Nibilaogy hatry ny fahakeliny: mampihena ny hantsana nomerika ao Orogoay

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)
ceibal

Mandalo dingana ara-tantara i Orogoay. Amin'ny taona 2009, hanana solosaina finday azy ireo manokana (OLPC) omen'ny fanjakana ny ankizy sy ny mpampianatra rehetra eny amin'ny sekoly ambaratonga voalohany sy sekolim-panjakana ao amin'ny firenena. Nankatòa didim-panjakana mametraka ny Tetikasa Ceibal ny filoha Tabare Vasquez. Nomena ny anarana voninkazon'i Ceibo heverina ho toy ny voninkazo nasionalin'i Orogoay ny tetikasa.

Tsy manome fitaovana sy fidirana amin'ny foibe fanabeazana ihany no tanjon'ny tetikasa fa miantoka ny fampiasana azy ireo, ny fampiofanana ny mpampianatra, ny fampivoarana ny votoaty ary ny fampiroboroboana azy ireo eo amin'ny fiarahamonina. Ireto misy fanazavana bebe kokoa momba ity ezaka lehibe ity. Niteraka fanamby ho an'ny sehatry ny fampianarana koa izany. Niara-namoaka lahatsoratra momba ny fiantraikan'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana eo amin'ny fampiofanana mpampianatra ny profesora Fernando da Rosa mba hiresahana ireo olana ireo.

Mila ampianarina ny fomba fampiasana ireo fitaovana ireo ny ankizy mba haneho ny hevitr'izy ireo amin'ny fomba mafy kokoa noho ny teo aloha ka hampiseho ny kolontsainy, ny fomba fisainany ary ny tena zava-misy. Miaraka amin'ny vatsy ara-bola fanampian'ny Rising Voices, hikarakara andiana atrikasa ny Drafitra Pablo Flores of Ceibal ary hanangona bilaogera nasionaly sy iraisam-pirenena miaraka amin'ireo mpianatra sy ny solosaina mba hampianatra azy ireo ny fomba fananganana bilaogy sy hahay haka tombony amin'ny fampiasana ireo fitaovana hafa ara-tsosialy.

Ny 27 Jona, namoaka ny boky “Ceibal eo amin'ny fiarahamonina tamin'ny taonjato faha-21″ ny Ceibal Plan – Tondro ho an'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra (amin'ny teny Espaniola) izay natonta tamin'ny fanohanan'ny UNESCO. Dikan-tsoratra sasany tamin'ny fampahafantarana azy izay navoaka tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa amin'ny teny anglisy:

CEIBAL Plan is a great bet of Uruguay for equity, democratization of knowledge and improving education…. Children are receiving owned computers for use at school, and also in their homes, opening the possibility that its use gets shared within the family. In turn, through a huge technical effort that takes the country at the forefront in terms of connectivity, the CEIBAL Plan is carrying out internet access not only to schools but also households. This will offer to the entire community a new opportunity to learn basic computing, accessing information of interest, and engage in exchanges with other actors and agencies of society.

Ny Drafitra CEIBAL dia fanamby lehibe ao Orogoay amin'ny fahamarinana, fanapariahana ny fahalalàna sy fanatsarana ny fanabeazana. Mahazo solosaina manokana ny ankizy mba hampiasaina any am-pianarana, sy any an-tranony, manokatra ny fahafahana mizara ny fampiasana azy ao amin'ny fianakaviana. Noho izany, amin'ny alàlan'ny ezaka ara-teknika goavana manosika ny firenena ho lohalaharana eo amin'ny resaka fiseraserana, ny Drafitra CEIBAL no manatanteraka ny fidirana amin'ny aterineto tsy eny an-tsekoly ihany fa ho an'ny fianakaviana ihany koa. Hanome varavarana vaovao misokatra ho an'ny fiarahamonina iray manontolo izany mba hianarana solosaina, mahazo vaovao izay mahaliana azy ireo, ary miditra amin'ny fifanakalozana miaraka amin'ny mpiantsehatra hafa sy ny sampam-piarahamonina.

Azonao atao ny mitroka ny boky ao amin'ny aterineto amin'ny teny Espaniola ato (endrika pdf) – Ho avy tsy ho ela ny dikan-teny Anglisy. Azonao atao ny miditra amin'ny antsipirian'ny boky ato..


German sy Micaela mandefa ny sarin'izy ireo ao amin'ny bilaogy kilasy taona faha-3 mampiasa XO

Nanao fanandramana tamin'ny bilaogy ny mpampianatra sy ny mpianatra ao amin'ny sekoly Laharana. 24 ao amin'ny Villa Cardal ao amin'ny Departemantan'i Florida ao Orogoay. Nandefa vazivazy vitsivitsy ny Blog experimental de la escuela Nº24 de Villa Cardal (bilaogy fanandraman'ny kilasy taona faha-efatra ao amin'ny Sekoly Laharana faha-24 Villa Cardal). Ity ny bilaogin'ny kilasy taona fahadimy izay mizara sary sy tantara mahaliana momba ireo biby ao amin'ny toeram-pambolena. Ny bilaogin'ny kilasy fahenina kosa namoaka tantara sy momba ireo mpitety firenena.

Avy amin'ny bilaogy Ceibal Florida:

Agustin Gallo and Cristian Fleitas are two students who attend the School No. 116 “Republic of Argentina” in Florida. They, after experimenting with all the resources provided to us by XO, felt they were “boring”. Thanks to the premium Cristian discovered the Scratch (a program for XO) and since then not abandoned it. (machine translation)

Mpianatra roa ao amin'ny Sekoly Faha-116 “Repoblikan'i Arzantina” any Florida i Agustin Gallo sy Cristian Fleitas. Rehefa avy nanandrana ny fitaovana rehetra nomen'ny XO anay, dia nahatsapa fa “nankaleo” izy ireo. Noho ny “premium”, nahita ny Scratch  (programa ho an'ny XO) i Cristian ary tsy nandao azy intsony nanomboka hatreo. (dikantenin'ny milina)

Amin'ny volana ho avy, mikasa hikarakara atrikasa fampiofanana momba ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra ho an'ireo ankizy sy ny lanonana farany hanomezana loka ny tetikasa Drafitra Ceibal. Hotontosaina any amin'ny foibe roa any amin'ny faritra ny atrikasa, izay ho atao any Florida sy Paysandu amin'ny voalohany. Hanome vaovao bebe kokoa momba ireo atrikasa ireo ho anao izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.