Mpanolo-Baovao Voalohany Lahy Niova ho Vavy ao Pakistan, Marvia Malik, Te-Hanova ny Fihetsiky ny Fiarahamonina Manoloana ny Vondrona Misy Azy

Marvia Malik, 21 taona, heverina ho trans voalohany ao Pakistan ho mpanolo-baovao. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny VisualTV Live via YouTube.

Marvia Malik Tafiditra ao anatin'ny tantaran'ny median'i  pakistan ny anaran'i Marvia Malik noho izy lahy niova ho vavy voalohany lasa mpanolo-baovao ao amin'ny firenena.

Nangataka asa tao amin'ny fantsom-baovao tsy miankina iray, ao amin'ny Kohenoor News, ity olona manana ny diplaoma lisansa amin'ny fanaovan-gazety 21 taona avy ao Lahore ity. Nilaza ny lehiben'ny Kohenoor News, fa tafiditra niasa tao noho ny fahamendrehana/fahaizana i Malik ary nanomboka nanao ny asany niseho fahitalavitra tamin'ny 23 marsa.

Mandeha amin'ny fahitalavitra ny lahy niova ho vavy voalohany eto Pakistan – Maavia Malik

Tao amin'ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny gazety Dawn i Malik, izay mpanolokolo tarehy ny asany voalohany, nanazava ny fomba fijeriny ny varavarana misokatra maha-mpanolo-baovao:

Everywhere we go, a transgender person is looked down upon. But there’s nothing we can’t do; we’re educated, have degrees, but no opportunities, no encouragement. This is what I want to change […] I’m here to change my community’s destiny, not represent myself as an individual. […] I have set out on this journey to change lives of transgenders.

Na aiza na aiza alehanay, dia ianjonanjonana ny olona “trans” iray. Kanefa, tsy misy izay tsy vitanay; nobeazina izahay, manana diplaoma izahay, saingy tsy misy varavarana misokatra, tsy misy fandrisihana. Izany no zavatra tiako ovaina [..] Eto aho hanova ny lalan-kodiavin'ny vondro-piarahamonina misy ahy, fa tsy hisolo tena ahy amin'ny maha-isambatan'olona.[..] Nandia ity lalan-davitra ity aho hanova ny fiainan'ny lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy

Noderain'olo-malaza, mpanao gazety ary mpikatroka manerana an'i Pakistan ary mihoatra sisintany mihitsy aza ny fahombiazan'i Malik. Niarahaba azy sady naneho ny heviny i Riz Ahmed, mpiantsehatra sady mpikatroka Britanika-Pakistaney tao amin'ny tsanganana Instagram iray:

In some ways Pakistan has been ahead of the curve in certain aspects of trans rights. In other ways, it has lagged behind. Hoping we can all learn from each other in paving the way to greater inclusion.

Lasa aloha ihany i Pakistan eo amin'ny lafiny sasany fanajana ny zon'ny lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy. Amin'ny lafiny hafa kosa mbola tratra aoriana izy. Manantena fa hifampianatra isika hanokatra ny lalana ho amin'ny fampidirana bebe kokoa ny hafa ho ao anaty fiarahamonina.

Eo ho eo ihany i Pakistan raha miompana amin'ny vitsy an'isa eo amin'ny fironana ara-pananahana ny resaka.

Matetika anondroana vondron'olona manokana fantatra amin'ny hoe hijras ny voambolana “transgender” (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) ao Pakistan sy any amin'ny faritra hafa ao Azia Atsimo, vondron'olona sady tsy lahy tanteraka no tsy vavy tanteraka ihany koa. Efa hatry ny ela ny mpikatroka sy ny fifandaminana tsy miankina amin'ny fanjakana no nanindry mafy ho fankatoavana azy ireo amin'ny fomba ofisialy, ary tao amin'ny daty iray tamin'ny taona 2011 lasa manan-tantara no nandidian'ny Fitsarana Tampony ao Pakistan ny vaomiera misahana ny fifidianana hanangona ny lahatahiry avy amin'ny vondrom-piarahamonina (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) ary hanoratra ny anaran'izy ireo ho mpifidy.

Tamin'ny taona 2017 i Pakistan no namoaka pasipaoro voalohany misy marika X eo amin'ny karazana fahatelo (lahy/vavy). Ary tamin'ny fiandohan'ity taona ity, namoaka fahazoan-dalana hitondra fiarakodia ho an'ny (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) i Pakistan.

Saingy mbola manohy miatrika ny fanavakavahana sy ny herisetra ihany ny (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) ao Pakistan. Maro no sahirana vao mety hahazo asa ka voatery mangataka na mivaro-tena hiavotan-tena.

Nanamarika izany toe-javamisy izany i Malik nandritra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ny Dawn, ary nilaza izy fa manantena hanova izany amin'ny fomba manokana:

She wants to push for a law making mandatory for families to give transgender persons their share in property as a boy or girl is. “Transgenders are forced to dance and beg because they have no other means to make ends meet. When they are shunned by families, they have nowhere else to go. My trans friends who have masters degrees don’t have jobs which is why they end up on streets or become sex workers. This is why I want to push for a law so a transgender if disowned, can make a living out of the share in the property.”

Te-hanosika amin'ny fametrahana lalàna hanery ny fianakaviana hanome ny anjara fananany ho an'ny (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) amin'ny maha-zazalahy azy na maha-zazavavy azy izy. Terena ny (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) handihy na hangataka satria tsy manana fomba hafa itadiavam-bola hanatrarana ny faran'ny volana ry zareo. tsy manana toeran-kafa aleha intsony ry zareo raha tsipahin'ny fianakaviany. Tsy manana asa ireo (lahy niova ho vavy/ vavy niova ho lahy) manana diplaoma masters namako ka izany no mahatonga azy ireo miafara eny an'arabe na lasa mivaro-tena. Izany no antony mahatonga ahy hitaky lalàna fa raha tsy omena lova izy, dia afaka misitraka ny anjara fananany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.