· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Novambra, 2012

Handrara ny Habaka Mamohafady i Ejipta

Nanambara [ar] i Ejipta androany fa horàrana ny fidirana amin'ny habaka mamohafady. Niadihevitra momba izany tao amin'ny Twitter ny mpiserasera, izay nanombana karazana sivana izay hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana – manokatra varavarana amin'izay ho fanararaotam-pahefana ataon'ny manam-pahefana sy ny fanampenam-bava ny feo ao amin'ny aterineto izany. Mpampianatra momba ny...

Firesahana ny Tafiotra Sandy Teny Anaty Tambajotra Sosialy

  03 Novambra 2012

Taorian'ny namelezany felaka ho an'i Karaiba, dia tonga tany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Etazonia ilay Tafiotra mahery vaika Sandy ny 29 Oktobra teo, nitondra oram-batravatra sy firotsahan-dranomandry tamin'izay nolalovany. Araka ny efa nampoizina, lasa lohahevitra noresahana betsaka tao amin'ny Twitter i Sandy.

Arabo Saodita: Fihetsem-po tamin'ny fipoahana nitranga tao Riyadh

Nitrangàna Fipoahana lehibe iray tany atsinanan'i Riyadh io maraina io, ka nahatonga resa-be teo amin'ny fitantaran'ny mpanao gazetin'ireo haino aman-jery lehibe sy nidera ny Twitter ho loharanom-baovao haingana. Raha ny tatitra am-boalohany dia nidona tamin'ny andrin-tetezana tao an-drenivohitra Saodiana ity fiarabe mpitondra solitany iray. Olona 10 fara-fahakeliny no maty ary 50 kosa no...

Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana

  01 Novambra 2012

Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana. Mbola izany antony izany koa no itokonan'ireo mpianatry ny Anjerimanontolon'i Toamasina ankehitriny.