Mitohy Ny Olana Momba Ny Fiarovana Lahatahiry ao India Tamin'ny Fivoahan'ny Raharaha Cambridge Analytica

Sary avy amin'i Geralt tao amin'ny Pixabay. CC0 Creative Commons.

Tonga tao India ny fiantraikan'ireo ampamoaka momba ny fampiasana tahiry nataon'ny Facebook sy Cambridge Analytica, izay ahitana ireo mpanao politika mifampiampanga amin'ny fikirakirana fitaovana mitovy amin'izany mba hanodikodinana ny fifidianana ao an-toerana.

Orinasan'ny teknolojia anankiroa no nanjakazaka tamin'ny lohatenim-baovao nandritra ny andro maromaro rehefa namoaka tamin'ny New York Times sy ny the Observer ilay mpiasan'ny Cambridge Analytica teo aloha lasa mpanao ampamoaka fa nampiasa tahirin'ny mpiserasera Facebook miisa teo amin'ny folo tapitrisa teo ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany iray ao amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK) — tahiry nalaina indrindra indrindra tamin'ny fanadihadiana olo-malaza – izay anisan'ny entin-dry zareo ho amin'ny fanentanam-pifidianana an'i Donald Trump. Manombatombana ankehitriny ny Facebook fa nihatra tamin'ny tahirin'ireo mpiserasera 87 tapitrisa farafahakeliny ny zava-nitranga.

Amin'izao fotoana izao, mifampiampanga ho mampiasa ny tolotry ny Cambridge Analytica ny antokon'ny fitondrana Bharatiya Janata (BJP) an'ny Praiminisitra Narenda Modi sy ny mpanohitra azy voalohany, ny antokon'ny Kongresim-pirenena Indiana no sady mandà ny fifandraisan'izy ireo amin'ilay orinasa.

Mpitarika ambony ao amin'ny BJP sady minisitry ny teknolojiam-baovao, Ravi Shankar Prasad:

Inona no ifandraisan'ny Cambridge Analytica amin'ny fitantanana ny media sosialin'i Rahul Gandhi sy ny Antokon'ny Kongresy? Hoy i @rsprasad manontany

Filohan'ny INC, Rahul Gandhi:

Orinasa miankina amin'ny BJP eo am-piasana:

Mpanao gazety natao hamoaka tantara goavana momba ny Cambridge Analytica (CA) nokaramaina mba hiditra an-tsokosoko sy hisotasota ny Kongresy tamin'ny taona 2012.

Noteren'ny BJP ny minisitry ny kabinetra mba handainga sy hamorona vaovao hosoka: Niara-niasa tamin'ny CA ny Kongresy!

Manjavona ny tantara tena izy

Araka ny filazan'ilay bilaogy politika sy teknolojia malaza Medianama, niara-niasa tamin'ny Facebook in-telo farafahakeliny ny Vaomieram-pifidianana ao India tamin'ny taona 2017 mba handrisika ny tanora handatsa-bato. Na dia nilaza aza ny lehiben'ny vaomieram-pifidianana O.P. Rawat fa hanohy hiara-hiasa amin'ny Facebook ao anatin'ny “fahamailoana”, dia nandinika indray amin'ny mety hisian'ny fampiasana diso izany ny Vaomiera.

Raha nanoritra ny fepetra sasantsasany hiadiana amin'ny “fitsikilovana” tahiry ao amin'ny lahatsoratra Facebook i Mark Zuckerberg, tsy resy lahatra ireo manam-pahaizana tahaka an'i Chinmayi Arun, Talen'ny Fikarohana ao amin'ny Foiben'ny Fifandraisan'ny Fitantanana ao New Delhi:

Manao zavatra mahafinaritra i Mark Zuckerberg taorian'ny nisehoan'ny olana. Tsy hanova na inona na inona ny fialan-tsiny. Raha tsy afaka mahatratra ny mety hisian'ny tahiry tafaporitsaka izy, dia tena manao tsirambina. Miala tsiny aho fa tsy miombon-kevitra (tsy hiasa amin'izay toe-javatra izay)

Ho setrin'ny fanamarihan'ny governemanta Indiana tamin'ny Facebook mikasika ny fivoahan'ny tahiry, nilaza ny orinasa fa olonat 335 no niditra tamin'ny fampiharana fanadihadiana olo-malaza ary niharan'izany ihany koa ireo olona 562.120 ao India izay naman'ireo olona ireo*.

Miori-paka ao India ny fiharian'ny Cambridge Analytica

Mampifandray ny asan'ny Cambridge Analytica (sy ny orinasa mpiray dia aminy ao amin'ny vondrona SCL) ao India amin'i Amrish Tyagi sy Avneesh Rai, izay mpiara-miasa amin'ny fihariana iombonana antsoina hoe Ovleno Business Intelligence, orinasa fanadihadiana lahatahiry ny Lahatsoratra fanadihadiana iray avy amin'ilay mpanao gazety Shivam Vij.

Nandritra ny antsafa iray, nilaza i Avneesh Rai, mpiara-manorina ny mitovy amin'ny Cambridge Analytica ao India fa nisoratra anarana ho amin'ny fitantanana fifidianana amin'ny alalan'ny fanomanana ny lahatahirin'ny mpifidy Indiana izy ireo ny SCL India. Nilaza tamin'ny NDTV ihany koa i Rai fa i Alexander Nix (mpiara-manorina nesorina tao amin'ny Vondrona SCL ) no namorona fanadihadiana fanontaniana nametraka ny Antoko Kongresy Nasionaly Indiana (INC) ho ao anaty fahasarotana, tao anatin'izay mety ho teti-dratsy haharesy azy noho ny nataon'ireo mpiantsehatra ara-politika hafa. Nilaza i Rai fa nirodana ny tetikasa rehefa hitan'ny rehetra ny fahadalàna. Voalaza fa nanaisotra ny sampam-pifidianana ao amin'ny vondrona SCL izay lasa Cambridge Analytica taty aoriana i Nix ary avy eo niara-niala an'i India ireo.

Nilaza fa niara-niasa tamin'ny BJP tamin'ny fifidianana tao amin'ny Antenimiera Bihar tamin'ny taona 2010 ny tranonkala Ovleno. Nanambara ny pejy LinkedIn an'ny iray tamin'ireo talen'ny OBI fa “nitantana fampielezan-kevi-pifidianana 4 tamim-pahombiazana ho an'ny Antokon'ny fitondrana Bharatiya Janata” izy.

Fiarovana ny fiainana an-takonana sy ny lahatahiry ao India

Tao anatin'ireo ampamoaka ireo, nanatontosa tranga manantantara amin'ny maha ara-dalàna ny programa fanamariham-panondroana biometrika mampiadihevitra ao India ny Fitsarana Tampony ary notendren'ny Minisiteran'ny Teknolojia Elektronika sy ny Teknolojiam-baovao ny Komitin'ny Mpitsara Sri Krishna hametraka tatitra momba ny fiarovana lahatahiry izay ilaina ho fototry ny lalàna fiarovana lahatahiry (rakitra) ao India.

Nilatsaka izany tamin'ny volana Aogositra 2017 rehefa niara-nanambara tsy nisy nitsipaka ireo mpitsara sivy momba ny lalàmpanorenana fa manana zo fototra amin'ny fiainana manokana (an-takonana) ny olom-pirenena Indiana ho setrin'ny filazan'ny governemanta ny mifanohitra amin'izany. Araka ny nomarihan'i Sunil Abraham manampahaizana momba ny politikan'aterineto, fa raha tonga ao india ny nataon'ny Cambridge Analytica tany Etazonia, dia tsy ho tsy ara-dalàna izany amin'ny lalàna ankehitriny ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.