Egypta : Lalao Video Manavakava-bolonkoditra

(Marihina fa tamin'ny 14 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Lalao video antserasera izay navoaka vao haingana ny Muslim Massacre (Fandripahana Miozolomana) ary ahitana ny mpilalao mampiasa ireo karazana fitaovam-piadiana mba hamonoana Miozolomana maro sy olo-malaza Miozolomana araka izay azo atao, anisan'izany i Allah ilay mahery indrindra. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera Egyptiana.

Matahotra i Zeinobia fa manaiky ny herisetra amin'ny fomba toy izao ny tanora ary mety hanaram-po amin'ny “fandripahana” mpino fivavahana hafa:

  Je ne nierai pas que c'est dérangeant parce que ceux qui jouent  à ces jeux sont généralement les jeunes générations, qui ont été élevées dans la haine d'une autre religion et de ses croyants, au point de vouloir les anéantir. Répandre la culture de la violence par ce moyen n'est pas moins dangereux que les autres. Les jeux vidéos, en général, s'avèrent être de plus en plus dangereux. Les crimes inspirés par le jeu Grand Theft Auto se produisent maintenant en Asie, après l'Amérique du Nord.

Tsy mandà aho fa manakorontana izany satria matetika ireo taranaka tanora no tena milalao ireo lalao ireo, ka nobeazina tao anatin'ny fankahalana fivavahana hafa sy ireo mpino izany, ary maniry ny hamongotra azy ireo. Tsy hoe tsy dia mampidi-doza kokoa noho ny hafa ny fampielezana ny kolontsain'ny herisetra amin'ny fomba toy izany. Miha-mampidi-doza hatrany ny lalao video amin'ny ankapobeny. Mitranga ankehitriny any Azia ireo heloka bevava entin'ny lalao Grand Theft Auto , taorian'i Amerika Avaratra.

Nizara ity hevitra ity i Tarek :

Le problème dans ce cas n'est pas le jeu lui-même ; c'est la réaction en chaîne sans fin qui vraiment me fait peur. Les médias, l'actualité et les actes des intégristes du wahhabisme l'ont déclenchée. Ils ont tous réussi à endoctriner les esprits, à créer ce stéréotype du musulman malfaisant chez les gens. Ensuite, les caricaturistes danois et maintenant cet éditeur de jeux électroniques ont commencé à reproduire ce stéréotype pour le répandre dans les médias et leur entourage. Et franchement, je ne sais pas où cette spirale sans fin nous entrainera. En fait, des médias occidentaux raisonnables ont commencé à faire quelques efforts pour arrêter tout ça, mais maintenant, c'est comme le génie de la légende. Une fois qu'on le sort de sa bouteille, c'est vraiment difficile de le remettre dedans.

Tsy ilay lalao ihany no olana amin'ity tranga ity; ilay fihetsika mitohy tsy misy farany no tena mampatahotra ahy. Nanomboka izany ny media, ny filazam-baovao ary ny fihetsika fototry ny Wahhabisma. Nahavita nanasa ati-doha, namoronana ity fomba fiheveran-diso ny Miozolomana ity tao anatin'ny olona izy rehetra ireo. Avy eo, nanomboka namokatra indray ity fiheveran-diso ity ireo mpanao sariitatra danoà ary ankehitriny ireo mpitantana ny lalao elektronika ka nampiely izany any amin'ny fampitam-baovao sy ny manodidina azy. Ary mazava ho azy, tsy fantatro hoe hatraiza ny fiafaran'ity resaka tsy misy farany ity. Raha ny marina, nanomboka nanao ezaka hampitsaharana izany rehetra izany ny fampitam-baovao tandrefana nanam-pahendrena, kanefa tahaka ny devoly kely malaza izany ankehitriny. Tena sarotra ny hamerina izany ao anatin'ny tavoahanginy indray raha vantany vao mivoaka ao izany.

Fanamarihan'ny mpandika [fr]: Efa nofoanana ny lalao ary navoaka tao amin'ny tranonkala ny fialantsiny http://www.muslimmassacre.com/]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.