Vaovao Diso Ezahan'ny Mpitsara Ao Brezila Sakanana Lasa Manome Fahefana Ho An'ny Facebook Hanao Sivana

Taorian'ny fahafatesany, Marielle Franco, mpikatroka no lohahevitra tamin'ny fandisoam-baovao antserasera tao Brezila. Sary: Daniel Arrhakis/Flickr, CC-BY-NC 2.0

Nanome baiko ho an'ny Facebook mba hamafa izay lahatsoratra rehetra ankehitriny manevateva ny “sary, voninahitra sy ny fiainana manokan'i” Marielle Franco mpanao politika maty nisy namono — sy ny lahatsoratra ho avy tahaka izany ny mpitsara Breziliana. Mety hiteraka ohatra mampidi-doza ho an'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena izany.

Maty nisy nitifitra teny an-dalana tanaty fiara ilay mpanolo-tsainan'ny tanàna Rio de Janeiro, Marielle Franco sy ny mpamiliny, Anderson Gomes ny alin'ny 14 Martsa. Mpitsikera ny herisetran'ny polisy ao an-toerana i Franco, 38 taona. Fotoana fohy taorian'ny famonoana azy, ankoatra ireo tsaho hafa tsy mitombina, nanomboka niparitaka tamin'ny aterineto ny tatitra diso milaza fa nanambady mpanjakan'ny rongony izy ary voafidy noho ny fanohanan'ny andian-jiolahy.

Samy nametraka fitoriana hanoherana ny Facebook sy Google ny vadin'i Marielle sy ny rahavaviny mba hamafàna ireo tantara mivoaka amin'ny voka-pikarohana sy ny media sosialy. Nanohana ireo fitoriana roa ireo ny fitsarana.

Nodidiana tsy hamafa fotsiny ireo lahatsoratra navoaka, izay hitan'ireo mpitory ny Facebook fa eo koa izay lahatsoratra ho avy rehetra ka manevateva ny “sary, voninahitra sy ny fiainana manokan'i Franco.

Raha tsy manaja izany ny orinasa, dia mety hiatrika sazy 500.000 reais Breziliana (150 000 dolara amerikana) ny Facebook ary koa fanakanana azy manerana ny firenena.

Nanambara ny Facebook Breziliana fa hamafa izay “votoaty manokana voarakitry ny fitsaràna”, ary tsy fantany izay ataony mikasika ireo lahatsoratra mety hivoaka aorian'ny didim-pitsarana. Tamin'ny fotoana nanoratana, mbola marobe ireo tantara diso na lainga momba an'i Franco avy amin'ny tranonkala ultra-partisan nivezivezy tao amin'ny Facebook.

Mandidy ny Facebook ihany koa ny didim-pitsarana mba hanome ny manampahefana ny anarana sy ny adiresy famantarana ireo mpisera izay mizara tatitra diso, na dia efa namafa ny lahatsoratra aza ireo mpiserasera ireo, mba ahafahan'ny fianakavian'i Marielle mitory azy ireo any amin'ny fitsarana.

Tsy mazava ny fomba hampiharana ny didim-pitsarana. Mety hanome fahefana hanivana ho an'ny tambajotra sosialy amin'ny alalan'ny fangatahana azy mba hanaramaso ny lahatsoratr'ireo mpiserasera no hiafaran'ny fandraràna manontolo ny votoaty manafintohina rehetra mikasika an'i Marielle Franco.

Mifanohitra amin'ny Marco Civil ao Brezila ihany koa izany, lalàna momba ny zon'ny aterineto noarahabaina teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena tamin'ny taona 2014.

Mitsapa ny fetran'ny Marco Civil

Tamin'ny fanapahan-keviny, niaiky ilay mpitsara ambaratonga ambony Jansen Novelle fa nihoatra ny fetra voalazan'ny Marco Civil ny didim-pitsarana, ary nanoratra izy fa “noho ny habetsahan'ny porofo, dia tsy hanaja ny fitsipika Marco Civil momba ny fanesorana votoaty” izany.

Eo ambanin'ny Marco Civil, azo tondroina ho tompon'andraikitra noho ny votoaty navoakan'ny olon-kafa – izany hoe ireo mpiserasera- ny tranonkala tahaka ny Facebook – raha toa ka tsy manaiky ny baikon'ny fitsarana amin'ny fanesorana votoaty izy ireo.

Saingy mba handraisana ity karazana baikom-pitsarana ity ho azo ekena sy azo atao, dia tsy maintsy mampiditra rohy mivantana manokana na adiresy URL misy ny votoaty voalaza ny fitsarana. Midika tokoa izany fa tsy ahitana famafana ireo endrika nalaina tahaka avy amin'ny votoaty voaràran'ny lalàna, na ireo lahatsoratra “ho avy” ny lalàna, araka ny voalaza ao amin'ny didim-pitsarana navoakan'ilay mpitsara, Novelle.

Ny volana febroary, nanamafy ny didim-pitsarana ny Fitsarana Ambony ao Brezila, manome baiko ny Google hamafa ireo horonantsary manafintohina izay nalaina tao amin'ny YouTube, mifototra amin'ny fetra apetraky ny Marco Civil.

Fialohavan-dalana mampidi-doza

Ho an'i Paulo Rená, mpikaroka ao amin'ny Ivotoerana Beta misahana ny Aterineto sy ny Demaokrasia ao Brasília, izay nanampy tamin'ny famolavolana ny Marco Civil, sarotra tanterahina ara-virtoaly ny didim-pitsarana amin'izao fotoana.

Niresaka tamin'ny Global Voices izy ary nilaza hoe: “Ny fomba azo antoka ho an'ny Facebook mba hampihatra izany fanapahan-kevitra izany dia ny manala ny votoaty rehetra misy anaran'i Marielle, ary izay no mampatahotra anay.”

Raha ny hevitr'i Rená, ny tanjon'ny Marco Civil dia tsy ny “hanadio ny aterineto” velively, fa ny hampamirapiratra ny zo sy adidy ho an'ny mpisera aterineto sy ny mpamatsy fampiharana sy ny tolotra.

“Na dia zava-dehibe aza ny mandray fepetra hiarovana ny fahatsiarovana an'i Marielle, dia tsy amin'ny fanesorana votoaty no hanatrarana izany”, hoy izy. Nanohy izy hoe: “Ny azo atao dia, aorian'ny famaritana hoe iza no namorona ny votoaty, afaka mitory azy ireo ny fianakaviany, fa tsy ny sehatra. Tsy afaka milaza isika hoe tsy misy anarana sy tsy hita ny olona namorona ity votoaty.”

Nanampy izy fa mety hiteraka ohatra ratsy ho an'ny fahalalaham-pitenenana ao Brezila ny fanapahan-kevitr'i Novelle, indrindra amin'izao fifidianana manantomotra amin'ny volana oktobra izao, izay hifidianan'ny firenena ny filoha, governoram-panjakana sy mpanao lalàna eo amin'ny ambaratonga federaly sy isam-piadidiampanjakana.

“Raha esorina ny hevitra rehetra manevateva ny endrika ofisialin'ny kandidà iray, dia mety hanana fifidianana tsy mifandanja indrindra amin'ny fotoana rehetra isika. Ho maha-menatra angamba raha i Marielle, mpiaro ny zon'olombelona no mpialoha lalana amin'izany.”

Nohavaozina ity lahatsoratra ity tamin'ny 10 avrily tamin'ny 8:30 hariva (ora Madagasikara). Ny voatra teo aloha amin'ity tantara ity dia nilaza fa sampan'ny Oniversiten'i Brasília ny Ivontoerana Beta misahana ny Aterineto sy ny Demaokrasia. Miorina ao an-tanànan'i Brasília fotsiny ilay Ivontoerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.