Fifaninanana: Ampio Izahay Amin'ny Fanovàna Ny Anaran'ny “Roundup”

“Fifaninanana ho fanomezana anarana ny Gazety Rising Voices”

Mety efa nanamarika ianareo tao anatin'izay volana maromaro nodiavina izay fa efa nanomboka namoaka indroa isan-kerinandro ireo lahatsoratra mamintina ireo loharano hita tao amin'ny aterineto ary ireo tantara nosoratanay izahay. Nantsoinay hoe “Rising Voices Roundup” , na “Tsipalotry ny Rising Voices” izany, ary manantena izahay fa nanampy betsaka anareo izany.

Rehefa vita izany fanandramana nataonay izany (izay nahafapo anay) – dia mila anarana izahay ho an'ity gazety ity izay tokony hanome lanja ny Rising Voices (Feo Misonga) sy ny fahaizana mamorona ananan'ny vondrom-piarahamoninay! Anarana mahafinaritra sy mahasarika kokoa ny maso no tadiavinay.

Raha sainina ny fifantohanay amin'ny fanohanana ny vondrom-piarahamonina, ireo tetikasa tantaninà fikambanana, dia mila ny fanampian'ny tsirairay izahay amin'ny fitadiavana anarana vaovao.

Araka izany dia tsy hoe fotsiny mikaroka hevitra miainga avy eny ifotony izahay, mampanao ity izahay ho toy ny fifaninana ahazoana loka goavana!

Momba ny fifaninana:

Mitady anarana manome lanja ny asa izay ataonay ato amin'ny “Rising Voices”. Tokony ho fohy (teny iray na roa), miavaka, sy mahafinaritra!

Soraty eto ny sosokevitra anarana avy aminao sy ny hevitrao alohan'ny 30 Septambra azafady:

Tsindrio eto raha Hametraka ny hevitra ianao

Mba ho isan'izay voatazona mety hahazo ny loka, dia tsy maintsy misoratra anarana ato amin'ny tranonkala ianao mba ho voarakitra ny safidinao. Tsy voafetra ny soso-kevitra azonao omena! Raha toa ka misy soso-kevitr'olona roa mitovy, dia izay voaray voalohany no horaisinay. Afaka mifidy sy maneho hevitra momba ny soso-kevitry ny hafa ihany koa ianao (hatramin'ny soso-kevitra folo araka izay itiavanao azy).

Loka:

Hisy komity kely avy amin'ny mpitantana ny “Rising Voices” sy ireo mpiara-miasa no hifidy izay mendrika amin'ireo soso-kevitra maro nomenareo.

Ny mpandresy dia hahazo fonosana boky roa samihafa avy amin'ireo mpiara-manorina ny “Global Voices”:

Ary ireo mpandray anjara dimy voasarika dia hahazo peta-drindrina “Global Voices” (tsarovy, mba ahafahanay mifandray amin'ilay mpandresy dia tsy maintsy misoratra anarana ato amin'ny tranonkala ianao).

Mirary soa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.