Marobe ny hetsika nokarakaraina manerana an'i Aostralia tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy 2017 mba hankalazana ny fandresena sy hanasongadinana ny tolona izay mbola mitohy.
Na dia talohan'ny 8 Martsa aza, nahazo tsikera avy amin'ny hafa noho ny drafitrany ny haino aman-jery goavana iray. Nanomana vehivavy mpanolotra fandaharana ho amin'io andro io ny haino aman-jerim-panjakana, Australian Broadcasting Corporation (ABC).
Fanampin'izany, nikendry ireo mpihaino eo amin'ny 18 hatramin'ny 25 taona ny Triple J, iray amin'ireo onjam-peo nomerikan'ny ABC, nandefa mozika nataon'ny vehivavy sy narindran'ny vehivavy mandritra ny IWD [na Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy].
Nitsikera ny ABC ho “manambony tena” ny gazety Daily Telegraph. Nanazava ny Pedestrian.tv hoe:
[Daily Telegraph] national political editor Sharri Markson has taken issue with the ABC's apparently “patronising” and “tokenistic” push to promote gender equality in the workplace by announcing its male presenters will take a backseat to female talent tomorrow, on International Women's Day.
[Daily Telegraph] Sharri Markson, tonian-dahatsoratra ara-politika nitsikera ny ABC ho “manambony tena” sy “te-hiavaka” mba hampiroborobo ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy eny amin'ny toeram-piasana tamin'ny alalan'ny filazana fa hisintaka kely ireo lehilahiny mpanolotra fandaharana mba hisehoan'ny vehivavy manatalenta rahampitso, Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy.
Mpisera Twitter Chris Mac nanome tsiny ny tompon'ny gazety:
At least one commercial radio station doing same thing. @dailytelegraph‘s drivel yesterday was part of @rupertmurdoch‘s anti ABC campaign. https://t.co/5niIvCi3lu
— Chris Mac (@ChrisMac1270) March 7, 2017
Fara fahakeliny, radio ara-barotra iray nanao tahaka izany ihany koa. Anisan'ny fanentanana anti-ABC karakarain'ny @rupertmurdoch‘ ny tsikeran'ny @dailytelegraph omaly.
#IWD2017 (Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy) #internationalwomensday (Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy) sy ny #girlstothefront (zatovovavy loha laharana) no nalaza tamin'ny Twitter. Anisan'ny tenirohy nalaza ihany koa ny lohahevitra 2017 #beboldforchange (Sahia manao fanovana).
Anisany amin'ireo olana noresahana tao amin'ny tenirohy ireo ahiahy mahazatra tahaka ny fanjakazakan-dehilahy, ny tsy fitovian'ny karama sy ny tsy fisian'ny vehivavy eo amin'ny asa fitantanana
For me #BeBoldForChange means calling out casual sexism and questioning entrenched practices that favour male dominated decision-making #IWD
— Rhiannon West (@West_Rhi) March 7, 2017
Ho ahy, ny #BeBoldForChange (Sahia manao Fanovana) dia midika fiantsoana ny fanjakazakan-dehilahy sy mihaika ny fanao miraiki-tapikasa izay manome tombony ho an'ny lehilahy hanjakazaka amin'ny fanapahan-kevitra #IWD
Yesterday's take on the Glass ceiling by @GlenLeLievre #IWD pic.twitter.com/3v2MAOygzZ
— Crikey.com.au (@crikey_news) March 8, 2017
Noresahana omaly ny valin-drihana vita amin'ny fitaratra avy amin'i @GlenLeLievre #IWD
Today we honour #internationalwomensday, from #equalpay to workplace safety. @unionsaustralia support women. @CFMEU @vanbadham #auspol pic.twitter.com/IhRCcawMMB
— The Delegate (@solotolo68) March 7, 2017
Manome voninahitra ny #internationalwomensday isika androany, avy amin'ny #equalpay (karama mitovy) ho amin'ny fiarovana ny toeram-piasana. Manohana ny vehivavy ny @unionsaustralia (Sendikan'i Aostralia).
Laharam-pahamehana amin'ny fandaharam-potoanan'i Aostralia ny herisetra ao an-tokantrano. Ny ‘Aoka Izay hoy izahay (We say no more)’ dia fanentanana mifantoka indrindra amin'ny filàn'ny mponin'ny Nosy Teratany sy ny Andilan-dranomasin'i Torres ao amin'ity faritra ity:
International Women's Day #IWD2017#BeBoldForChange & speak out against the silence of violence
#wesaynomore https://t.co/CzYzFEJcTV pic.twitter.com/1M3wlx3jle— wesaynomore (@wesay_nomore) March 7, 2017
Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy #IWD2017#BeBoldForChange & miloa-bava manohitra ny fahanginana [manoloana ny] herisetra
#wesaynomore (ampy izay hoy izahay)
Nazoto nanaparitaka izay vaovao tsara tao amin'ny media sosialy ny tontolon'ny fandraharahana:
#construction sector lobby group appoints first women CEO read more at @HerCanberra https://t.co/Df7ag21QGa
— Master Builders (@MBA_Aust) March 8, 2017
Nanendry vehivavy voalohany ho Tale Jeneraly ny vondrona lobby (mpandresy lahatra) eo amin'ny sehatry ny fananganana Tao-zava-baventy #construction, vakio bebe kokoa ao amin'ny @HerCanberra
To drive gender equality, we need bold ideas. That's why we're introducing our new recruitment initiative #IWD17 https://t.co/Zs70coMVTR
— Andrew Penn (@andy_penn) March 7, 2017
Mba hisian'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, mila hevitra sahisahy isika. Izany no mahatonga anay mampahafantatra ny fisantaranay andraikitra vaovao amin'ny fitadiavana mpiasa
Nalaza tao amin'ny Twitter ny zava-bitan'ny STEM (Siansa, Teknolojia, Injeniera, Matematika):
It's #internationalwomensday Big shout out to all #womeninstem changing the world! You are amazing! #BeBoldForChange pic.twitter.com/GVcyEf1iNW
— Li Kheng Chai (@MsLiChai) March 7, 2017
#internationalwomensday izao, Arahaba ho an'ireo vehivavy ao amin'ny STEM #womeninstem manova izao tontolo izao! Mahatalanjona ianareo! #BeBoldForChange
Wish #InternationalWomensDay was everyday! Love #GirlsToTheFront @triplej & #womeninSTEM posts making microscope work fun! #DressLikeAWoman pic.twitter.com/DM2weWajea
— Monique Smith (@MoniqueSmith01) March 7, 2017
Maniry mba ho isan'andro ny #InternationalWomensDay! Mankafy ny #GirlsToTheFront @triplej & ny asan'ny #womeninSTEM mampandeha tsara ny mikroskopy! #DressLikeAWoman pic.twitter.com/DM2weWajea
In 1887, these seven young women fought hard to be admitted into the Melbourne Medical School, 25 years after the course had begun #IWD2017 pic.twitter.com/0Tqah6X4pN
— UniMelb MDHS (@UniMelbMDHS) March 8, 2017
Tamin'ny taona 1887, niady mafy mba ho voaray ao amin'ny Sekolin'ny Fitsaboana Melbourne ireo tanora vehivavy fito, 25 taona taorian'ny nanombohan'ny fiofanana #IWD2017
Hoan'i Anne Summers feminista malaza iray, namoaka ny Women's Manifesto (Fanambaran'ny Vehivavy) ho an'ny IWD izy. Ireto avy ireo tanjony efatra ho an'ny fitovian-joan'ny lahy sy ny vavy amin'ny 2022:
- Karama mitovy ara-dalàna ho an'ny vehivavy rehetra amin'ny asa rehetra
- Ny tsy fanasaziana ny fanalan-jaza ao New South Wales sy Queensland
- Fitsarana misahana manokana ny herisetra an-tokantrano isaky ny fanjakan'i Aostralia
- Isa mitovy ho an'ny lahy sy vavy izay mandidy fa mandrafitra ny 50 isanjaton'ny parlemantera, ny kabinetra rehetra sy ny minisitera hafa ary ny talen'ny orinasam-panjakana sy ny biraom-panjakana ny vehivavy.
Nisy ny diabe nanerana ny firenena. Tao amin'ny famorian'olona tao Melbourne nahitana sora-baventy iray ‘nilaza azy tanteraka':
#IWD2017 march with the @PlanAustralia crew in Melbourne – sign says it all! pic.twitter.com/SvvEUrHyJY
— Susanne Legena (@susannelegena) March 8, 2017
Sora-baventy: “Ho an'ny tsy ny fanjakazakan-dehilahy”
Sioka: Diaben'ny Andro Iraisampirenena hoan'ny vehivavy taona 2017 miaraka amin'ny ekipan'i @PlanAustralia ao Melbourne
Farany, mpahay lalàna mpirotsaka an-tsitrapo nitondra ny tolona tao amin'ny Asylum Seeker Resource Centre [Foibem-panoroana ireo mpitady fialokalofana] ny takariva:
7.53pm on #IWD2017 & our brilliant @ASRC1 women lawyers going strong running Wednesday Night Human Rights Clinic to #KeepThemSafe. What ?? pic.twitter.com/ITaH5U4UyZ
— Kon Karapanagiotidis (@Kon__K) March 8, 2017
Amin'ny 7 ora sy 53 minitra harivan'ny Andro Iraisampirenena hoan'ny vehivavy taona 2017 ary tonga matanjaka nihazakazaka ny alin'ny alarobian'ny zon'olombelona nankany amin'ny toeram-pitsaboana ny vehivavy mpahay lalàna mamirapiratra avy ao amin'ny @ASRC1 mba tsy hahavoantohintohina azy ireo. Tena ??