Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Septambra, 2016
Tsy Nanaiky Ny Famotsorana Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona Nabeel Rajab Ny Fitsarana Bahrainita , Nahemotra Ny Didim-pitsarana
Miatrika 15 taona an-tranomaizina i Rajab noho ny sioka momba ny ady tarihin'i Arabia Saodita ao Yemen sy noho ny filazana ny fampijaliana ao amin'ny fonja Bahrainita.
Tetikasa Mpiaramiasa: Fitaovana Teknika Vaovao Hanarahanao Maso ireo Mpanara-maso Anao
Fantaro ny momba ny Trackography an'ny Tactical Tech, rindrambaiko misokatra izay mampibaribary hoe iza no manara-maso antsika ary aiza ny angon-drakitra momba antsika no mandeha rehefa miditra aminà tranonkalam-baovao isika.
Netizen Report: Miaraka Amin'ny Fanakatonana Ny Aterineton'i Gabon, Miatrika Fanambin'ny Fihodidinana Sivana Indray Ireo Mpikatroka
Lasa lohatenim-baovao amin'ny raharaha fanalàm-baràka amin'ny Facebook i Bhoutan, mampiasa ny sivana i Paragoay mba hiarovana ireo ankizy amin'ny Aterineto, ary miditra amin'ny fifampiraharahàna miaraka amin'ny orinasa fifandraisandavitra Frantsay Orange i Iràna.
Manontany Ny Indiana: Tena Heloka Tokoa Ve Ny Fitsidihana Ny Habaka Torrent?
"Nandràra ireo habaka torrent mielipatrana isan-karazany nandritra ny fotoana maharitra i India - vaovao taloha izany. Saingy eo ambanin'ny politika federaly vaovao ao India, azo gadraina mandritra ny telo taona sy mandoa onitra 300.000 Ropia indiana (~ 4464 dolara Amerikana) ny olona izay tratra mampiakatra votoaty ao amin'ireo tranonkala nakatona."
Voaroaka Noho Ny Fiaraha-miasa Tamin'ny Fampitam-baovao Tsy Miankina Ilay Kiobàna Mpanao Gazety Sady Mpikatroka LGBT
"Tsy misy olana izay toerana hamoahanao lahatsoratra, na dia ao amin'ny bilaoginao fotsiny aza. Hovakianay foana izay soratanao "
Mbola Tsy Hita Ilay Mpanao Gazety Jean Bigirimana Raha Mitohy Ny Krizy Ara-politika Ao Burundi
Ny fandàvan'ny manampahefana amin'ny fitazonana an'i Jean no nahatonga ny tahotry ny namany sy ny mpiara-miasa aminy fa mety manafim-baovao momba ny misy azy na ny fahafatesany ny manampahefana
Tsy Mahatsiaro Tena Ilay Mpanao Gazety Alzeriana Nogadraina Roa Volana Taorian'ny Fitokonana Tsy Nihinan-kanina
Nanomboka nanao fitokonana tsy hihinan-kanina i Mohamad Tamalt tamin'ny 27 Jona ho fanoherana ny fisamborana sy ny fanagadrana azy . Any am-ponja izy noho ny faniratsirana an-tserasera ny Filoha Alzeriana.
Fanentanana: Miaro Antsika Ny Tsy Fitononana Anarana — Ka Andeha Arovana Ny Tsy Fitononana Anarana
Tena zava-dehibe indrindra ny tsy fitononana anarana satria miantoka ny fahalalahana tahaka ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo hivory, ny zo hanao fihetsiketsehana ara-tsosialy, ary ny zo hitady vaovao sy hahazo fanampiana, ankoatra izay tsy voatonona. Ka andao arovana ny tsy fitononana anarana!