· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2017

Miresaka Momba Ny Fandresen'i Obama Tao Iowa Ny Bilaogera Iraniana

  26 Oktobra 2017

Bilaogera Iraniana maromaro no miresaka momba ny fandresen'ilay kandidà ho filoha amerikana, Barack Obama, tao Iowa. Ity no fifaninanana fanendrena voalohany amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena taona 2008. Faly tamin'ny fandresen'i Obama ny sasany, raha nanombana mikasika ny fiantraikan'ny "Obama ho filoha" amin'ny fiainana ara-politika Iraniana kosa ny hafa.

Zon'Olombelona, Tranombokin'ny Tsy Fanaovana Herisetra & Krismasy

  26 Oktobra 2017

Cheraghyekhamoush (vonoy ny jiro) miresaka momba ny fanambaran'i Ahmadinejad vao haingana momba ny zon'olombelona tamin'ny Eoropeana . Araka ny filazan'ny filoha Iraniana, izay iharan'ny teritery ny governemanta noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, afaka mandefa delegasionina any amin'ny firenena Eoropeana i Iran mba hitatitra momba ny zon'olombelona.

Iran: Fihetsiketsehana Noho Ny Fandraràna Gazetiboky Momba Ny Vehivavy

  25 Oktobra 2017

Noraràn'ny governemanta Iraniana roa herinandro lasa izay ny Zanan Magazine (midika hoe "gazetim-behivavy"), taorian'ny 16 taona nivoahany. Tato anatin'ny taona vitsy, nofoanan'ny manampahefana Iraniana ny fahazoan-dalana an'ireo gazety sy gazetiboky marobe, saingy ny fanakatonana an'i Zanan no tena niteraka fanoherana lehibe tao amin'ny firenena sy iraisam-pirenena.

Iran: Fipoahana Mifono Mistery Tao Amin'ny Moskea

  24 Oktobra 2017

Tao atsimon'i Iran, nisy fipoahana tao amin'ny moske iray tao an-tanànan'i Shiraz, izay nahafatesana olona 12 raha kely indrindra ary naratra teo amin'ny 200 tamin'ny 12 Aprily. Nanambara ny tranokalam-baovao tsy tena ofisialy an'ny governemanta, Fars, fa noho ny baomba no nahatonga ny fipoahana.