Disadisa Diplaomatika Tamin'ny Fandavan'i Trinite sy Tobago ny Fanamaivanana Fandoavam-bolan'i Dominika Ao Amin'ny OAS

Ambasaderan'i Trinite sy Tobago ao amin'ny Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana (OAS) Anthony Phillip Spencer, nandritra ny Fivoriana ara-potoana tao amin'ny Filankevitra Maharitra ao Washington DC, Etazonia, tamin'ny 23 Marsa 2018. Sary: Juan Manuel Herrera/OAS, CC BY-NC-ND 2.0.

Raha ravan'ny Rivo-doza Maria tamin'ny volana Septambra 2017 ny firenena Karaibeana ao Dominika, niatrika faharavana (manakaiky ny) tanteraka ireo mponina 73.000 ao amin'ny nosy, fihotsahan'ny tany, fahasimban'ny fotodrafirasa ary fatiantoka ara-toekarena an-jatony tapitrisa dolara Amerikana.

Satria nanomboka nanangona sombintsombiny i Dominika, niara-dia tamin'ny ezaka fanavotana nandritra ny fotoana izay tsy isalasalana fa iray amin'ireo vanin-taonan'ny rivo-doza ratsy indrindra ao Atlantika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.

Na dia izany aza, raha nanome fampiantranoana ho an'ireo niharam-boina izay rava trano tamin'ny rivo-doza Dominikàna ny praiminisitra ao Trinité-sy-Tobago, Dr Keith Rowley, ka nanaisotra ny famerana ny fifindramonina mandritra ny enim-bolana, nirongatra tao amin'ny media sosialy ny fanehoan-kevitra fankahalana vahiny.

Avy hatrany dia notoherin'ireo mpisera media sosialy manana “fisaina ankavanana” ny vaovao malaza, saingy mbola niseho hatrany ny disadisa tamin'ny 23 marsa 2018, rehefa nangataka tamin'ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana ny ambasaderan'i Dominika mba hanaisotra ny fandraisana anjara (latsakemboky) ny nosy mandritra ny roa taona (mitotaly eo amin'ny 20 000 dolara Amerikana) raha mbola eo am-piarenana.

Raha niombon-kevitra ny ankamaroan'ireo Firenena mpikambana, naneho “fahamalinana” kosa ny solontenan’ i Trinité-sy-Tobago, milaza ny tokony hanemorana ny fandoavam-bola sy ny fanatontosana ny drafitra fandoavam-bola atao fanadihadiana isan-taona. Lany anefa ilay tolo-kevitra (hanaisotra ny tsy fandoavam-bola) na dia teo aza ny fandavan'i Trinité-sy-Tobago, saingy niteraka tabataba be tao amin'ny media sosialy ny latsa-bato.

Trinidadiana mpisera Facebook, Caroline Taylor naneho hevitra hoe:

This made me feel sick. And sad. And angry. […] I really hope the people of Dominica know that not all Trinbagonians are as graceless as this official position might indicate, and this objection makes many of us feel deeply ashamed.

Mamparary ahy izany. Ary tezitra. […] Manantena mihitsy aho fa mahafantatra ny olona ao Dominika fa tsy ny Trinbagoniana rehetra no tsy malala tanana araka ny mety asehoan'ity fanapahan-kevitra ofisialy ity, ary mahatonga ny maro aminay hahatsiaro menatra tanteraka amin'ity fandavàna ity.

Nanizingizina i Anthony Phillip Spencer, ambasaderan'i Trinite sy Tobago ao amin'ny OAS sady solontenany nandritra ny fampisafidianana fa nanaraka fotsiny ny torolalana nomen'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao amin'ny firenena sy ny raharaha CARICOM (Fiarahamonina Karaiba sy Tsena Iombonana) izy.

Nisy avy eo ny fitakiana fandroahana an'i Dennis Moses, minisitra tompon'andraikitra, izay namoaka fanambarana milaza fa “voadika vilana” ny fanapahan-kevitr'i Trinité-sy-Tobago tamin'ny fivorian'ny OAS.

A suggestion by a public servant at an OAS meeting that Dominica's dues not be collected at this time but be deferred to some future time in no way reflects any change in our demonstrated concern for the welfare of the people of Dominica.

Tsy mampiseho fanovana amin'ny fiahianay ho amin'ny mahasoa ny vahoakan'i Dominika ny filazan'ny mpiasam-panjakana iray tamin'ny fivorian'ny OAS tamin'io fotoana io fa tsy foanana ny fandoavam-bolan'i Dominika fa hahemotra amin'ny fotoana manaraka.

Namely ny filazan'i Moses ny tranonkala iray mpanesoeso ara-politika Wired868, milaza ny antsipirihan'ny hafatra izay nilaza toro-lalana mazava mikasika ny fomba tokony hifidianan'ny firenena.

Mpisera Facebook Teocah Arieal Ainka Dove kosa nilaza fa tsy ampy ny fanambaran'i Moses:

If this […] truly reflects what the Ambassador stated to the journalist, that he was sent this position by the Ministry and did not act on his own accord, then for the sake of our Dominican brothers and sisters and CARICOM, can the Minister (not via Press Release), but via either the Parliament or a Live TV/Radio interview, indicate what really happened in this matter, once again apologize to the people of Dominica and find a tangible way to make amends.

Raha maneho tokoa […] izay nolazain'ny Ambasadera tamin'ny mpanao gazety izany, fa ny minisitera no naniraka azy fa tsy avy aminy manokana izany, dia ho amin'ny mahasoa ireo rahavavy sy rahalahy Dominikanina sy ny CARICOM, afaka milaza ny tena zava-nitranga marina tamin'ity raharaha ity ve ny minisitra (tsy amin'ny Fanambarana An-gazety), fa amin'ny Parlemanta na antsafa mivantana amin'ny TV / Radio, miangavy indray mba hiala tsiny amin'ny vahoakan'i Dominika ary mitadiava fomba mivaingana hanonerana.

Nangataka ny hanaovana fanadihadiana mikasika ny toe-draharaha nitarika ny vato fanoherana ny praiminisitr'i Trinité-sy-Tobago, Dr Keith Rowley, izay nolazainy fa “tsy mifanaraka” amin'ny politikan'ny firenena ho an'i Dominika. Nahazo “tatitra feno misy ny antsipirihan'ny zava-nitranga tao amin'ny OAS” izy avy eo.

Mandritra izany, nitantana ny raharaha tamin'ny famindrampò i Dominika. Nifandray tamin'ny praiminisitr'i Dominika,  Roosevelt Skerrit ilay Trinidadiana mpanolotra fandaharana isa-maraina Hema Ramkissoon mba hiresaka momba ny disadisa, ary nandefa ny valinteniny tao amin'ny Facebook:

The relationship between Dominica and Trinidad and Tobago is still solid. The Trinidad Government and indeed the whole of TT have been very supportive of our efforts. I do not think the PM would have been aware of the vote at the OAS prior. This is one of the usual miscommunication occurrences which happens to all of us from time to time.

We in Dominica are heartened and touched by the continued love, care and concern which TT continues to demonstrate towards us; and this transcends all strata of society including political parties. Much thanks from we [sic] in Dominica!

Mbola mafy ny fifandraisana eo amin'i Dominika sy Trinité-sy-Tobago. Tena manohana ny ezaka ataonay ny governemanta Trinite ary indrindra i TT (Trinite sy Tobago) manontolo. Tsy mino aho fa nahafantatra mialoha ny vato tao amin'ny OAS ny praiminisitra. Iray amin'ireo tranga mahazatra amin'ny tsy fahaizana mampita hafatra eo amintsika rehetra izany.

Isika ao Dominika dia nahazo hery sy nihetsi-po tamin'ny fitiavana, fikarakarana sy ahiahy tsy tapaka izay tohizan'ny TT aseho hatrany amintsika; ary manandratra ny sarangam-piarahamonina rehetra izany, anisan'izany ny antoko politika. Saotra betsaka avy aty aminay aty Dominika!

Nilaza ny tatitra taty aoriana fa nikasa hihaona “mba hanavao ny fifandraisan'izy ireo “mafonja” izay mety iharan'ny fitsapana mafy taorian'ny fanapahan-kevitra[…] tsy hanome fanemorana […] ny fandoavam-bola ao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana (OAS) ny praiministra ao amin'ny firenena roa tonta.

Raha tsy nankasitraka an'i Trinité-sy-Tobago taorian'ny latsa-bato ny sasany tamin'ireo mpisera media sosialy Dominikana, ny hafa kosa tsy dia rototra nanadino ny fanampiana nomen'ny nosy kambana taorian'ny rivo-doza Maria tamin'ny taona lasa.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook, Michelle Bernard nanohitra ny “fandotoana ny Trinidadiana rehetra amin'ny borosy tokana”, raha namazivazy ny hevitry ny CARICOM, tambajotram-piarahamonina ahitana firenena Karaibeana 15 kosa i Colin Sampson.

Hoy ny matoandahatsoratra tao amin'ny Trinidad Express nanampy:

What could have possessed this country to stand against a sister Caricom country at the hemispheric forum is simply unfathomable. […]

It is a shame that will be very hard to live down. Dominica, we are sorry.

Tsy voasaina tsotra izao ny antony nanosika an'ity firenena ity nanohitra ny firenena rahavavy ao amin'ny Caricom nandritra ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny ila bolan-tany […]

Henatra ho sarotra hiainana tanteraka izany. Dominika, miala tsiny izahay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.