Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

[Horonantsary] Tafatafa iarahana amin'i Olzod Boum-Yalagch avy ao amin'ny Nomad Green

Olzod Boum-Yalagch dia mpanolo-tsaina ofisialin'ny Nomad Green, ilay tetikasa Mongoliana momba fanaovan-gazetin'olon-tsotra, miorina any an-drenivohitra  Ulaanbaatar. Ao amin'io horonantsary io, miresaka i Mr. Boum momba ny fanampian'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra amin'ny fampahatsiarovan-tena ny olona, ary mazava ho azy hitondra any amin'ny vahaolana ho an'ny fahasimbàn'ny tontolo iainana any amin'ny firenena. Tamin'ny roa taona lasa teo, nanoratra momba ny ampahany amin'ireo olana goavana amin'ny sehatra rehetra ireo ekipana olon-tsotra mpanao gazety isan-karazany, na any amin'ny faharitràn'ny renirano izany hatramin'ny asa saina any an-toerana noho ny fahamaroana tafahoatra ny valam-bilona ho an'ny ondry.

Mongolia dia firenena malaza amin'ireo tsy manam-ponenana ao aminy izay nitety tany nandritra ny arivo taona maro. Manantena Atoa Boum fa indray andro ireny fianakaviana ireny dia ho afaka handray anjara koa amin'ny fifanakalozam-baovao izay ahafahany miresaka momba ny fombam-piainany nentin-drazana sy ny fahasahiranana maro atrehany, indrindra ireo ateraky ny fahasimbàn'ny tontolo iainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.