Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Marsa, 2017
Misaona an'i Lazarova, Mpihira Nentin-drazana, Izay Nanome Aingam-panahy Ho An'ny Mpikatroka ny Nanjò Azy, ny Makedoniana
Nanjary tantaran'ny fikatrohana nomeraka tao Makedonia i Vanja Lazarova, izay namoy ny ainy tamin'ny Alahady 12 Marsa tao Skopje teo amin'ny faha-86 taonany.
Kyrgyzistan, Fampahalalam-baovao Torian'ny Mpampanoa Lalàna ho Manevateva ny Filoha
Niampanga fampahalalam-baovao lehibe roa ho nanevateva ny filoha tamin'ny fanapariahana "vaovao diso" momba azy ny mpampanòa lalàna ambony ao Kyrgyzistan ary nilaza fa hangataka onitra any amin'ny tribonaly ny biraony.
‘Girls To The Front': Ny Fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy 2017 tao Aostralia
Nasongadin'ny Aostraliana na ny zava-bita na ny zava-tsy vita tamin'ny Andro Iraisampirenena hoan'ny Vehivavy taona 2017.
Ara-dalàna ny Fanalan-jaza Ao Orogoay, Saingy Nanome Rariny Ho An'ny Lehilahy Manakana Ny Fanalan-jaza Ataon'ny Vehivavy ny Didim-pitsarana
Fihemorana ara-moraly ho an'ny vehivavy izany, satria tsy mbola tompon'ny vatantsika manokana isika. Misy ny lalàna, saingy tsy ampiharina aminao izany [...]
Mikasa Tsy Hanome Sakafo Atoandro Ho An'ny Mpianatra Tsy Manana Karampanondro ny Governemantan'i India
Amin'ny fiandohan' ity fahavaratra ity, hanomboka hitaky amin'ireo ankizy mpianatra mahery ny 100 tapitrisa mba hampiseho ny laharana Aadhaar (karampanondron' izy ireo) ny governemanta Indiana vao mahazo mangataka ny sakafo atoandron'izy ireo.
Governemanta Ao Azerbaijana: Raharaham-Pianakaviana!
Notendren'ny Filoha Ilham Aliyev ho filoha lefitra ny vadiny. Ary mba inona no nomen'ny olon-tianao ho anao?
Nofonjaina Ny Bilaogera Iray Hafa Tao Azerbaijan
"Nanagadra 2 taona an'ilay mpanao tsikera manana fahasahiana miteny #MehmanHuseynov i Azerbaijan raha tokony hanadihady ny tranga fanamelohana fanararaotana azo tsapai-tànana. "
Mpikatroka Nohelohin'ny Fitsarana Maleziana Noho ny Fandefasana Horonantsary Fanadihadiana Miresaka Zon'Olombelona
"Tsy heloka ny fandefasana, fizarana, fijerena ary famokarana sarimihetsika."
Mpianatra Mpikatroka Indiana Iray Rahonana ho Faty noho ny Fanoherany ny Elatra Havanana
Ny fandrahonana herisetra, ny fanolanana ataon'ny jiolahimboto sy ny fanafihana ara-batana no vaovao misongadina ao India, rehefa nanatontosa fihetsiketsehana #StudentsAgainstABV (Mpianatra manohitra ny ABVP ilay mpianatra 20 taona avy ao amin'ny Kolejy Lady Shri Ram ao New Delhi.
Mpihira Indiana Amerikana Miozolomana Mamelona Indray ireo Hira Fanevan'ny Zo Sivily Fahiny
Mpihira monina ao Chicago i Zeshan Bagewadi, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Zeshan B, namelona hira fitakiana zo sivily nampahafantarin'ny rainy azy.