mandray ireo vahoaka laika ho toy ny olona mifanohitra amin'ny Islamika, ary mahita fa ireo tsy Miozolmana dia mifehy ny fombafomban-dry zareo, iza no te-hiaraka amiko hanoratra lalàna laika iray?
Tao an-daharana tao, tsy ela akory dia niakatra avy any ny tenifototra #شريعة_العلمانية [ar] (Lalàna laika), ary dia nalaza teny amin'ny rehetra niaraka tamin'ireo soso-kevitra mikasika izay ho endrik'ity (lalàna) “sharia” vaovao ity ho an'ireo olona laika.
Salem no mitarika ilay fanaovana vakiraokan-dalàna, izay mifantoka betsaka amin'ny vehivavy, amin'ny filazana hoe:
#شريعة_العلمانية لا يحق لأحد المتاجرة بالنساء واللي يبـغين الزواج من أطفال لمجر بلوغهم الجسدي يتم حبسهم وإحالتهم للعلاج النفسي
@Sandmonkey: voarara ny fanaovan-draharaha momba ny vehivavy ary ireo izay maniry hanambady ankizy dia tokony aiditra am-ponja ary entina hanaraka fitsaboana saina
Malak Boghdady manampy hoe :
#شريعة_العلمانية – الست مش حتة لحمة ماشيه في الشارع…الست انسان زيها زي الرجل من حقها تحس بالامان و متتكسفش من نفسها لمجرد انها انثي!
@MalakBoghdady: Tsy sombin-kena akory ny vehivavy, mandehandeha eny an'arabe eny. Olombelona ny vehivavy, tahaka ny lehilahy tsitra izao, ary zony ny hahatsiaro fitoniana sy tsy ho manatra amin'ny maha-vehivavy azy.
Ary Shahinaz Abdel Salam manamarika hoe :
#شريعة_العلمانية ان مش مهم لوني و لا نوعي و لا ديني المهم عملي
@Wa7damasrya: Tsy zava-dehibe ny lokoko, karazana ary finoako. Raha ny asako, ekeko.
Tohizany:
#شريعة_العلمانية العدالة و المساواة و الحرية
@Wa7damasrya: Fahamarinana, Fitoviana ary Fahalalahana.
Mikisaka mankany amin'ny politika, manome soso-kevitra i Mohamed Emam hoe :
#شريعة_العلمانية لا يسمح بإقامة أحزاب سياسية على أسس دينية أو عرقية ، وإستخدام الشعارات الدينية في السياسة دجل وليس برنامجا سياسيا
@meman8:Tsy azo omena alàlana ny fangatahana hanangana antoko politika mifototra amin'ny resaka finoana na foko. Tsy fanarahan-dalàna ny fampiasana ny teny faneva ara-pivavahana amin'ny politika ary tsy azo raisina ho fandaharan'asa politika.
Amin'ny resaka fahalalahan'ny izam-batan'olona, manamarika i Nevine Zaki hoe:
#شريعة_العلمانية انت حر ما لم تضر
@nevine_zaki: Malalaka foana ianareo raha mbola tsy manao izay hahatafintohina ny hafa.
Momba ny resa-pinoana, mibitsika i Zaki hoe :
#شريعة_العلمانية الدين لله والوطن للجميع
@nevine_zaki: Ho an'Andriamanitra ny Finoana fa ny firenena kosa ho an'ny rehetra.
Ary ampian'i Emam hoe :
#شريعة_العلمانية من حقك إعتناق ” أي” دين تختاره وممارسة شعائرك دون تدخل من أحد ، وعليك إحترام “كل” الأديان الأخرى
@memam8: Zonao ny hisafidy izay fioana tianao harahana ary zonao ny hanao izay fombafomba tsy manelingelina ny an'ny hafa. Tsy maintsy hajainao ihany koa ireo finoana hafa rehetra.
Raha i Nahla Enany kosa maka tsy taitra mamintina azy:
#شريعة_العلمانية كن انساناً
@Nahla_88: Mba meteza ho Olombelona
Ho famintinana, iverenantsika i Sandmonkey, izay mibitsika hoe :
اهانة الرموز واجب كل علماني لما الرموز ديه تستعبط #شريعة_العلمانية
@Sandmonkey: Adidin'ny laika tsirairay ny miteny mahery ireo mpitarika rehefa manao fihetsiky ny donto ry zareo