Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Niteraka resabe ny fipoahana tao amin'ny ranomasina Caspienne

 

Pikantsary avy amin'ny horonantsary nozarain'ny Ministeran'ny Fahamehana https://youtu.be/UyztaBIJM6c

Nahasarika ny sain'izao tontolo izao ny fipoahana tamin'ny 4 Jolay tao amin'ny ranomasina Caspienne izay misy ny fitrandrahan'i Azerbaijan solika sy etona an-dranomasina. Raha nilaza ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny orinasan'akoranafom-panjakana (SOCAR) fa ny volkano fotaka tao ambany rano no nahatonga ny fipoahana, dia mbola adihevitra sy ao anaty fanadihadiana no antony nahatonga izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Fahita matetika any Azerbaijan ireo volkano fotaka. Araka ny nolazain'ny gazety The Guardian: “Tsy mbola fantatry ny mpahay siansa ny antony mampirehitra ny volkano fotaka, fa ny teôria azo inoana indrindra dia ny hoe mety hifampikasoka ireo vato voatosika hiakatra mandritra ny fipoahana, ka miteraka ny firehetan'ny etona.”

Nilaza i Mark Tingay, manam-pahaizana momba ny volkano fotaka sady mpampianatra mpiara-miasa ao amin'ny Oniversiten'i Adelaide ao Aostralia fa “mety mifandray amin'ny rafitra molanga  ny volkano fotaka toy ireo any Azerbaijan. Ary afaka mamoaka solika sy etona voajanahary izy ireo noho izany, ary fotaka ihany koa.”

Noho izany, voalohany, fonenan'ny volkano fotaka i Azerbaijan, ary manana an-jatony amin'izy ireo.

Mampiseho ny sarintany mampiseho ny volkano fotaka any Azerbaijan ao amin'ny Google Earth fa maro be tokoa volkano fotaka any an-dranomasina sy an-tanety.

Lahatsary vao maraina mampiseho volkano ao amin'ny nosy Dashly ao amin'ny Ranomasina Caspienne izay nipoaka omaly alina

Not everyone agrees with the cause of the explosion. According to Mirvari Gahramanli, the head of Azerbaijan's Oil Workers’ Rights Protection Committee, the explosion took place at an old exploration site near Umid [Hope] gas field and was caused as a result of poor patchwork when sealing off the exploration site. SOCAR denied these claims. The company spokesperson Ibrahim Ahmadov said the blast took place about 10 kilometers from the Umid gas field.

Tsy ny rehetra no miombon-kevitra amin'ny antony fipoahana. Nitranga tao amin'ny toerana fikarohana tranainy akaikin'ny fitrandrahana etona Umid [Fanantenana] ny fipoahana raha ny filazan'i Mirvari Gahramanli, lehiben'ny Komity Fiarovana ny zon'ny mpiasan'ny akoranafo ao Azerbaijan ary nitranga izany noho tsy fetezan'ny fitambatambaran'ny fitaovana samihafa rehefa nakatona ny toerana fitrandrahana. Nandà izany fanambarana izany ny SOCAR. Nilaza ny mpitondratenin'ny orinasa Ibrahim Ahmadov fa 10 kilometatra miala ny fitrandrahana etona Umid no nitrangan'ny fipoahana.

Tsy nohadinoina ny Elodranon'i Meksika fa nisy fipoahana goavana tao amin'ny Ranomasina Caspienne

Ny fitrandrahana an-dranomasina any Azerbaijan no tena loharanon'ny famokarana etona ao amin'ny firenena, izay aondrany any Eoropa avy eo. Nilaza tamin'ny mpanao gazety Bloomberg ny BP, izay mitrandraka amin'ny tetikasan'ny akoranafo voajanahary lehibe indrindra ao amin'ny firenena fa mitohy toy ny mahazatra ny asan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.