Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra · Novambra, 2012

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2012

Mpampianatra Maoritaniana Manao Amboletra Ny Biraon'ny Minisitry Ny Fanabezana

Andianà mpampianatra avy amin'ny ambaratonga faharoa no nanao amboletra niditra tao amin'ny biraon'ny Minisitry ny Fampianarana ho fanoherany ny famindràna tsy amin'antony mpampianatra 120 ho any aminà sekoly hafa taorian'ny nandraisany anjara tamin'ny fitokonana tamin'ny taona lasa. Tatitra feno avy amin'i Ahmed Jeddou

Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay...

Sempotry Ny Orok'i Obama i Myanmar

An'arivony ireo olona niarahaba ny fitsidihana nataon'i Barack Obama noho izy nanoratra ny tantara amin'ny maha-filohan'i Etazonia voalohany azy nanitsaka ny tany Myanmar. Resahan'ny olona ny kabariny, ny politikany ary indrindra indrindra fa ilay oroka nomeny an'i Aung San Suu Kyi, lehibe mpitarika ny mpanohitra. Nampiasa ny tenifototra #Oburma mba...

Anaran-tsehatra: Fanehoan-kevitra Mendrika Ho Arovana

Ny Initiative for Freedom of Expression on Internet (iLEI, ho an'ny anarana Espaniola niaviany), fandaharanasa manokana an'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy ny Fidirana Hahazo Vaovao ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo ao Arzantina, dia manana asa vaovao ibanjinany ny fifandraisana misy eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny anaran-tsehatra, ary...

Mihozongozona Ny Fitondrana Ao Iran Mialoha Ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena

Vao haingana izao dia nolavin'ny fitsarana ao Iran ny fahafahan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad mitsidika ny iray amin'ireo fonja malaza indrindra ao amin'ny firenena. Midika ve io fanapahan-kevitra io fa efa mihen-danja ny fahefan'ilay Filoha an-dalam-panaperana ny fotoam-piasany, volana vitsy aty alohan'ny fifidianana amin'ny taona ho avy?

Filipina: Ny Fomba Nivadihan'ny “I’m a Liar?” Ho Lasa Tenifototra #amalayer

Mpianatra eny amin'ny Kolejy, nitrerona ilay vehivavy iray mpiambina tao amin'ny tobim-piarandalamby ao Manila sady niampanga ity farany ho nivatravatra. Voarakitra anaty lahatsary ny hatezerany ary nisy nampakatra aty anaty aterineto. Ireo Filipiana mpikirakira aterineto nahita ilay lahatsary dia samy nanatsiny ilay mpianatra avokoa ho be dehaka sy tsy ampy...

Fisaintsainana Taorian'ny Hetsi-panoherana #8N Tao Arzantina

Amin'ny alàlan'ny Twitter sy bilaogy, ireo teratany Arzantina (sy vahiny sasany) no nandalina ny ankehitriny sy ny ampitson'ny firenena taorian'ny hetsi-panoherana goavana manohitra ny governemanta, natao ny 8 Novambra 2012 teo (#8N).

Kanadiana Miandry Fanamelohana Ho Faty Any Iran Hatramin'ny 2008

Voafonja ao Iran sy nohelohana ho faty noho ny fiampangàna azy ho nanao asa fitsikilovana ilay teratany Kanadiana Hamid Ghassemi tamin'ny 2008. Ny fianakaviany, namany ary mpiray vodirindrina aminy any Toronto sia mbola manohy manentana hatrany ho amin'ny famerenana azy.

Bolivia, Manana Aterineto Ve Ianareo?

Taorian'ny efa ho folo taona mahery, hatao ny 21 Novambra 2012 izao ny Fanisòm-bahoaka Nasionaly sy ny Trano fonenana ao Bolivia. Ny hany fanontaniana tokana momba ny aterineto dia manadihady fotsiny mikasika ny tolotra, tsy mijery izay karazana fitaovana ampiasaina, ny kalitao, ny fampiasàna azy, ny fivakisana niomerika, sy ny...

Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza

Niteraka hetsi-panoherana tsy dia nahazatra loatra teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, Shily ny fifandonana teo amin'ny governemanta Israeliana sy ny Hamas tao amin'ny lemak'i Gaza. Mipoitra ireo fanehoan-kevitra avy aminà firenena iray , izay na eo aza ny elanelan-tany, dia toy ny tanindrazana kosa ho an'ireo Palestiniana manodidina ny...