Voasivana, Kanefa Tsy Mihemotra : Milaza Ireo Mpiasan'ny Fampahalalam-baovao Ao Kiobà Fa Tsy Hanova Matoandahatsoratra

“Tay ny Aterineto ! Ndao jerena… izay rehetra mila Aternieto, atsangano ny tànana.” sarisary nataon'i Lázaro Saavedra, nahazoana alalana ny famoahana azy.

El Esturnudo (“Ilay Mievina”), vohikala iray tsy miankina mpilaza vaovao “Nosoratana avy ao Kiobà sy avy any ivelany” no tsy azo idiran'ireo mpampiasa Aterineto intsony ao Kiobà.

Nanatevin-daharana ireo Haino aman-jery ao an-toerana voasivana na voasivan'ireo manampahefana ao an-toerana mandrira ny fotoana fohy ilay Gazetiboky, ahitàna andrana fitsikerana maro sy manasongadina lahatsoratra momba ny olàna sosialy ary ny fiovàn'ny kolontsaina, ao anatin'ny ezaka misy amin'izao fotoana izao hamerana ny vaovao afaka jeren'ireo Kiobàna ety anaty aterineto.

Manampy ompa amin'ny ratra efa mahazo ny firenena io fihetsika io, firenena izay tsy ahitàna firy fahafahana mifandray amin'ny aterineto, ary mbola tsy takatry ny sarambabem-bahoaka ihany koa ny vidin'ny fampiasàna aterineto.

Ho famaliana ofisialy an'ilay fanagiazàna, namoaka taratasy misokatra atolotra ho an'”ilay mpanao sivana” ireo mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny El Estornudo,  izay mbola naverina navoaka tany amin'ireo filazam-baovao tsy miankina maro tao an-toerana, anatin'izany ny Periodismo de Barrio sy 14yMedio (vohikala iray tantanan'ilay blaogera Yoani Sánchez, izay voasakana ao Kiobà ihany koa) :

…el gobierno cubano ha decidido bloquear el acceso directo a la revista desde el territorio nacional, haciéndonos perder…[lectores] aquellos para los que El Estornudo probablemente cumplía una función más vital, ciudadanos que padecen la grisura informativa de los medios de propaganda del Estado y buscan con denuedo el relato verídico y honesto de un país que se asemeje al país en el que realmente viven y vivimos, gobernado hasta hoy con ineptitud y puño de hierro.

…Nanapaka hevitra ny hanakana ny fidirana hijery ilay gazetibokinay avy ato anatin'ny faritra ny governemanta Kiobàna, miteraka fahaverezana….[mpamaky] izay angamba nilàna ny El Estornudo indrindra, ho an'ny olom-pirenena izay mizaka ny faharatsian'ny filazam-baovao avoakan'ny fampielezanekvitry ny fanjakana, ary te-hijery akaiky kokoa ny fitantaràna ny tena zava-misy marina, vaovao iray izay maneho ny firenena misy azy ankehitriny, firenena tantanina  amin'ny lainga sy ny tsy refesi-mandidy.

Tohizan'ilay taratasy amin'ny filazàna hoe tsy hanova ny toerana raisin'ilay gazetiboky izany, “Ary tsy hitondra ny El Estornudo amin'ny fifanakalozan-kevitra ara-politika iarahana  amin'ny fitondràna mihitsy na dia izany aza no andrasan'ireo mpitondra ireo.”

No vamos a descender a esa forma conciliatoria y pusilánime del discurso en el que hacemos periodismo casi como si pidiéramos perdón, dando explicaciones gratuitas al represor en vez de exigírselas…

Tsy hietry amin'izany resaka endrika fifampiraharahana sy mahonena izany izahay amin'ny asa fanaovan-gazety ataonay satria toy ny fangataham-pamelàna sy fanomezam-panazavàna maimaimpoana ho an'ireo mpanao sivàna raha tokony ho izy ireo no hitakiana izany.

Manana ny foibeny ao Aostralia ny El Estornudo ary miankina amin'ireo Kiobàna mpiara miasa amin'izy ireo ao amin'ny nosy, sy ireo Kiobàna mipetraka any Amerika, Espaina ary any amin'ny firenena hafa amin'izao fotoana izao.

Tao amin'ilay tafatafa iray niarahana tamin'i Revista7im, no nanambaràn'i Abraham Jiménez, tonian'ny famoaham-baovao, fa tsy ny ahitàn'ny olona ny fanakianana ny governemanta Kiobàna monja no tanjon'ilay gazety boky, fa koa ny hitantara ilay “Kiobà amin'ny endriny hafa” izay tsy hita anatin'ny tantara ofisialy.

Na mbola sarotra aza ny hamaritra ny tena isan'ny olona afaka mahazo aterineto tsy tapaka ao Kiobà, na ireo manana fanantenana indrindra aza dia manamafy fa ao Kiobà no  ambany indrindra ny tahan'ny fidirana anaty aterineto any Amerikà.

Nandritry ny taona maro, lohahevitra mafàna eny anivon'ireo Kiobàna mpikirakira teknolojia, ao amin'ny firenena sy any am-pielezana, ny fidirana anaty aterineto na ny fidirana anaty haino aman-jery nomerika. Filazam-baovao ao an-toerana tahaka an'i El Estornudo, Cachivache Media, ary OnCuba no samy namoaka vaovao sy fampahafantarana matetika mikasika ny fampianarana ny atao hoe filazam-baovao nomerika sy ny tambajotra tsy ofisialy misy ao amin'ny nosy.

Raha mamoaka feno ny votoaty manontolo ao amin'ny vohikalany ireo sehatra tahaka ny El Estornudo, mampiasa fomba fizaràna isan-karazany kosa ireo mpiandraikitra ny famoahan-dahatsoratra– isan'izany ny imailaka (azon'ny ny Kiobàna atao ny mitantana kaonty imailaka Intranet, izay azon'ny vahoaka ao amin'ny firenena tsidihina maimaimpoana), ny hafatra amin'ny finday, ny tambajotra ao an-toerana (LAN) sy ny “clé USB” ifanolorana. Midika izany fa raha tsy azo itsofohana ao Kiobà intsony ilay vohikala, mahita lalàna hafa hatrany ny tantara sy ny fanadihadiana avy amin'ny El Estornudo mba hahatongavany any amin'ireo mpamaky mahafatra-po mahatoky azy indrindra.

Ilay taratasy ho an'ny Mpanivan'ny Governemanta koa dia maneho ny lanjan'ny fiasàna tsy ho an'ireo izay mamaky ny momba ny Kiobà androany ihany, fa koa ho an'ireo izay te-hahatakatra any aoriana any ny momba an'i Kiobà amin'izao fotoana izao:

En un país donde no pueden circular publicaciones impresas fuera de los márgenes del Estado, donde el acceso a Internet es sumamente limitado, y donde luego bloquean la dirección de tu medio de prensa para que ni siquiera a través de ese acceso limitado lleguen a leerte, hemos de recordar que esta revista también existe para que los cubanos puedan enterarse mañana de qué les sucedía hoy.

Ao anatinà firenena iray tsy ahafahana mamoaka printy any ivelan'ny faritry ny fanjakana, ary voafetra be ny aterneto, sakanan-dry zareo ny rohiy mankany amin'ny toeram-pivarotanao mba tsy hahafahan'ny olona hamaky ny alefanao  amin'ny alàlan'io fidiràna tery dia tery io, tokony ho tsaroantsika hatrany fa natao ho an'ny Kiobàna itygazetiboky ity mba hahafantaran'izy ireo rahampitso izay mitranga amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.