Mandoto ny lazan'i Japana amin'ny fihazana trozona i Neo Zealandy, hoy ny haino aman-jerim-panjakana Japoney

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2014)

kochi-japan-whale-restaurant

Afisy ho an'ny nahandro trozona eo akaikin'ny Tsena Hirome, Kochi City, Japana. Avy amin'i Nevin Thompson

Miha-mafana ao amin'ny andrim-panjakana Japoney ny fanoheran'i Neo Zealandy ny fihazana trozona ao amin'ny Oseana Atsimo, ary maneho ny tsy fankasitrahany ao amin'ny aterineto manoloana ny valintenin'ny fitondrana ireo vahoaka japoney izay manaraka akaiky ny raharaha mahakasika izany.

Ny 19 septambra, nankatoavin'ny Vaomiera Iraisampirenena momba ny fizahana trozona (IWC amin'ny teny Anglisy) nandritra ny fivoriana tao Slovenia ny tolo-kevitr'i Neo Zealandy amin'ny fanamafisana ireo fitsipika “fihazana trozona ara-tsiantifika”. Nandany fanapahan-kevitra hanohana ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Iraisam-pirenena vao haingana ny IWC fa tsy ara-dalàna ny fihazana trozona ara-tsiantifika ataon'i Japana any Antarctika ka tsy tokony omena fahazoan-dalana fikarohana momba ny trozona intsony raha tsy misy porofo amin'ny filàna ara-tsiantifika.

Nilaza ny fikasany hanangana drafitra fikarohana vaovao i Japana ary hanohy hamono trozona amin'ny anaran'ny siansa. Noho ny tolo-kevitr'i Neo Zealandy, dia lasa sarotra ho an'i Japana ny ho tonga amin'ny programa siantifika azo ekena eo amin'ny vaomiera.

Noraràn'ny “International Whaling Commission” ny fihazana trozona amin'ny tanjona ara-barotra tamin'ny taona 1986. Na dia izany aza, nilaza hatrany ny tsikera ivelan'i Japana fa nampiasaina ho hafetsena mba hanohizana ny fihazana trozona ho amin'ny tanjona ara-barotra ny fiavahana amin'ny fizahana trozona ara-tsiantifika.

Toa nampahatezitra ny fahefana eo an-toerana ao Japana ny fanentanana mahomby nataon'i Neo Zealandy mba hahatonga ny “fihazana trozona ara-tsiantifika” ho sarotra tanterahana. Mpisera Twitter, @unorthodox_TW nandefa sary nalaina tamin'ny fanadihadiana tamin'ny fandaharan'ny News Watch 9 tao amin'ny NHK mikasika ny fanapahan-kevitry ny IWC tamin'ny herinandro lasa.

Hoy ny sarin'ny News Watch 9 milaza: “Ny tena tanjon'i Neo Zealandy: manimba ny laza iraisam-pirenena Japoney.”

Mahagaga fa tsy nisy na iza na iza tao amin'ny NHK nihevitra ny hampiato izany tsy hivoaka voalohany amin'ny fahitalavitra.

Ny fanadihadihan'ny New Watch 9 dia natao taorian'ny fanentanan'ny governemanta izay mikendry ny hiantohana ny NHK, izay fampielezam-peom-panjakana tsy mitanila tany am-boalohany, ary ankehitriny lasa mampiroborobo ny fomba fijerin'ny fanjakana amin'ny resaka ara-politika.

Niditra  Twitter i Corey Wallace, Neo-Zealandey iray mpaneho hevitra malaza  amin'ny raharaha ara-piarovana aziatika avaratra atsinanana, izay niresaka momba an'i Shina, Japana ary Azia Atsinanana tao amin'ny Oniversiten'i Auckland mba hiantso ny fanadihadian'ny NHK ho ” fanahin-jaza tanteraka sy fanahy iniana tsy ho azo itokisana.”

Hatramin'izao, dia efa niverimberina in-400 mahery ny sioka nalefan'i Wallace.

NHK: “Ny tena tanjon'ny NZ: mba hanimba ny endrika iraisam-pirenen'i Japana”,fanahin-jaza tanteraka sy fanahy iniana tsy ho azo itokisana. Mampalahelo.

Tao amin'ny Togettor, mpanangom-botoaty Twitter izao samonta izao tamin'ny voalohany, izay nanamarika hoe:

 NHK、ニュージーランドにケンカを売る

スロベニアで開かれているIWC(国際捕鯨委員会)総会を取り上げた、9/17のNHK「ニュースウォッチ9」の特集の中で、度肝を抜く解説が。

視聴者の目に飛び込んできたのは、画面いっぱいにデカデカと書かれた「ニュージーランド真のねらい 日本の国際的イメージ悪化」のキャプション──。

いつも噛み付かれてる近隣諸国の人たちも、「ああ、自分たちだけじゃないんだなあ・・」と思ったかも。

Mihantsy an'i Neo Zealandy ny NHK

Hahatonga ny olona ho sanganehana ny firesahan'ny News Watch 9 momba ny fanapahan-kevitry ny IWC tamin'ny 17 septambra 2012  tao Slovenia… Mety hilaza amin'ny tenany ireo irenena mpiray sisintany amin'i Japana any avaratra atsinanan'i Azia, izay efa zatra ny tsikeran'ny haino aman-jery Japoney hoe, “Ay, tsy irery kay isika”.

Toa mihevitra ny sasany amin'ireo Japoney mpisera Twitter fa tafahoatra ny fanehoan-kevitry ny andrim-panjakana Japoney manoloana ny fahombiazan'ny tolo-kevitra IWC an'i Neo Zealandy ary manontany momba ny tena tanjon'ny fandaharan'asan'i Japana amin'ny “fihazana trozona ara-tsiantifika” ao amin'ny ranomasimbe Atsimo sy ao Antarctika:

Tsy mino aho fa hisy olona hifantoka any Neo Zealandy. Fantatry ny rehetra fa rehefa resaka fihazana trozona, dia mety ho tsy hary saina loatra i Japana.

Ny hafa kosa nanipika fa sarotra inoana ny filazan'ny governemanta japoney hoe “ho an'ny tanjona ara-tsiantifika ny fihazana trozona”:

Na dia lazaina ho ‘fihazana trozona ara-tsiantifika’ aza, dia tsy izany no tena antony, mihaza trozona i Japana satria te hihinana izany ianareo? Fa maninona moa raha miresaka momba azy io? “, hoy ny fiarahamonina iraisam-pirenena. Raha nanohitra imbetsaka teo anoloan'ny fitsarana iraisam-pirenena i Japana fa mikatsaka fandaharanasa momba ny fihazana trozona ara-tsiantifika, ny zava-misy dia manolotra henan-trozona misy carry ho an'ireo mpanao politika ao amin'ny firenena ny kafetarian'ny Diet [antenimiera japoney].

Ho an'ireo izay maniry ny hanaraka ny lohahevitra fihazana trozona, anisan'izany ny fiantraikan'ny latsa-baton'ny IWC farany,  toerana tsara hanombohana ny Bilaogy Kujira Clipping (Japoney).

Tsy ho voavaha vetivety ny olana momba ny fihazana trozona. Raha mbola manohy ny ezaka ataony hikiry amin'ny fandaharan'asany fihazana trozona ara-tsiantifika i Japana, dia hahasarika ny sain'ny fivoriana lehibe indrindra manerantany momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ny trozona:

Hamiratra eo amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana alohan'ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo biby tandindomin-doza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.