Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Aogositra, 2018
Namily lalana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna zotran'ny fampiasa Telegram ny orinasam-pifandraisandavitra ao Iran
Tao anatin'ny hetsika vaovao ikendrena hanerena ny fandraràna avy amin'ny fanjakana ny fampiasa fampitan-kafatra Telegram, dia nanodina vonjimaika ny zotran'ny fampiasa Telegram ny Orinasam-pifandraisandavitra ao Iran (TCI) tamin'ny 30 jolay, ary fanitsakitsahana mivantana ny lalàna ao an-toerana izany.
Shahidul Alam, mpaka sary fanao an-gazety Bangladeshita nohazonina noho ny fitantarana ny fihetsiketsehan'ny mpianatra
"...Androany aho teny an-dalambe nahita olona nitondra antsilava mihaza ireo mpianatra tsy mitondra fitaovam-piadiana. Ary mijery fotsiny eo akaiky eo ny polisy."
Mihantsy ny governemantan'izy ireo noho ny fandaharan'asa fanarahamaso ny orinasam-pifandraisandavitra ghaneana
Nilaza ireo mpitory fa hanao fanarahamaso bebe kokoa ny rafitra fa tsy ny fidiram-bola ihany, ary nampitandrina fa hahafahan'ny governemanta mora foana hitsikilo hafatra sy antso izany.
Maneho fitomboan'ny fandrahonana mpanao gazety ao Okraina ny fanafihana nataon'ny mpiambina ny kaominina
Nanafika vondrona mpanao gazety tamin'ny etona mandatsa-dranomaso sy kibay fingotra ireo mpiambina ny tanàna ao Odessa.
Rosiana mpanao gazety maty nisy namono tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany
Rosiana mpanao gazety miisa telo no maty nandritra ny alin'ny 30 jolay tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany, teo amin'ny toeram-pisavana iray ivelan'i Bangui renivohitra.