
Fonon'ny boky “Fifandraisana anaty fahamehana: Taridalana vetivety ho an'ny onjam-peon'ny vondrom-piarahamonina”, zon'ny mpamorona: CC BY-NC-SA.
Taorian'ny horohorontany mahery vaika namely an'i Meksika tamin'ny volana septambra 2017, nahita ny fikambanana Redes por la Diversidad, Equidad y Sustentabilidad A.C. (REDES A.C) fa ilaina ny manampy ny vondrom-piarahamonina sy ny fampahalalam-baovao tompotany mba hanomanana tsara sy hanomezana vaovao sy tolotra mandritra ny vonjitatitra. Vokatr'izany, namoaka loharanon-kevitra “Fifandraisana anaty fahamehana: Taridalana vetivety ho an'ny onjam-peon'ny vondrom-piarahamonina” izy ireo. Nosoratan'i Erick Huerta Velázquez, Blanca Haidé Cruz Cárcamo sy María Alvarez Malvido miaraka amin'ny fanoharana nataon'i Natalia Ramírez ny taridalana.
Hahafantarana bebe kokoa momba ny fanolorana ampahibemaso ny taridalana, vakio azafady ity lahatsoratra'i Daniela Parra ity izay navoaka tao amin'ny tranonkalan'ny #ComunicarEs. Azo trohana ato ny PDF-n'ny taridalana amin'ny teny espaniôla izay azo alaina araka ny lisansa Creative Commons BY-NC-SA.