Bilaogy Ho an'ny Fandriampahaleman'i Afovoany Atsinanana

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivaoka tamin'ny Janoary 2005)

Nanangana ny Bilaogy Onevoice i Daniel Lubetzky avy ao amin'ny Hetsika Onevoice – tetikasan'olompirenena ho an'ny fandriampahalemana Israeliana-Palestiniana. Hoy izy ao anatinà mailaka iray: “Fanirianay ny hahalasa an’ity bilaogy ity ho toerana goavana tsidihan'ireo olona rehetra izay te hahalala ny tena zava-mitranga eo amin'ny tany Israeliana sy Palestiniana, ka hanomboka hamoaka vaovao lehibe eto izahay alohan'ny hamoahana azy ireo any amin'ny media. “

Ao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Midika inona amiko izao?, manoratra i Daniel fa:

Manomboka mipoitra tsikelikely ny fanantenana amin’ny hisian’ny fifankahazoana eo amin’ny Israeliana sy ny Palestiniana, ary tsara fitotonana izany, noho ireo loza mitatao sy ireo olana atrehin'ny sivilizasiôna amin'ny lafiny hafa. Saingy ny tantara dia mampiseho antsika fa rehefa manomboka mamofompofona fanantenana ny toedraharaha, dia mody fanina ireo tsy miandany ary manimba am-pifaliana ny fanantenana amin’ny fampihavanana kosa ireo mahery fihetsika. Andraikitry ny olompirenena rehetra ny manao ny anjarany. Ny tsirairay dia afaka ary tokony hiditra ho isan’ny OneVoice hiadina amin’ny mahery fihetsika sy ny didijadon’ireo mafana fo. Ampirisiho ny hafa hanatevin-daharana ilay hetsika (amin'ny fidirana ho mpikambana, ho olompirenena mpanao fifanarahana, na ho mpanohana): www.OneVoiceMovement.org.

Miangavy anao hitsidika sy hizara ny bilaogy Onevoice ao amin'ny bilaoginao .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.