Arabo Saodita: Fihetsem-po tamin'ny fipoahana nitranga tao Riyadh

Nitrangàna Fipoahana lehibe iray tany atsinanan'i Riyadh io maraina io, ka nahatonga resa-be teo amin'ny fitantaran'ny mpanao gazetin'ireo haino aman-jery lehibe sy nidera ny Twitter ho loharanom-baovao haingana.

Raha ny tatitra am-boalohany dia nidona tamin'ny andrin-tetezana tao an-drenivohitra Saodiana ity fiarabe mpitondra solitany iray. Olona 10 fara-fahakeliny no maty ary 50 kosa no naratra vokatry ny loza, ka nahatonga ny firodanan'ny tetezana sy orinasa maro rihana, izay saika rava tanteraka noho ny fipoahana. Ahitana horonantsary mampiseho ireo arina tavela tamin'ny fiara sy ny fahasimbana maro teo amin'ireo orinasa manodidina moa ao amin'ny takelam-pizarana horonantsary Youtube.

Mikasika ny tsy fahampian'ny vaovao ireo fitarainana tao amin'ny Twitter, tany am-boalohany:

Nanoratra izao ilay bilaogera Saodiana Yazeen Al Mogren hoe:

الإنفجار له أكثر من ساعة حتى الآن ولا اي موقع الكتروني جاب أي معلومة عنه (جريدة الرياض-الوطن-سبق)بس قناة العربية والخبر مغلوط

@Yzd8: Ora iray izay no nitrangan'ilay fipoahana ary hatramin'izao, tsy misy na iray aza habaka an-tserasera milaza izany (Gazety Al Riyadh, Al Watan, Sabaq). Al-Arabiya ihany no nandefa kanefa tsy marina ireo vaovao.

Ho setriny, nanao izay hitokisana ny Twitter i Bader Aujan tamin'ny famoahana vaovao mafana:

بعد ٣٠ دقيقة من أول تغريدة عن #انفجار_الرياض يظهر الخبر على قنوات الأخبار! شكراً تويتر

@bader_aujan: 30 minitra taorian'ny sioka voalohany mikasika ilay fipoahana Al Riyadh, nandeha tamin'ny filazam-baovao ihany izany ny farany. Misaotra ny Twitter!

Ary rehefa nanomboka nitantara ny zava-miseho kosa ireo gazety, nanaraka izany ihany koa ireo fifanjevona maro:

Nisioka i Ibrahim Al Qahtani:

من العربيةوعدم وجود وفيات..إلى رويترز وانفجار مبنى..مرورا بالمنار و تفجير متعمد..وصولا إلى القنوات السعودية اللي مكبره راسها

@brhom: Ny filazan'ny Al Arabiya sy ny tsy nisy ny maty ho an'ny Reuters , ary tany anaty orinasa ny fipoahana … Ho an'ny Al Manar sy ny fipoahana niniana natao araka ireo fantsom-baovao Saodiana, izay tsy nahalala ny tantara.

A body lying next to the Riyadh explosion site. Photograph shared by @hadialmnis on Twitter

Vatana mangatsiaka nivalampatra manakaiky ny toerana nisian'ny fipoahana tao Riyadh. Photograph shared by @hadialmnis on TwitterVatana mihinjitra tsy mihetsika ankilan'ny fipoahanan'ny Riyad. Saripika avy amin'ny @hadialmnis tao amin'ny Twitter

Nizara ireto saripika ireto i Hadi Al Mnis:

#إنفجار_الرياض #إنفجار_شرق_الرياض القناة الإخبارية تصرح بأنة لا حالات وفاة وعارضين هالصورة pic.twitter.com/nT5H70CA

@hadialmnis: Milaza i Al Ikbariya fa tsy nisy ny maty ary asehondry zareo ity sary ity

Ary hoy ilay Syriana 47th chimes hoe:

@THE_47th: lazain'ny Al Arabiya fa ” voafetra ny maty” tamin'izay nitranga tao Riyadh. Mifanohitra amin'inona izany? Mitohy ny trangam-pahafatesana?

Namehy ny tranga tao amin'ny fitantarana ity bilaogera Saodiana tranainy Ahmed Al Omran, amin'ny filazana fa:

@ahmed: Betsaka ireo olona tao amin'ny tosa-kevitro no miroanahana amin'ny fitantaran'ny Al Arabiya sy ny fahitalavitra saodiana tamin'ilay tranga fipoahana ho lozam-pifamoivoizana kamiao mpitondra gazy. Hita ho ratsy ny sary.

 

Tao amin'ny Youtube, dia nizara ity horonantsarina fipoahana ity i Hussain Dawood:

Naneho hevitra i Ahmed Al Omran hoe:

@ahmed: Toy ny iray amin'ny horonantsary voalohany manaraka ilay fipoahana tao Riyad izy ity. Nilaza ny loharanom-baovaon'ny fitondrana fa loza nateraky ny kamiao mpitondra solika izy io http://www.youtube.com/watch?v=zmAlmQgRFbQ

Ity horonantsary, avy amin'i Zaid Mohsen ity, kosa dia mampiseho ny halehiben'ny fahasimbana tamin'ny fipoahana:

Nizara horonantsary nandritra ny fipoahana hafa ihany koa i Amr Alamri, mampiseho ireo ampahany tamin'ny fahasimbana:

Namelona fihetseham-po maro teo amin'ny tontolo arabo ity fipoahana ity.

Manontany ny bilaogera Ejipsiana Marwa Rakha:

هي السعودية مالها اليومين دول؟ تفجيرات و ضحايا كل شوية!

@marwarakha: Fa misy inona ao Arabo Saodita amin'izao e? Lasa zava-pitranga ny fipoahana sy ireo iharam-boina.

A screenshot of a Blackberry message blaming Iran for this morning's Riyadh explosion

Pikantsary tao amin'ny Blackberry manameloka an'Iran tamin'ny fipoahana tao Riyadh maraina teo. Saripika nozarain'ny @Ysd8 tao amin'ny Twitter.

Ary i Yazeed Al Morgen kosa dia nizara pikantsary tamin'ny alalan'ny hafatra amin'ny Blackberry nivezivezy ity izay manameloka an'i Iran tamin'ny fipoahana nitranga:

Toy izao ny vakin'ilay hafatra :

Maika:

Nisy balafomanga nokleary nipoaka tao atsinanan'i Riyad. Ozonin'Andriamanitra anie ireo Shiita

Nandritra izany fotoana izany, dia nandrisika ny mpisera tambajotra sosialy i @DesertFlower26:

@DesertFlower26: Miangavy ry zareo, mihevera tsara ary aoka izay ny fanapariahana ny sarin'ireo niharan-doza! Tsy mendrika izany. Mampalahelo ny fianakaviany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.