Syria: Mitohy Ny Famoretana Na Eo Aza Ny Antso Iraisam-pirenena

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Syria 2011.

Mitohy ny hetsi-panoherana manerana an'i Syria, ary tsy mampiseho fihetsika hilefitra ho fampiatoana ny herisetram-pamoretana ataony mihitsy ny fitondràna Siriana na eo aza ireo antso avy amin'izao tontolo izao.

Ao amin'ny  Twitter, manohy manaraka hatrany sy maneho hevitra ireo mponin'ny aterineto momba ny fivoaran-draharaha eny ifotony. I Dima Khatib manoratra hoe:

Mandositra ny tranony ny vahoaka alohan'ny hahatongavan'ny tafiky ny FIRENENY IHANY ao amin'ny tananan-dry zareo —- izao ao Syria ihany. Tena mampahonena ! #syria #mar15

Anatinà bitsika iray hafa no anesoany ny Ligy Arabo, fikambanana iray ara-politika misy filoha 22 avy amin'ny firenena Arabo, izay vao avy namoaka ny fanambaràny voalohany mikasika an'i Syria hatramin'ny nisian'ny fampiasana herisetra tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny volana Martsa lasa teo. Khatib mibitsika hoe:

Namelona ny vata fahitalaviny ihany ny Ligy Arabo nony farany mba hijery ny vaovao ! #Syria 3 volana monja, mpitsoa-ponenana 10000  & maty maherin'ny 1000++  ! #mar15

Fitaoavana sarobidy hanovozana vaovao azo antoka avy any Syria  ny bitsika avy amin'ireo mpanolotra amin'ny fahitalavitra sy iraka manokana any ivelany.

Cal Perry, iraky ny Al Jazeera, miteny amintsika hoe:

Tsy misy toerana intsony any amin'ny fonjan'ny governemanta Siriana, ka dia mampiasa ireo toerana fanaovana fanatanjahantena tafo lanitra sy sekoly amin'izao fotoana. #Syria

Iraka hafa avy amin'ny Al Jazeera, Alan Fisher no manazava:

voalaza fa manitatra ny asany any amin'ny faritra avaratr'i Syria ny tafika mitam-piadiana ao #Syria mba hampanginana ireo hetsi-panoherana ny governemanta

Mandritra izany, any Ejipta i Nasry Esmat dia manontany tena hoe mba aiza ho aiza ny filoha Siriana  Bashar Al Assad:

Diary avy any  #Syria: Mba aiza i Assad? http://bit.ly/mHlsqr Tena mba aiza tokoa zalahy iny: miverina mandalina, mihataka kely, sa tena efa namoy ny fitondràna?

Ary i Revolution Syria dia mizara lahatsary iray mampiseho mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny fisintahan'ireo fiara mifono vy niala tao Homs.

Mitondra fanamarihana ilay mpampiasa Twitter:

Inona no hitranga ao #Homs rehefa mandao ny tanàna ireo fiara mifono vy?  Fetibem-panoherana ! #Syria http://fb.me/PhMFRZUD

Mbola mizara lahatsary hafa mikasika hetsi-panoherana iray koa, avy amin'iny alina lasa iny, ilay mpampiasa Twitter, ary mbola tao Homs ihany koa:

Ao anatin'ity lahatsary ity, ireo mpanao hetsi-panoherana dia hita mitehaka sy mihira ny hiram-pirenena.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.