Shahidul Alam, mpaka sary fanao an-gazety Bangladeshita nohazonina noho ny fitantarana ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

Sary avy amin'ny pejy Facebook an'ny DRIK.

Nalain'olona maromaro manao fanamiana sivily an-keriny avy ao an-tranony ao Dhanmondi, Dhaka tamin'ny alimben'ny 5 aogositra 2018 ny , Dr. Shahidul Alam Bangladeshita mpaka sary sady mpikatroka.

Mpanorina ny Drik Picture Library [Tranombokintsary Drik] sy ny Pathshala Ivontoeran'ny Media Aziatika Atsimo i Alam ary tsy mpanao gazety mena-miteny amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny fampanjakana ny lalàna sy ny tombontsoam-bahoaka.

Nohamafisina avy eo fa ny sampam-pitsikilovana ao amin'ny polisy no nisambotra an'i Shahidul avy tao amin'ny fonenany, kasaina hofotipotorina amin'ireo takelaka Facebook nosoratany momba ny fihetsiketsehan'ny mpianatra ao an-drenivohitra Dhaka mbola mitohy tamin'ny fotoana nanoratana.

Nidina an-dalambe ny mpianatra ambaratonga faharoa avy amin'ny sekoly samihafa ao an-drenivohitr'i Bangladesh nanomboka tamin'ny 26 jolay nitaky ny hanatsarana ny fiarovana ny fifamoivoizana an'arabe sy hampanjakana ny lalàna, rehefa maty noho ny tsy fitandreman'ny mpitondra fitateram-bahoaka ny roa tamin'ny mpiara-miantra amin-dry zareo. Mitaky ny hanomezana rariny ho an'ny lasibatra ihany koa ny mpianatra.

Nohazonina noho ny fitantarana ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

Nitantara ny fihetsiketsehan'ny mpianatra ao Bangladesh i Shahidul Alam ao amin'ny kaontiny Facebook sy Twitter ary miresaka ny fihetsiketsehana ao amin'ny Facebook Live.

Mpianatra mihoatra ny zato no naratra nandritra ny faran'ny herinandro rehefa nampiasa hery tafahoatra ny polisy, anisan'izany ny fitifirana amin'ny bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso amin'ny mpianatra mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana.

Sisa amin'ny fakandahatsariko. Nandrakitra ireo mpikamban'ny Ligy Chhatra mitondra kibay sy tehimby mihiaka “Joy Bangla” mihaza ny mpianatra aho. Nahita ahy nandrakitra an-tsary ry zareo ka nitodika hidaroka ahy ary namotika ny fakantsariko.

Nivadika ho herisetra ny fihetsiketsehana tamin'ny 4 aogositra rehefa nanomboka niely an-tserasera ny tsaho fisian'ny mpianatra mpanao fihetsiketsehana ho nalaina an-keriny, naolana ary novonoina, saingy niampanga ireny hafatra ireny ho diso loharanom-baovao mahaleotena Dhaka Tribune sy ny mpianatra ary nataon'ny vondrona Facebook Jaachai (fact-check) menatra ireo mpanao sary namboamboarina. Na izany aza dia maro ireo mpianatra no nivoaka an-dalambe ho fanoherana noho ny fisian'izany fahafatesana izany. Nitohy nanomboka tamin'izay fotoana izany ny fifanandrinana mahery setra teo amiin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy. Nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana sy ireo mpanao gazety nanangom-baovao tamin'ny fanafihana ihany koa ny andian'olona manana fifandraisana amin'ny antoko mitondra ao Bangladesh.

Nilaza ireo ekipa vonjy taitra ara-pitsaboana fa mpanao fihetsiketsehana naratra mihoatra ny 100 no nokarakarain-dry zareo.

Tao anatin'ny fikasana hampidinana ny fielezan-tsaho haingana, dia nampidinina ho any amin'ny ambaratonga ambany indrindra (2G) ny halakin'aterineto finday ary nakatona ny fampielezana amin'ny alalan'ny 3G sy 4G.

Nofatorana araka ny lalànan'ny TIC noho ny fanehoan-kevitra tamin'ny fampitam-baovao

Nandritra ny fitantarany ny fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny media sosialy, hita ho nahatezitra ireo manampahefana sy ny antoko mitondra i Alam taorian'ny nanomezany antsafa am-pahitalavitra hoan'ny fampielezam-baovao Al Jazeera miorina ao Qatar tamin'ny takarivan'ny alahady izay niresahany ny toe-draharaha vao haingana tao Bangladesh sy nitsikeràny ny governemanta.

Navoakan'ilay bilaogera mila ravinahitra an-tanin'olona Rumi Ahmed tao amin'ny Facebok ny dikantsoratry ny antsafa. indro ny tsonga iray amin'izany:

I think what we need to do is to look at what has been happening in the streets today. The police specifically asked for help from these armed goons to combat unarmed students demanding safe roads. I mean how ridiculous is that. Today, I was in the streets, there were people with machetes in their hands chasing unarmed students. And the police are standing by watching it happen. In some cases, they were actually helping them…

Mihevitra aho fa ilaina jerena izay mitranga eny an-dalambe amin'izao fotoana izao. Nangatahan'ny polisy antso manokana ireo taritary mitao fiadiana hiady amin'ny mpianatra tsy manam-pitaovam-piadiana. Te-hilaza aho hoe tena fahadalàna tokoa izany. Androany aho teny an-dalambe nahita olona nitondra antsilava mihaza ireo mpianatra tsy mitondra fitaovam-piadiana. Ary mijery fotsiny eo akaiky eo ny polisy. Misy aza ny tranga sasany manampy ireo taritary ireo ry zareo…

Araka ny tatitra farany indrindra, nahazo didy fampihazonana maharitra fito andro hanaovana famotorana an'i Shahidul Alam mifandraika amin'ny raharaham-pitoriana araka ny lalànan'ny TIC napetraka tamin'ny 6 aogositra 2018 ny polisy. Nalefa teo anoloan'ny fitsarana izy ary zara raha nahay nandeha. Hita ho voadaroka tany amin'ny fampihazonana vonjimaika izy.

Nisioka any an-tsesintany ny mpanao gazety Tasneem Khalil:

Nilaza i Alam fa tsy navela hanana mpisolovava izy na dia teo aza ny fitakiany. Ary nodarohan'ny mpisambotra azy izay mitady hanery azy hanao fanambarana izy. lahatsary avy amin'i Arfun A.

“Nodarohana aho. Nosasan-dry zareo ny fitafiako punjabi mihosin-drà ary nampanaoviny ahy indray,” hoy i Shahidul Alam rehefa nentina ho any amin'ny lapan'ny fitsarana any Dhaka izy hofotorina, hoy ny tatitr'i Shafiqul Alam (Lehiben'ny biraon'ny AFP ao Dhaka)

Saripika: Sabuj Shahidul Islam

Tsy mbola nanamarika izay antony nisamborana azy ny polisy fa nanondro kosa ny raharaha miampanga azy araka ny andininy faha-57 amin'ny lalànan'ny TIC ho “manararaotra tafahoatra sehatra elekthrônika iray hampielezana “lainga” eo amin'ny mponina sy mitady “tsy hankatoa ka hanohitra” ny governemanta eo amin'ny sehatra iraisampirenena, manimba ny lalàna sy ny filaminana, mampiely “tahotra sy horohoro”.

Natao hanenjehana ara-pitsarana ireo mpanao gazety sy mpikatroka an-tserasera an-jatony mba hampihenana ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera no tsinjovin'ny andininy faha-57 amin'ilay lalàna malaza ao Bangladesh 2013 Information and Communication Technology Act of Bangladesh [Lalànan'ny Torohay sy ny Fifandraisan'i Bangladesh taona 2013) tao anatin'ny taona vitsivitsy izay.

Manoratra ao amin'ny Facebook ny bilaogera sady mpikatroka Vaskar Abedin:

শহীদুল আলম কোনো গুজবকে সত্যের মতো অভিনয় করে প্রচার করেননি। একজন অ্যাক্টিভিস্টের মতো করে ডেটা, ফ্যাক্ট আর নিজের তোলা ছবি নিয়ে ফেইসবুক লাইভে গেছেন। তিনি কাউকে আহ্বান জানান নাই উস্কানি দিয়ে, তিনি কেবল পরিস্থিতি বিশ্লেষণ করেছেন নিজের উপস্থিতি জানান দিয়ে। বেশিরভাগ লাইভ ভিডিওতে তিনি ইংরেজিতে কথা বলেছেন। যেসবের ভোক্তা এই আন্দোলনের মূল নিউক্লিয়াসের কেউ নয়।

অথচ তার বিরুদ্ধে তথ্যপ্রযুক্তি আইনে আন্দোলনের উস্কানিদাতা হিসাবে মামলা হয়েছে। এমন বিষয়গুলো খুব বিব্রতকর।

Tsy namorona tantara hampielezana tsaho i Shahidul Alam. Amin'ny maha-tena mpikatroka azy, nanolotra ny zavamisy tao amin'ny Facebook live izy izay nahitana saripika sy antontan-kevitra. Tsy nihantsy na namely mivantana na iza na iza izy, nanadihady nytoe-draharaha manazava izay hitany teny an-dalambe fotsiny izy. Niteny anglisy izy tamin'ny ankapobeny tao amin'ny fandefasany ny Facebook Live ary tsy ireo mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana no mpijery kinendriny, fa ny fiarahamonina (iraisampirenena) amin'ny ankapobeny.

Saingy mbola notoriana amin'ny lalànan'ny TIC ho mpandranitra ady hatrany izy. Tena mahasakodiavatra izany.

Namoaka fanambaràna izay mivaky toy izao ny Amnesty International:

Shahidul Alam must be immediately and unconditionally released. There is no justification whatsoever for detaining anyone for solely peacefully expressing their views. His arrest marks a dangerous escalation of a crackdown by the government that has seen the police and vigilantes unleash violence against student protestors.

Tokony avotsotra avy hatrany tsy misy fepetra i Shahidul Alam. Tsy misy ny fanamarinana hitazonana na iza na iza noho ny fanehoany fomba fijery am-pilaminana. Manamarika fiakaran'ny famoretana ataon'ny governemanta ahitana polisy sy andian'olona manao herisetra amin'ny mpianatra nanao fihetsiketsehana izao fisamborana azy izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.