Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge.

Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa :

بكاء .. وألم .. وعجز .. وحسرة .. ودموع .. فى عيون شباب مصر والمدونين أثناء زيارة ضحايا المجزرة الوحشية فى غزة

المدونون أتو من كل مكان وبمختلف التيارات والإنتماءات إلى مستشفى الهلال الأحمر ثم توجهنا إلى مستشفى معهد ناصر

العدد الذى أتى اليوم الحمد لله عدد ضخم وأيضاً إلتقينا فى معهد ناصر بمجموعة كبيرة من “أبناء مصر” و “ومجلة بحلقة” و “شباب الفيس بوك” و “جمعية مصر للثقافة والحوار”

ضحايا المجزرة الوحشية رحبوا جداً بالزيارة وكانوا سعداء لأقصى درجة .. مع العلم بإن كثير منهم رفض المساعدات المادية .. وإنهاروا فى البكاء بمجرد رؤيتنا
حكايات مأساوية تنتزع الدموع من العيون وتنخلع لها القلوب يحكيها ضحايا المجزرة الوحشية فى غزة .. جميعهم لا يعرفون شيئاً عن أبنائهم وأمهاتهم وزوجاتهم وأسرهم .. الكهرباء مقطوعة فى غزة .. صواريخ وقذائف إجرامية وحشية تأتى فى أى لحظة بدون إنذار .. فتقتل من تقتل .. وتصيب من تصيب

سجلت فيديو مع إثنين من الضحايا وسمحوا لى بالتسجيل والنشر .. وسيدة إنهارت بكاءاً حزناً على أبنائها المفقودين .. ثم رجل شبه سليم جسدياً كان يصلى فى غرفتة لفترة طويلة ونحن فى إنتظاره ثم علمنا أن هذا الرجل قد فقد إبنه ليلة أمس

نعم

قد إستشهد إبنه بين يدية فى معهد ناصر

بعد أن انهى صلاته دخلنا له

لم يتحدث .. فقط سلم علينا فى حرارة خرساء

ونظرة متجمدة فى عينيه

بكينا جميعاً

وشعرنا بالعجز

والمرارة

صور الزيارة

فيديو الزيارة

ندعوكم جميعاً لزيارة جرحى وضحايا المجزرة الوحشية فى مستشفيات

الهلال الأحمر – رمسيس

مستشفى معهد ناصر – المظلات

مستشفى فلسطين – مصر الجديدة

Ranomaso, hirifiry, firaviraviana tànana sy fitsérana no nisoritra teny amin'ny endrik'ireo tanora Ejyptiana sy mpitoraka blaogy nandritra ny fitsidihana nataon'izy ireo tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge ho fanehoana fanohanana sy fitondrana teny fampiononana ho an'ireo tra-pahavoazana noho ity vonomoka israeliana ity. Tsy nijerena firehana potilika, na finoana ara-pivavahana fa dia nirohotra daholo izahay nankany amin'ny Nasser Institute, toerana nihaonanay tamin'ireo tanora maro be tokoa avy amin'ny “Zanakalahin'i Ejypta”, “ny Gazetiboky Ba7l2a”, “Ny tanora Facebook”, ary ny “Fikambanana Ejyptiana ho an'ny Kolontsaina sy ny Fifanakalozan-kevitra”.

Nandray tsara anay ireo trà-pahavoazana ireo ary tena faly tokoa nahita anay. Na dia maro tamin'izy ireo aza no nandà ny fanampiana ara-bola, vantany vao nifanojo ny fijerinay dia toran-tomany izy ireo. Nolazain'izy ireo anay ny tantara mampihoron-koditra niainany sy ny fomba nahatapahan'ny fifandraisan'izy ireo tamin'ny fianakaviany, ny reniny, ny zanany, ny vadiny, ary na i Gaza aza dia tsy afaka koa mifandray amin'ny any ivelany. Tsy misy indrafo fa amin'ny fotoana rehetra ny fanafihana, midoboka mamono sy mandratra an-jambany ny rokety [roquettes] sy ny baomba.

Nandray feo olona roa tamin'ireo naratra aho, izay nanaiky ny hanadihadiako azy. Vehivavy iray no tsy nahafehy intsony ny tenany raha nitantara ny namoizany ireo zanany. Lehilahy iray indray izay raha jerena ivelany dia toa tsy maninona no niondrika nivavaka nandritry ny fotoana naharitra tao amina efitrano iray nifanila teo.  – fotoana fohy taorian'izay no nahalalànay fa namoy ny zanany lahy teo amin'ity tobim-pitsaboana ity izy ny omalin'io. Rehefa nitsahatra izy, niara-namindra teny izahay ary tsy nisoka-bava mihitsy izy; tamin'ny hafanàn'ny fangirifiriana tsy miloaka no nentiny kosa niarahaba sy nandray anay, ny fijeriny very lavitra any. Nigogogogo nitomany daholo izahay. Tsapanay ny ngidin'ny tsy fahafahana manoatra.

Sary nandritra ny fitsidihana

Resadresaka tamin'ireo tra-pahavoazana

Miangavy anareo izahay mba hitsidika ireo trà-pahavoazana ireo any amin'ireto tobim-pitsaboana ireto:

Tobim-pitsaboana Croissant Rouge – Ramsis Square

Nasser Institute – Mazalat

Any Palestina – Heliopolis

nandefa sary betsaka i Mohamed Hamdy sady milaza fa:

كمان لاحظت من كلامى مع المصابين أن ملهمش اى انتماء سياسى … لا حماس ولا فتح ولا الجهاد ولا العفريت الازرق .. كلهم ناس عاوزه تعيش فى سلام وتشتغل وتكسب رزقها وتربى عيالها زى اى حد .. لاقو فجاه الصواريخ فوق دماغهم بدون اى مبرر .
Nomarihako koa nandritra ny resadresaka nataoko tamin'ireo trà-pahavoazana fa tsy mànana firehana politika velively ry zareo; tsy mpanohana ny Hamas na ny Fatah na vondrona hafa toy izany. Olon-tsotra daholo ry zareo ary te-hiaina am-pilaminana, hiasa, hanangona, ary hanondrotra ireo taranany. Ho solon'izany anefa dia voadaroka baomba tsy amin'antony ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.