Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Avrily, 2018
Vaovao Diso Ezahan'ny Mpitsara Ao Brezila Sakanana Lasa Manome Fahefana Ho An'ny Facebook Hanao Sivana
Nanome baiko ho an'ny Facebook mba hamafa izay lahatsoratra rehetra ankehitriny manevateva ny "sary, voninahitra sy ny fiainana manokan'ilay" mpanao politika maty nisy namono Marielle Franco -- sy ny lahatsoratra ho avy tahaka izany ny mpitsara Breziliana. Mety hiteraka ohatra mampidi-doza ho an'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena izany.
Disadisa Diplaomatika Tamin'ny Fandavan'i Trinite sy Tobago ny Fanamaivanana Fandoavam-bolan'i Dominika Ao Amin'ny OAS
Manantena tanteraka aho fa fantatry ny olona ao Dominika fa tsy ny Trinbagoniana rehetra no tsy malala tanana araka ny mety asehoan'ity fanapahan-kevitra ofisialy ity
Novidian'ny CME Ny Fantsom-pahitalavitra Be Mpijery Indrindra Ao Bolgaria
Nitatitra momba ny fivarotana ny bTV, iray amin'ireo fantsom-pahitalavitra malaza indrindra any Bolgaria, tamin'ny Central European Media Enterprises i Ruslan Trad .
Voasivana, Kanefa Tsy Mihemotra : Milaza Ireo Mpiasan'ny Fampahalalam-baovao Ao Kiobà Fa Tsy Hanova Matoandahatsoratra
Voasivana tao Kiobà ny gazetiboky anaty aterneto "El Estornudo" ka nanoratra taratasy misokatra ireo tonian'ny famoaham-baovao tao aminy, izay azon'ny rehetra vakiana ihany koa any amin'ny filazam-baovao hafa ao amin'ny faritry ny nosy.
Qatar: Vondrom-Piarahamonina An-tserasera Tonga Hanampy ny Mpiasa
Nifamory ny mpikamban'ny Qatar Living hanome fanampiana vondrom-piarahamonina ivelan-tserasera iray ahitana mpiasa 600 izay very nandritra ny fahamaizan'ny tobin'ny mpiasa ny fananany iray manontolo, hoy ny nosoratan'i Mohamed Nanabhay, avy ao Doha, Qatar.
Mitohy Ny Olana Momba Ny Fiarovana Lahatahiry ao India Tamin'ny Fivoahan'ny Raharaha Cambridge Analytica
Tonga tao India ny fiantraikan'ireo ampamoaka momba ny fampiasana tahiry nataon'ny Facebook sy Cambridge Analytica, izay ahitana ireo mpanao politika mifampiampanga amin'ny fikirakirana fitaovana mitovy amin'izany mba hanodikodinana ny fifidianana ao an-toerana.
Global Voices Any amin'ny Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media
Ity no Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media faharoa karakarain'ny Media Center an'ny Ivontoeran'ny Fanaovangazety Amerikana, izay hatao any Lôndôna. "Fitokisana" no lohahevitra hodinihina amin'izany, koa tongava ary ampio izahay hitady ny valin'ireo fanontaniana maro, na hamerina handrafitra ny adihevitra amin'ny fametrahana fanontaniana vaovao!
Ahazoana Lesona Lehibe Amin'ny Fanatsarana ny Kalitaom-Baovao Ny Fitsongoana Dia ny Fitsabahana An-tseraseran'i Rosia
GV no voalohany namoaka porofo fisian'ireo mpandoto rindrina sy fambolena raboto miasa amin'ny fomba mirindra hamily ny resaka eny anivom-bahoaka, izay nametraka ny lasitra tamin'ireo fitantarana maro nanaraka izany.
Mpanolo-Baovao Voalohany Lahy Niova ho Vavy ao Pakistan, Marvia Malik, Te-Hanova ny Fihetsiky ny Fiarahamonina Manoloana ny Vondrona Misy Azy
"...tsy misy izay tsy vitanay; nobeazina izahay, manana diplaoma izahay, saingy tsy misy varavarana misokatra, tsy misy fandrisihana. Izany no zavatra tiako ovaina."
Mandrahona ny Hanaisotra ny Fahefana Hiasa Ho Fampitam-Baovao Noho ny Famoahana ‘Vaovao Faikany’ ny Governemanta Indiana
Niteraka adihevitra amin'ny fanaraha-maso ny fampitam-baovao ny torolalana vaovao navoakan'ny minisitera federalin'i India mametraka fa mety ho votsotra ny fanomezana alalana hamoka vaovao raha tratra mampiely vaovao "faikany" na "manahirana".