
Sarina vehivavy Turkmen hanambady. Pikantsary nalaina tao amin'ny YouTube, lahatsary nakarin'i Basim Annanow
Ýigit çal söýgi sazyňy,
Gelin artdyr sen näziňi
Oýnaň şadyýan tansyny çünki bugün toý toý
Aýdalyň biz toý aýdymy, bugün bizde toý toý
Ry tovolahy, mitendre hiram-pitiavana
Ry tovovavy, misehoa ho tia indray,
Andihizo ny fihetsika mahafaly anareo satria andro mariazy izao,
Hihira ny hiran'ny mariazy isika,
Mifety isika anio.
Tsy mampino ny halehiben'ny mariazy hoan'ny Turkmen. Manamarika ny fitohizan'ny fiainam-piarahamonina sy ny fahambonian'ny fianakaviana eo anivon'ny fiarahamonina ny fanambadiana ny zanaka lahy sy zanaka vavy. Araka ny nentim-paharazana, manana fianakaviana lehibe ny Turkmen, ary fotoana fanararaotana hahitana ireo fianakaviana na dia lavitra indrindra aza, sy hjanehoana ny satanao eo amin'ireo mpifanolo-bodi-rindrina ny mariazy.
Misy ny fomba amam-panao sy nenitn-drazana maromaro tsy maintsy tontosaina amin'ny andro mariazy Turkmen. Indreto fintina fohy tsara jerena:
1. Tsy maintsy manana mpihira malaza ianao! Mandeha mandihy eny an-dalana ianao, da!
Raha manana fahafahana manokana maka ny etona fandrehitra harem-pirenena ianao, dia afaka manarama an'i J-Lo, ary raha tsy manana izany aza ianao, dia tsy maintsy mahatsangana ny olona ny mpihira nalainao.
Indreto ohatra amin'ireo mariazy avo lenta hirain'ny mpanakanto malaza ao an-toerana, Kakysh:
Şemal näz edip öwüsýär şugün
Güller näz edip öwüsýär şügün
Ýarym näz edip ýylgyrsaň senem
Toý güni aýly günüm, sögülim şugün.
Mitsoka malefaka am-pitiavana ny rivotra,
Mamony malefaka am-pitiavana ny voninkazo,
Ry malalako, hitsiky malefaka ianao,
Ry malalako, andro mariazintsika anio
Ao amin'ny Ertir.com, iray amin'ireo sehatra fifanakalozan-dresaka malaza indrindra ao Turkmenistan, miresaka momba ireo tononkira ny mpiserasera.
Nidera [tkm] an'i Kakysh i NitrogeN, ary nanontany mikasika ny Andriamanimbavy (muse) izay mipoitra matetika ao amin'ny hirany:
gowy aydyaray Kakysh. Aydymlarynyng köpüsinde Läle sözi geçyär. Shondan yanan oydyan
Mihira tsara i Kakysh. Mampiasa ny anarana Lale izy amin'ny ankamaroan'ny hirany. Angamba namaky ny fony izy io.
Liana te-ahafantatra [tkm] ihany koa i Meka MerGenius mikasika ilay lehilahy ambadik'ilay feo:
Kakyş Amandurdyyew näz edyär mi?
Mikoty ve i Kakysh Amandurdyyew?
Nizara ny filozofiany mikasika ny fanambadiana kosa ireo mpiserasera sasany:
oylenyancha her hili sozler aydylyar son kan aydylanok
Alohan'ny hanombohan'ny mariazy, milaza izao karazana voambolana rehetra izao izy ireo, saingy tsy miteny betsaka loatra avy eo
NitrogeN nanohy, namazivazy [tkm]:
durmusha cykyp semreyar song shemal akidip bilenok
Rehefa manambady izy ireo, manjary matavy, ary tsy azon'ny rivotra entina mankaiza intsony
2.Tokony hampiseho an-dravehivavy ny akanjo mariazy satria hitondra foloara anaronan-doha izy avy eo ary hanakombona ny vavany manoloana ireo ray aman-drenin'ny vadiny.
Maro karazana tokoa ny akanjo mariazy ao Turkmenistan, ahitana loko sy maodely isan-karazany amin'ny vidiny samihafa. Mety hilanja hatramin'ny 35 kilao ny akanjo mariazy Turkmen nentim-paharazana – rehefa voaravaka volafotsy.

Misolo toerana ny akanjo fotsy nentim-paharazana ny akanjo mavesatra rehefa mandihindihy avokoa ny zava-drehetra. Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube video nampakarin’i Andrey Kniaz.
3. Mivonòna maka sary — sarim-pianakaviana!

Mahalana izany hoe tafiditra anaty pikantsary tokana ny fianakaviana Turkmen. Pikantsary tao amin'ny alahatsaryScreenshot from a YouTube video uploaded by Turkmen Owazy.
4. Ary ataovy koa izay hakanao sary eo anoloan'ny sarin'ny Filoha Gurbanguly Berdymuhamedov
Nanontany ny Radio Free Europe / Radio Liberty (RFE / RL) raha lamina ofisialy na fomba fanao tsy ofisialy izany fomba amam-panao nentim-paharazana izany. Nitanisa ireo fijoroana vavombelona ny sampan-draharaha izay manamafy fa anisan'ny lanonana ofisialin'ny mariazy rehetra ny sary. Na dia izany aza, toa tsy miteraka olana teo amin'ireo mpiserasera izany.
Alex naneho hevitra [ru] hoe:
всё нормально, я бы тоже сфоткался!
Marina izany. Te-haka sary eo ihany koa aho!
5.Ny tena mampientanentana matetika dia ny fizotry ny lanonana. Tonga maka an-dravehivavy any an-tranony ny lehilahy
Adidin-dravehivavy ny mampiseho ny alahelony satria handao ny ray aman-dreniny izy. Anisan'ny tena mampihetsi-po amin'ny mariazy izany satria tonga manao velona azy ny havan-dravehivavy. Fotoana sady mampalahelo no mampifaly.

Tsy maintsy manao veloma amin'ireo havany akaiky rehetra ny vehivavyhanambady. Sary nampakarin'i Zarina Max