Mihantsy ny governemantan'izy ireo noho ny fandaharan'asa fanarahamaso ny orinasam-pifandraisandavitra ghaneana

Laboratoaran-tsolosaina ao amin'ny Oniversiten'i Ghana. Sary avy amin'i SandisterTei (Creative Commons BY-SA 3.0).

Notorian'ireo mpisolovava ara-politika sy ny olom-pirenena Ghaneana tany amin'ny fitsarana ny governemantan'izy ireo noho ny drafitra hametraka ilay antsoina hoe “Sehatra Iombonana”, rafitra ara-teknika izay ahafahan'ireo mpandrindra manaramaso ny fidiram-bolan'ireo orinasam-pifandraisandavitra miasa ao amin'ny firenena.

Milaza ireo mpanohitra ny dafitra fa tsy ny fidiram-bola ihany no mety haraha-maso, ka nampitandrina fa mety ahafahan'ny governemanta mora foana hitsikilo ireo antso sy hafatra koa izany.

Nilaza ireo manampahefana fa te-hametraka rafitra izy ireo mba hanaramaso ireo orinasan'ny fifandraisandavitra ao Ghana sy hiantohana fa mandoa hetra ara-dalàna izy ireo. Ny orinasa Kelni GVG no tompony sy mampiasa ny sehatra.

Tamin'ny volana Jolay, niantso ny Fitsarana misahana ny Zon'Olombelona ao Accra renivohitra ireo mpanao fangatahana (mpitory) roa, Sara Asafu-Adjaye sy Maximus Ametorgoh mba hihaino ny raharahan'izy ireo. Nilaza izy ireo fa mety hanohintohina ny zo fototra momba ny fiainana an-takonana (manokana) ny rafitra. Miasa amin'ny sehatra teknolojia sy ny haibika (fandravahana) izy roa ireo.

Nandrisika ny fitsarana izy ireo mba “hanakana ny Minisiteran'ny Fifandraisana sy ireo voampanga hafa tsy hamela ny Kelni GVG, hiditra amin'ny lahatahirin'izy ireo manokana.”

Raha sy rehefa ampiharina, dia ho ampiasain'ny Kelni GVG, eo ambany fifanarahana amin'ny governemanta ny Sehatra Iombonana.

Hanana fahafahana hifandray amin'ny rafi-pifandraisan'ireo orinasam-pifandraisandavitra sy hiditra hijery ny fidiram-bolan'izy ireo, amin'ny ezaka hampitomboana ny hetra avy amin'ny sehatry ny fifandraisandavitra sy ny aterineto ny orinasa.

Rehefa mampifandray ny rafitra fanarahamasony amin'ny tambajotran'ny orinasan'ny fifandraisandavitra ny orinasa, dia afaka miditra amin'ny fidiram-bola sy ny lahatahiry rehetra an'ireo mpisoratra anarana, anisan'izany ny votoatin'ny antso am-peo sy ny hafatra an-tsoratra.

Tamin'ny volana jona 2018, nanamafy ny filazan'ireo mpitory ny Sampan'ny Fifandraisandavitra Ghaneana, nanazava fa ny Sehatra Iombonana dia “afaka mandrakitra, manaramaso sy mandrakitra amim-pahavitrihana na tsia ao amin'ny zotrampifandraisana elektronika mivoaka sy miditra, toy ny feo. “

Vondrona maro samihafa no nanohitra ny drafitra, anisan'izany ny Occupy Ghana sy ny Foiben'ny IMANI momba ny Politika sy ny Fanabeazana, izay naneho ahiahy eo amin'ny fiainana manokana (an-takonana) amin'ny drafitra, sy ny tombontsoan'ny governemanta sy ny mpiantsehatra  hahazo tombontsoa avy amin'ny fifanarahana Kelni GVG. Nandrahona hitory ny governemanta sy ny orinasam-pifandraisana ihany koa ilay depiote Ras Mubarak raha tanterahina ny fifanarahana.

Teo anoloan'ny Fitsaràna Avo, tamin'ny 10 jolay 2018, nanamafy i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh fa “ny fifandraisana kasaina amin'ny Sehatra Iombonana dia mandika ny Lalàna 864 sy ny zo fototry ny zon'olombelona momba ny tsiambaratelon'ny taratasim-pifandraisana sy ny fifandraisan'izy ireo, izay arovan'ny Andininy faha-18 (2) amin'ny Lalàm-panorenana taona 1992. “

Ho fanohanana ny hevitra, namaly ny lahatsoratra Facebookn'i Ametorgoh i Don Derrick:

This is good. We all need to be concern about privacy. if they want access to revenue, they can get that with an API [Application Programming Interface] but if they want full access to data, communications, financials and logs, that is a very nasty move. I am with you Maximus. Keep up with the Good work.

Tsara izany. Isika tsirairay dia mila miahy ny fiainana manokana (an-takonana). Raha te-hiditra any amin'ny fidiram-bola izy ireo dia afaka mahazo izany amin'ny API [Application Programming Interface] fa raha te hanana fidirana tanteraka amin'ny tahiry, fifandraisana, ara-bola sy ny logs izy ireo, dia fihetsika tena ratsy izany. Manohana anao aho Maximus. Tohizo ny asa tsara.

Tao amin'ny Facebook, Gyebiba Ebony nanangana fanontaniana momba ny atao hoe fanitsakitsahana ny tsiambaratelo amin'ny Common Platform (Sehatra Iombonana) ary nampitaha izany amin'ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelo avy amin'ireo sehatra media sosialy sasany.

Ho setrin'izany, nanazava i Ametorgoh fa ny Common Platform dia hampifandray ny “vona rehetra amin'ny tambajotra fa tsy ny rafitra rosiam-bola ihany “:

They can intercept the content of the communication. The system is not supposed to have the capability to intercept or access the content.

[In contrast,] You decide what you post on social media. It’s called “social” media. If you share private content here, that’s up to you. You can’t even share some kinds of images here.

Afaka mitsikilo ny votoatin'ny fifandraisana izy ireo. Ny rafitra dia tsy tokony hanome fahafahana hitsikilo na hiditra amin'ny votoaty.

[Mifanohitra amin'izany] Manapa-kevitra izay soratanao ao amin'ny media sosialy ianao. Antsoina hoe “media sosialy” izany. Raha mizara votoaty tsiambaratelo eto ianao, dia miankina aminao izany. Misy aza karazan-tsary tsy azonao zaraina eto mihitsy.

Saingy nolavin'ny Fitsarana momba ny zon'olombelona ao Accra, Ghana ny fangatahana nasehon'i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh.

Tamin'ny didim-pitsarana, nanambara ny tribonaly fa tsy nanome porofo mivaingana hanohanana ny filazan'izy ireo momba ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelo amin'ny fampiharana ny Common Platform  ireo Ghaneana roa ary mifototra amin'ny fihetseham-po sy adihevitry ny vahoaka fotsiny ny tohan-kevitr'izy ireo.

Franklin Cudjoe, mpanohana lehibe ny fangatahan'i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh ary ny tale mpanatanteraka ao amin'ny IMANI, nilaza fa niaiky ireo orinasam-pifandraisan-davitra fa ny Common Platform, raha ampiharina, dia mety hanitsakitsaka ny tsiambaratelon'ny mpanjifa ary tsy noraharahian'ny fitsarana ity porofo ity tamin'ny fanapaha-keviny.

Emmanuel Kyeremanteng Agyarko, mpikambana iray ao amin'ny parlemanta, nanamafy fa ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelo mety ho ataon'ny sehatra dia tsy midika fa hanitsakitsaka ny tsiambaratelo, amin'ny fomba rehetra izy.

Toa hampiharina tsy misy firaharahiana ny fotoam-pitsarana farany ny Common Platform, satria nilaza ny fitsarana fa mety hiatrika fahavoazana tsy hita pesipesenina ny Fanjakana raha misy ny didy omena.

Nolavina tamin'ny 10 Jolay 2018 ny fangatahana nalefan'i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh. Saingy antenaina hitohy ny fanoherana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sy avy amin'ireo mpanao lalàna mihitsy aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.