Novidian'ny CME Ny Fantsom-pahitalavitra Be Mpijery Indrindra Ao Bolgaria 

(Marihina fa tamin'ny 10 Martsa 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
btv2

Tamin'ny 18 febroary 2010, nahazo tompony vaovao antsoina hoe Central European Media Enterprises (Foiben'ny Orinasan'ny Fampitam-baovao Eoropeana) ny bTV, iray tamin'ireo fantsom-pahitalavitra malaza indrindra tany Bolgaria. bTV no fahitalavitra tsy miankina voalohany tao Bolgaria. Tamin'ny 1 Jona 2000 ny fandaharan'ny bTV voalohany no nalefa , ka namotika ny ampihimamban'ny fahitalavi-panjakana ary nanova tanteraka ny tontolon'ny fampitam-baovao tao Bolgaria.

Nandritra ny valo taona, fantsom-pahitalavitra be mpijery indrindra ao Bolgaria ny bTV, mahazo ny 37% -n'ny mpijery sy ny toerana ambony amin'ny tsenan'ny dokambarotra. Mandefa fandaharana mandritra ny 24 ora ny bTV. Mikendry ny fianakaviana mpijery izy, manolotra sarimihetsika voafantina, amin'ny endriny (formats) tena izy sy ny fandaharana fifanakalozan-kevitra ary fandaharana hatsikana izy. Lohalaharana amin'ny fanoloram-baovao izay atokisan'ny mpijery ny vaovao sy ny fandaharana ao amin'ny bTV.

Ny Central European Media Enterprises, izay nahazo ny bTV, no fahitalavitra mpandefa fandaharana lohalaharana ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana. Ny orinasa dia natsangan'i Ronald Lauder tamin'ny taona 1994 ary mitantana miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminy ao an-toerana ny TV Nova, Nova Sport, Nova Cinema sy MTV any amin'ny Repoblika Tsheky, PRO TV, PRO TV International, ACASA, PRO CINEMA, Sport.ro ary MTV Romania. ao Romania, TV Markíza, Nova Sport, Television Doma sy MTV any Slovakia, POP TV, Kanal A sy TV Pika ao Slovenia, ary Studio 1+1, 1+1 International sy Kino any Okraina.

Namoaka vaovao momba ity fifanarahana ity aho ao amin'ny bilaogiko :

[…] Under the terms of the deal, CME will acquire 100% of bTV […]. CME will pay $400 million for 100% of bTV and parts of bTV Comedy and bTV Cinema and 74% of the radio stations N-Joy, Z-Rock, Melody, Jazz FM, Classic FM. […]

[…] Eo ambanin'ny fepetran'ny fifanarahana, hahazo 100% ny bTV […] ny CME. Handoa vola mitentina 400 tapitrisa dolara ho an'ny 100%-n'ny bTV ny CME ary ampahany amin'ny bTV Hatsikana sy bTV Sarimihetsika ary 74%-n'ny onjam-peo N-Joy, Z-Rock, Melody, Jazz FM, Classic FM. […]

Hoy i Maryan Tomov nanoratra tao amin'ny bilaoginy Journalist BG:

There is nothing new that the deal is being prepared since the middle of last year. […] My sources from Pro.bg informed me that the conclusion of an agreement is only a matter of time, so much for that. Today (January 27th) Reuters said that CME is in the final stage of negotiations for the buying of bTV from Rupert Murdoc's News Corporation for $500 million. […]

Tsy misy zava-baovao ny nanomanana ny fifanarahana tamin'ny tapaky ny taon-dasa. […] Ny loharanom-baovao azoko tao amin'ny Pro.bg no nahalalako fa miandry fotoana fotsiny ny famitàna ny fifanarahana, izay fotsiny. Nilaza ny Reuters androany (27 Janoary) fa eo amin'ny dingana farany amin'ny fifampiraharahana momba ny fividianana bTV avy amin'ny  News Corporation an'ny Rupert Murdoc ny CME amin'ny vidiny mitentina 500 tapitrisa dolara. […]

Bilaogy hafa, nanoratra i BGtelevizor:

[…] Adrian Sarbu, President and CEO of CME, said the purchase of bTV is the next step in the repositioning of CME after the sale of their business in Ukraine […]

[…] nilaza i Adrian Sarbu, Filoha sady Tale Jeneralin'ny CME fa ny fividianana bTV no dingana manaraka amin'ny fanavaozana ny CME taorian'ny famarotana ny orinasany tany Okraina […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.